Newsmada

Found 2195 news

  • Vovonana PFSCE : « Atsaharo ny fampiasana zaza »
    Newsmada - 03:48 Jun 14, 2025
    Natao ny 12 jona teo, teto Antananarivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Vovonana Fiarahamonim-pirenena ho an’ny an­kizy (PFSCE) sy ireo fikambanana samihafa ao anatiny. Lohahevitra ny hoe « Fampiasana ankizy, atsaharo ». Nan­dray anjara tamin’ny famelabelarana sy ady hevitra ny Kao­mitin’ny ankizy, mpikambana ao anatin’ny PFSCE, ny fikambanana « Terre des Hommes », ny manampahaizana avy […]
  • Fahavitan-tena ara-tsakafo: Vahaolana ny fambolena vary safiotra sy ny Agripole
    Newsmada - 03:48 Jun 14, 2025
    Anisan’ny naverimberin’ny solombavambahoaka ny hanapariahana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Eo koa ny fambolena vaventy, ny tetikasa Agropole. Maro ny solombavambahoaka nankasitraka ny ezaky ny Sekre­teram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), toa an-dRakotomalala Miarin­tsoa, depiote voafidy tao Am­batolampy, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, ny 12 sy […]
  • Fikambanam-pinoana katolika : Notolorana mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny Antilin’i Madagasikara
    Newsmada - 04:49 Jun 13, 2025
    Anisan’ireo miara-miasa sy manampy ny eny anivon’ny fiarahamonina ny skoto, anisan’izany ny Antily eto Mada­gasikara. Nomena mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny fikambanana. Feno zato taona ny 23 marsa, ny taona 2023 teo ny fikambanan’ny skotisma zazalahy izay antsoina hoe Antilin’i Madagasi­kara. Ity farany izay saika ahitana azy avokoa ny diosezy […]
    Tags: Antilin
  • Gazety boky Le Radar : Mitondra avo ny feon’ny toekarena
    Newsmada - 04:48 Jun 13, 2025
    Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tan­jona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafin­drabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo […]
    Tags: Radar
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:47 Jun 13, 2025
    Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa. Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toa­masina […]
  • Fifandraisan-davitra : Namoaka ny « cartoréseau interactive » ny Artec
    Newsmada - 04:47 Jun 13, 2025
    Nampahafantarin’ny Autorité de régulation des téchnologies de communication na Artec ny vovonona ana habaka «cartoréseau interactive». Fitaovana ahafahan’ny besinimaro mahita amin’ny fotoana rehetra ny fandrakofana finday manerana ny Nosy izay azo jerena ao amin’ny tranokala https://www.artec.mg/cartoreseau/. Anisan’ny namolavola ity fitaovana ity ireo ekipa teknikan’ny Artec. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra […]
    Tags: Artec
  • ITM-IHM : Misarika mpizahatany ny asa tanana
    Newsmada - 04:47 Jun 13, 2025
    Nosantarina, omaly, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, andiany faha-11, (ITM) sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHS), andiany faharoa. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry. Maherin’ny 500 ny mpandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy asa tanana isan-tsokajiny. Firenena nasaina manokana i Maraoka, notarihin’ny minisitry […]
  • «Rugby Women’s Africa»  : Lavon’i Ouganda i Madagasikara
    Newsmada - 05:06 Jun 12, 2025
    Notontosaina tao amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Resy tamin’izany ny Makis Ladies, rehefa lavon’i Ouganda, tamin’ny isa 24 no ho 20, i Ouganda. Tsia­hivina fa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, somary sahirana ny ekipa nasionaly malagasy, nitarika 12 no […]
    Tags: Ouganda
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:05 Jun 12, 2025
    Notanterahina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Olympic Day”. Nisy ny hetsika nanamarihina izany, nialohavan’ny seminera natokana ho an’ny atleta nandritra ny 2 andro ka nizarana ny medaly ho an’ny mpandray anjara. Hotanterahina ny 14 jona izao ny hetsika “Girl’s Open Mat”, taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Miso­katra ho an’ny vehivavy […]
  • Raharimalala Léa: 50 taona nilalaovana volley
    Newsmada - 05:05 Jun 12, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny “Match de Gala”, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ivon’ny ny fankalazana ny jobily faha-50 taona nilomanosan-dRaharimalala Léa tao anatin’ny taranja volley-ball. Nahafinaritra ny fiarahana nilalao tamin’ireo mpilalao fahiny, araka ny nambarany. Tratra ny tanjona tamin’ity fankalazana ity. Ny hampihaona ireo rehetra niaraka lehibe […]
  • “Cosafa Cup” : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar
    Newsmada - 05:05 Jun 12, 2025
    Barea de Madagascar hifandona amin’i Angola. Afrika Atsimo hifampitana amin’i Comores. Ireo ny fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Cosafa Cup 2025”. Fihaonana hotantera­hina rahampitso, ao amin’ny Kianja Toyota stadium, Afrika Atsimo. Manohy ny diany any amin’ny dingana ma­nasa-dalana ny Barea de Madagascar (A’), eo amin’ ny fiadiana […]
  • “Festival de trails Madagascar” : Eny Ambohijanaka ny andiany voalohany
    Newsmada - 05:04 Jun 12, 2025
    Hatao ny sabotsy 21 jona izao, eny Ambohija­naka, ny andiany voalohany amin’ny “Festival de Trails Madagascar”, karakarain’ny fikambanana Kolo­vatana. Natao ity hetsika ity mba hampivondronana sy hanentanana ny tanora sy ho fampiroboroboana ny fizahantany. Manana tombony ny tanànan’Ambohijanaka, 11 km miala an’Antananarivo, ho an’ny karazana hazakazaka an-tendrombohitra. “Tanjona ny hampiroborobo […]
    Tags: Festival
  • Kaominina Maromitety : Misendra olana mahakasika ny fambolena
    Newsmada - 04:51 Jun 11, 2025
    Anisan’ny faritra ma­mo­katra lavanila ny kaominina Ma­romi­tety. Misedra olana manoloana ny karazam-pambolena isan-karazany fa­naon’ny mponina anefa ny fokonolona ao amin’ny fokon­tany maromaro mandrafitra io kominina io, anatin’ny disitrikan’i Vavateni­na, faritra Analanjirofo. Raha ny hita taratra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny mpanao gazety nidina ifotony, amin’ny akapobeny, fokontany ani­san’ny mamokatra lavanila ao […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:49 Jun 11, 2025
    Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny […]
  • Asa tanana malagasy: Nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana tany ivelany
    Newsmada - 04:49 Jun 11, 2025
    Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy». Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa ta­nana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho […]
  • Airtel-UVVT : Toe-tsaina mandala ny tontolo iainana
    Newsmada - 04:49 Jun 11, 2025
    Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, […]
  • Faha-10 taonan’ny UPPM: Nomena ny mari-boninahitra ny mpaka sary
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2025
    Nifarana ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny Union des photographes professionnels de Madagascar, na ny UPPM. Notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Radisson Blu, Tana Water Front ny lanonana nanamarihana izany, izay nanomezana ny mari-boninahitry ny kanto ireo mpaka sary matihanina. Samy naneho ny maha mendrika izao fanomezana […]
    Tags: UPPM
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2025
    Hanomboka anio ny « Hadimiana San­dra­tra ». Tohin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny ma­la­gasy » izy ity, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra. Mandritra ny dimy andro ny hetsika, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hisy ny seho ara-javakanto, aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Rahampitso kosa ny velakevitra voalohany, […]
  • “Loko iray”: Seho hafa ho an’ny tanora
    Newsmada - 04:55 Jun 10, 2025
    Misy endri-tseho maro, hikendrena ny tanora. Iray tamin’ ireny ny “loko iray”, notontosaina ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nate Tex, Njara Marcel, Nampoina, Ayam ary Johanne. Tarika tanora, ankafizin’ny tanora, fa milalao mozika manara-penitra avokoa. Nanokatra ny seho ilay hira tambatra, niarahan’ireo tarika. Samy nitondra ny azy […]

2195 items