Newsmada

Found 2570 news

  • Basikety-taona 2025 : Tsara ny vokatra ho an’ny Klioban’ny NBE
    Newsmada - 05:52 Sep 03, 2025
    Klioba manomboka mametraka ny anarany eo amin’ny sehatra nasionaly ny NBE (New Basket Evolution) Analamanga. Ho an’ny taom-pikatrohana 2025, tsara ny vokatra ho azy ireo, satria tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, sokajy lehilahy, izay natao tany Arivonimamo ary tompondakan’i Madagasikara lefitra, teo amin’ny sokajy latsaky ny […]
  • Atletisma – Mada 2025: Atleta mendrika i Flaurentine sy i Eric Justin
    Newsmada - 05:52 Sep 03, 2025
    Nisongadina ny atleta avy amin’ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, ny faran’ny herinandro teo. Norombahin’izy ireo avokoa ny amboara ho an’ireo atleta mendrika. Lasan’i Flaurentine ho an’ny vehivavy ary i Eric Justin, teo amin’ny lehilahy. Tontosa teny amin’ny Kianja Alarobia, ny 29 hatramin’ny 31 aogositra lasa teo, […]
  • Dr Andriamahazosoa Irako Ammi : « Ny olom-baovao no afaka manova »
    Newsmada - 04:42 Sep 02, 2025
    Anisan’ny nivoitra tamin’ny fampianarana nentin’ny filoha teo aloha eo anivon’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako, ny momba ny fanarenana ny firenena. Nahitsy ny nambarany tamin’izany tetsy Ambatonakanga. Niompana amin’ny fanamarihana telo samihafa ny teny fampianarany tamin’ny fotoam-pivavahana nanokafana ny faha-10 taon’ ny Hetsika Rohy, ny herinandro teo. Nambarany fa ilaina […]
  • OJM : “Voafehin’ny lalàna ny mpanao gazety”
    Newsmada - 04:42 Sep 02, 2025
    “Tokony ho voafehin’ny lalàna hatrany ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany, fa tsy misy eo ambonin’ny lalàna. Eny, na tsy teratany ao amin’ny firenena: tokony hofehezin’ny lalàna eo amin’ny firenena iasany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Monica Harimbola, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, […]
  • Biby hafakely : Mahasarika ny maro noho izy ireny manala rarintsaina
    Newsmada - 04:41 Sep 02, 2025
    Seha-pihariana iray mahaliana sy maha­sarika olona maro ny fiompiana karazam-biby hafakely. Manampy ny olona amin’ny fanalana ny rarintsaina mahazo azy ny miompy azy ireny. Mahaliana sy efa ma­hazo vahana eto Ma­dagasikara ny fiompiana ireo karazam-biby hafakely tsy fahita firy, na miala amin’ny mahazatra. Misy mi­hitsy ny manao izany ho asa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:40 Sep 02, 2025
    Hotanterahina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Madagascar International BJJ”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Ady goavana indrindra amin’ity taona ity io fifaninanana io. Misokatra ny 8 septambra izao ny fisoratana anarana ary mifarana ny 6 oktobra. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’i […]
  • Rugby vehivavy – Divizionina 1 : Resin’ny SCB Besarety ny FTFA Antohomadinika
    Newsmada - 04:40 Sep 02, 2025
    Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy D1. Nivoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny an’ny Besare­ty sy ny FTFA Antohomadi­nika. Tamin’ny isa […]
  • Raboussa: Mbola tompon’ny rap gasy
    Newsmada - 04:48 Sep 01, 2025
    Tsy tokony hisy adihevitra intsony… Mbola Raboussa irery, hatreto, no mpiangaly ny rap gasy nameno ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­hama­sina. Tsy voalohany izany, sain­gy mbola noporofoiny indray fa anisan’ireo mpanakanto sangany, be mpankafy ary tompon’ny rap gasy ny tarika. Tsy nisy no­diavina ny lapa, rakotr’ireo mpankafy izay efa misy sokajin-taona samihafa. […]
  • « Afrima Awards » : Voafidy hifaninana i Denise
    Newsmada - 04:48 Sep 01, 2025
    Mitohy hatrany ny lalany. Voafantina hifaninanana amin’ny « All Africa Awards » na « Afrima Awards » indray mantsy i Denise. Vaovao lehibe nivoaka ny faran’ny herinandro teo, satria manaporofo fa misokatra ho an’ity mpanakanto ity ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Fandaharana ireo mpanakanto afrikanina mpanao mozika manana ny lazany izy […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:47 Sep 01, 2025
    Nahitam-pahombiazana ny “Labdihy” andiany faha-11. Tontosa nandritra iny herinandro nivalona iny ity hetsika manokana ho an’ny dihy, nampivondrona indray ireo manan-talenta amin’ity sehatra ity. Natao omaly, tetsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina ny fampisehoana, nenti-namaranana ny hetsika, izay naka endrika famintinana ireo nitranga nandritra ny herinandro. Na­nasongadina ny talentan’ireo mpamorona […]
  • Tarika Njila: Kely sisa dia tafaverina ny fahiny !
    Newsmada - 04:47 Sep 01, 2025
    Tao i Poopy, Ramaka ary i Datita… Niara-namerina ny “Revy Njila 100%” izy ireo. Niaina indray ny tamberina sy tsiahy ireo mpankafy tao Antsahamanitra, na dia nahatsapa koa ny fahabangan’ireo mpikambana sasany tao amin’ny tarika aza. “Tena izany mihitsy ilay feon-kira fanombo­han’ny tarika Njila ny fampisehoana taloha”. Nitam­berina vetivety tamin’i […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:46 Sep 01, 2025
    Nananosarotra ireo mpankafy Baloina kitra ny nitady « vuvuzela » teny amin’ireo mpivarotra, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ireo mpivarotra tetsy Analakely fa efa lafo avokoa ny sifflet sy ny bapampa tamin’izay fotoana izay. Maro tamin’ireo mpivarotra koa no nahazo tombony 50 isan-jato tamin’ny fivarotana akanjo misy sary famantarana Barea. Araka ny […]
  • Fiompiana trondro: Nahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana
    Newsmada - 05:13 Aug 30, 2025
    Nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsima­naoraty Paubert, afakomaly, tany Mahajanga, fa efa mahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana amin’ny resaka fiompiana trondro eto Mada­ga­sikara. Araka ny fanazavany, efa mpiompy trondro avokoa ny antsasa-manila amin’ireo nahavita izany. Raha ho an’ny faritr’i Ma­hajanga manokana, manodidina ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:13 Aug 30, 2025
    Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, ny Foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena na ny Tsenaben’ny Fokontany Betsizaraina. Maro ireo olo-manan-kaja tonga teny an-toerana. Hifarana ny alahady ho avy izao moa ity Foara be etsy Betsizaraina ity. Hotanterahina ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao ny Marathon […]
  • Fanatsarana ny famatsian-drano: Nanampy bonbonne 25 ny Jirama
    Newsmada - 05:13 Aug 30, 2025
    Araka ny vaovao naparitaky ny orinasa malagasy Jirama, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Nisy ny fampitaovana isan-karazany nataony mba hisitrahan’ny Ma­lagasy rano fisotro madio. Anisan’ny tena nisongadina tamin’izany ny fanampiana bonbonne miisa 25, izay hanatevina ny 236 efa niasa hatramin’izay. Ho fampiharana izany avy hatrany, ny faritra avo sy ivelan’ny […]
    Tags: Jirama
  • Seranan’Ivato: Vita ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana
    Newsmada - 05:12 Aug 30, 2025
    Afaka miasa ankehitriny ny toerana fiantsonan’ny fiaramanidina, Tarmac 1. Nandaniana 32,5 miliara Ar ny asa, ho fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Dingana vaovao indray no vitan’ny orinasa Ra­vi­nala Airports amin’ ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Raha ny antontanisa, nandritra ny fo­to­am-piasana 2025, manodidina ny 60 isan’andro ny fivezivezen’ny fiaramanidina teo […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:11 Aug 30, 2025
    Ny fanadiovana sy famerenana amin’ny laoniny ny lakandrano C3 no vaindohan-draharahan’ny tetikasa Produir. Zava-dehibe amin’ny fisorohana ny tondradrano sy amin’ny lafiny ara-pahasalamana izany. Fotaka 55 839 m3 no nosokirina tamin’ny lakandrano mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara. Taorian’ny fahamaizana nitranga tetsy Ano­sibe Mandrangobato I, tonga nitondra tosika vonjy taitra ho an’ireo […]
  • Fitrandrahana tsy ara-dalàna : Manao fanairana ny Tafo Mihaavo
    Newsmada - 04:49 Aug 29, 2025
    “Fanairana!” Nanao fa­nam­barana tetsy Anosy, ny Tafo Mihaavo mahakasika ny fi­trandrahana tsy ara-dalàna manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’izy ireo, mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny mponina eny ifotony io zava-misy io. Raha ny filazan’izy ireo, mbola mitohy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any amin’ny faritra […]
  • Soanierana Ivongo – Toamasina: Mitaraina amin’ny lalana ny mpamily
    Newsmada - 04:48 Aug 29, 2025
    Ratsy dia ratsy! Izay no azo ilazana ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy i Soanierana Ivongo. Araka ny fanadiha­diana natao tamin’ny mpamily any an-toerana, ny sabotsy lasa teo, mitaraina izy ireo amin’io lalana io, mandany adiny folo be izao ny zotra iray. “Tsy vitan’ny hoe efa olana ilay lalana fa […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:48 Aug 29, 2025
    Nifarana omaly ny fikaonandoha nasionaly nametrahana ny hoavin’ny jono eto Madagasikara, iarahana amin’ny fifanarahan’ny Vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC). Naharitra roa andro ny hetsika nifarimbonan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Notontosaina tao amin’ny Kaominina Sainte Marie, distrikan’i Sainte Marie, […]

2570 items