Newsmada

Found 2195 news

  • Menaka Hina: manara-penitra ny famokarana
    Newsmada - 08:00 Jun 30, 2025
    Mandalo « laboratoire » sy atao fitiliana isaky ny ora iray ny menaka vokarin’ny orinasa Hita. Manara-penitra ny famokarana sady mandalo fanadiovana samihafa mialoha ny hamarotana izany eny anivon’ny mpanjifa. Nidina ifotony tany Toamasina, toeram-panodidina menaka ataon’ny orinasa ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka […]
  • Ampela Online: tohana ho an’ny vehivavy mandraharaha
    Newsmada - 07:59 Jun 30, 2025
    Hanova tanteraka ny fiainan’ny vehivavy ny fampiofanana momba ny niomerika omen’ny Yas Madagascar sy ny Stem For Good ary ny Maison du Numerique etsy Ankorahotra ny tetikasa Ampela Online. Tanjona ny hanomezan-danja ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina sy hanohanana ny fidiram-bolany amin’ny alalan’ny fikirakirana ny niomerika mba hampaleo tena azy. […]
  • CHEVAL DE BOIS
    Newsmada - 15:00 Jun 28, 2025
  • Taranja tolona: manamafy ny fahaizany any Maroc i Josiane
    Newsmada - 07:40 Jun 28, 2025
    Fiainana fianarana hatrany! Hifarana anio, any Maroc, ny fampiofanana mpanazatra matihanina, amin’ny taranja tolona. Anisan’ireo nalefan’ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML), ho solontenan’i Madagasikara, hiatrika izany, i Soloniaina Josiane Patricia. Marihina fa nanomboka ny 23 jona, tany an-toerana, ary natokana ho an’ireo firenena miteny frantsay ihany ity hetsika ity. Tao anatin’ireo […]
    Tags: Maroc
  • Fanabeazana: manampy amin’ny fivelaran-tsain’ny ankizy ny Sary fetsy
    Newsmada - 07:39 Jun 28, 2025
    Antoka ho an’ny fanatsarana sy hampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy ny fananana fitaovana ahafahana manaitra ny sainy. Manampy azy hivelatra amin’ny lafiny maro samihafa ny Sary fetsy. Nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny Association Sœur Emmanuelle (Asmae) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tetsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny […]
    Tags: Sary
  • Orinasa Star: maherin’ny 1 500 nisitraka ny RSE
    Newsmada - 07:36 Jun 28, 2025
    Naneho ny fiaraha-mientany amin’ny mponina any amin’ ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny hetsika Fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny fitsinjovana sy fanomezan-tanana ny vondron’ olona eny ifotony. Miisa 600 ny tokantrano notoloran’ny orinasa vokatra ilaina andavanandro (PPN), ny 23 jona teo. […]
  • Tato anatin’ny enim-bolana voalohany: hita sahady ny fiantraikan’ny fanohanan’ny Base ny mponina
    Newsmada - 07:34 Jun 28, 2025
    Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina. Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikeli­kely ny lafiny toekarena sy so­sialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. […]
    Tags: Base
  • Madagascar Airlines: nohavaozina ny fanofana ATR-72
    Newsmada - 09:21 Jun 27, 2025
    Anatin’ny fanarenana sy ny fanavaozana hatrany ny kaompania Madagascar Airlines amin’izao. Nohavaozina ny fifanarahana fanofana fiaramanidina ATR-72 miisa roa amin’ny orinasa Abelo ho an’ireo mitondra ny laharana 5R-MJF sy 5R-EJB. Hampiasaina hatramin’ny volana janoary 2028 ny voalohany, raha hihitatra hatrany amin’ny volana novambra 2029 kosa ny faharoa, izay samy hanao sidina […]
  • Famatsiana: ampy tsara ny tahirin-tsolika
    Newsmada - 09:20 Jun 27, 2025
    Tonga ara-potoana hatrany ny sambo mitatitra solika avy any ivelany mankaty Madagasikara. Tsy misy atahorana ny famatsiana aty afovoan-tany sy ny any amorontsiraka. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny alarobia 25 jona teo, manodidina ny famatsiana solika eto amintsika. « Ampy tsara ny […]
  • Manjaka Tokana: nizara fanomezana ho an’ny ankizy
    Newsmada - 08:59 Jun 27, 2025
    Telo sosona ny fanamarihana tamin’ity volana jona ity. Voalohany, ny fankalazana ny andro niverenan’ny Faha­le­ovan­tenan’i Madagasikara. Faharoa, ny Volan’ny teny malagasy ary farany ny Iray volan’ny ankizy. Ireo sehatra telo ireo dia mahakasika ny firenena ka tena zava-dehibe, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny Sorabe, Manjaka To­kana. Nisafidy ny fokontany Ambohimamory ny […]
  • Fanadinana BEPC 2025: 299 312 ny mpiadina manerana ny Nosy
    Newsmada - 08:57 Jun 27, 2025
    Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny mpiadina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Efa vonona ny foibe sy ny olona hiasa hisahana ny fanadinana, hoy ny tomponandraikitra. Nitombo kely ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha nihena ireo nisafidy ny sokajy B raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hanomboka ny alatsinainy 30 […]
  • Hivalona ny volana jona: tsy mahita mangirana ny teny malagasy
    Newsmada - 08:54 Jun 27, 2025
    Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka […]
  • Ady amin’ny herisetra amin’ny ankizy: manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny fanjakana
    Newsmada - 08:47 Jun 25, 2025
    Iharan’ny herisetra ny akamaroan’ny ankizy malagasy eto amin’ny firenena. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny ady ny ray aman-dreny sy ny fanjakana. Be loatra ny karazana herisetra mahazo ny ankizy tao anatin’ny volana mey sy jona, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny trangana fanolanana, famonoana ho faty ny ankizy, […]
  • Zava-baovao Hisy fitaterana telefe­rika sy­ an-dalamby
    Newsmada - 08:41 Jun 25, 2025
    Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra vaovao teny amin’ny CCI Ivato, fa handeha tsy ho ela ihany koa ny fitaterana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain) sy ny fitaterana an-tariby teleferika. Ny mampiavaka ny teleferika, hisy olona 500 tsy maintsy hofanina hiasa. Hatao mahaleo tena ny […]
  • Mama Germaine: nitranga avokoa ny faminaniana hitany
    Newsmada - 08:39 Jun 25, 2025
    Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germ­aine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara […]
  • Fanatsarana ny fitaterana: hiara-hiasa i Madagasikara sy i Egypte
    Newsmada - 08:38 Jun 25, 2025
    Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta. Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madaga­sikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy […]
  • Orange Madagascar: nizara mari-pankasitrahana miisa 143
    Newsmada - 08:30 Jun 25, 2025
    Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo […]
  • Bemasoandro: Hetsika koltoraly ho an’ny fandriampahalemana
    Newsmada - 10:04 Jun 24, 2025
    Nandray ny ivon’ny fankalazana ny hetsika koltoraly sy iraisam-pinoana manan-tantara ho an’ny fandriampahalemana ny kaominina Bema­soan­dro Itaosy, ny sabotsy teo. Nokarakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (HWPL) sy ny UMMI Mada­gascar izany. Olana eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny ady tany, ny famonoana, ny herisetra isan-karazany… “Ilaina ny mivoy […]
  • Banky iraisam-pirenena: “Ilaina ny antoka ho an’ny mpampiasa vola”
    Newsmada - 10:02 Jun 24, 2025
    Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck. Voaresaka ny momba ny fampiasam-bola. Navoitran’ity iraky ny mpamatsy vola ity ny anjara toerana lehibe sahanin’ny minisiteran’ny Fi­tsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena. “Tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny […]
    Tags: Banky
  • Fampitiavana ny teny malagasy: ireo « mpampianatra » mihitsy no osa ?
    Newsmada - 09:59 Jun 24, 2025
    Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasi­kara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manom­boka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpam­pianatra any an-tsekoly, ray […]

2195 items