Newsmada

Found 2755 news

  • Sarimihetsika, hira, dihy… Nodimandry i Brigitte Bardot
    Newsmada - 07:14 Dec 29, 2025
    Taona 1950 – 1970. Fo­toana nampamirapiratra an’i Brigitte Bardot. Mpilalao sarimihetsika, mpandihy, mpilatro, mpihira… Samy nananan’ ity mpanakanto teratany fran­tsay ity avokoa ireo talenta ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly alahady 28 desambra, tany Saint-Tropez Frantsa, teo amin’ny faha-91 taonany (te­raka tamin’ny 28 septambra 1934) i Brigitte Bardot. Raha ho an’ny […]
  • Palais des Sports Mahamasina: nanome ny tsara indrindra ny Reko
    Newsmada - 07:12 Dec 29, 2025
    Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny nahasarika mpijery maro tamin’ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin’ny Reko fa tsara ny fiomanan-dry zareo. Omeny lanja ny mpijery. «Izahay hanome ny tsara indrindra avy aty aminay ho anareo foana », hoy i Fy Rasolofoniaina, andro vitsy nialoha ny fampiseho­ana, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Omaly, io […]
    Tags: Reko
  • Tondradrano: fampitandremana mavo ho an’Analamanga
    Newsmada - 07:10 Dec 29, 2025
    Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]
  • Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana
    Newsmada - 07:09 Dec 29, 2025
    Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny ro­tsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]
  • IHSM- Oniversiten’i Toliara: azo havadika ho plastika levona ny lomotra
    Newsmada - 07:08 Dec 29, 2025
    Miroborobo ny fikarohan’ny mpianatra ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), Oniversiten’i Toliara. Anisan’ny miavaka ny fitrandrahana ny lomotra. Anisan’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ao amin’ny oniversiten’i Toliara, izay ivontoerana tokana mampianatra sy manao fikarohana momba ny ranomasina eto Madaga­sikara, […]
    Tags: Toliara
  • DG ACM: fitaterana ana habakabaka matanjaka
    Newsmada - 06:28 Dec 27, 2025
    Natao ny 26 desambra teo ny famindram-pitantanana ho an’ny tale jeneraly vaovao, hitantana ny Antokondran­draha­raha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM), Ra­kotoarisoa Alban. Nam­ba­rany fa «laharam-pahamehana ny hananana fitaterana ana habakabaka matanjaka amin’ izao tontolo izao, sady hanorenana hoavy matanjaka. Nohamafisiny fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny habakabak’i […]
  • Seranam-piaramanidina: famatsiam-bola 15 miliara Ar hiasan’ny Adema
    Newsmada - 06:27 Dec 27, 2025
    Tsy nahazo ny vola tokony ho anjarany ny orinasam-panjakana Adema efa an-taona maro. Hamatsy vola azy ny fanjakana foibe entina hampandehanana ny asa fitantanana sy ny fikojakojana. Mitantana ny seranam-piaramanidina rehetra eto Madagasikara ny orinasam-panjakana Adema S.A, afa-tsy ny eny Ivato An­ta­nanarivo sy Nosy Be. Tsy na­rotsaka tany aminy anefa […]
    Tags: Adema
  • Tompondaka maneran-tany: solontenan’ny Malagasy Rakotomaharo Fy
    Newsmada - 06:24 Dec 27, 2025
    Tanterahina any Doha Qatar, nanomboka omaly hatra­min’ny 30 desambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “Fide”, amin’ny taranja échecs (rapide sy Blitz). Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ilay laharana voalohany, Malagasy milaravinahitra any ive­lany, Rakotomaharo Fy Antenaina, no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Anisan’ny tafiditra amin’ny fifaninanana […]
  • Bono tany France: klioba telo nanaovany fitsapana
    Newsmada - 06:24 Dec 27, 2025
    Tafaverina an-tanindra­zana, ny alakamisy 25 desambra teo, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rabearivelo Bono Stephano, rehefa avy nanao fitsapana tany France, nandritry ny 1 volana. Araka ny tati-baovao nomen’­Andri­atsima Faneva Ima, vy nahitana sy angady nananana izany ary nikarakara azy tany an-toerana, klioba telo no nanaovany sedra, dia ny FC […]
    Tags: France
  • Hetsika Makalombo: mpatory an-dalana 5 000 nizarana sakafo
    Newsmada - 07:41 Dec 26, 2025
    Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana latsaka an-katerena ary tsy manan-kialofana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ny alin’ny 24 desambra teo. Nanatanteraka hetsika Makalombo tamin’ny boriborintany enina teto Antana­na­rivo Renivohitra izy ireo. Nizara sakafo mafana ho va­tsin’aina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Mendrika ny hisitraka ny fety na dia anisan’ireo […]
  • METFP: roa andro ho an’ny Fampianarana teknika
    Newsmada - 07:40 Dec 26, 2025
    Mikarakara hetsika fampahafantarana sy torolalana mahakasika ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny minisitera, etsy Mahamasina, ny 29 sy 30 desambra izao. Hoavy hampahafantra ny karazana tolora ara-piofanana ao aminy ireo sekoly mampiofana sy mampianatra arakasa eto Antananarivo. Fotoana hisarihana ny sain’ny tanora ho liana amin’ny fampianarana teknika kokoa, […]
  • Hetsika fosika: 15 ireo fitarainana voaray tao anatin’ny herinandro
    Newsmada - 07:31 Dec 26, 2025
    Tsy mitsitsy ny minisitra! Fitarainana 15 no voaray tao anatin’ny herinandro, mahakasika ny hetsika fosika. Tanjona ny hialana amin’ny fomba tsy ara-dalàna rehetra. Fanaovana diplaoma sandoka miisa dimy, kolikoly roa, tolotrasa na tolotra fiofanana tsy ara-dalàna iray, fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna roa, herisetra iray, tranga isan-karazany toy ny fisehoana sandoka […]
  • Andranomainty Miandrivazo: karatany 454 natolotra ny tantsaha
    Newsmada - 07:28 Dec 26, 2025
    Ho afaka mamokatra am-pahatoniana sy manatsara ny famokarany ny mpamboly rehefa milamina ny fananatany. Natolotra ireo mponina ao amin’ny fokontany Andranomainty sy Betalatala, distrika Miandrivazo, ny 23 desambra teo, ny karatany miisa 454. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “AD2M” no nahafahana nanatanteraka ity fiarovana ny fananantany ity, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Niara-niasa […]
  • Jirama: hamokatra 20 MW ny toby Ambohimanambola CTA2
    Newsmada - 07:27 Dec 26, 2025
    Tratra ny fanamby! Araka ny efa notaterina teto, vita ny 24 desambra teo ny fanamboarana ireo milina roa mpihary herinaratra ny G3 sy ny G4 ao amin’ny toby termika Ambohimanambola (CTA2) an’ny Jirama. Tontosa ny fampidirana ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Manome tanjaka 3,3 MW ny gropy […]
    Tags: Jirama
  • Nanao fitsaram-bahoaka: roa lahy migadra dimy taona
    Newsmada - 09:20 Dec 24, 2025
    Nosazin’ny fitsarana ao Toamasina higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo valo voarohirohy noho ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Mpianatra iray nirava avy nianatra “cours” lasibatry ny vono sy daroka nataon’ny andian’olona tao Man­garivotra Atsimo, parisela 11/14, ny volana avrily 2025 lasa teo. […]
  • Kaominina Fanandrana: hanodina fako 60 taonina isan’andro
    Newsmada - 09:19 Dec 24, 2025
    Hanome asa ho an’ny tanora, hanodina fako ho lasa vokatra ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina ny tetikasa vaovao ao amin’ny kaominina Fanandrana. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mifandimby eto amin’ny Nosy. Nisitraka fitaovana lehibe ahafahana manodina fako ny tanànan’ Antsarimasina, kaominina Fanandrana, Toamasina II, ny alakamisy 19 desambra teo. Hisahana manokana […]
  • Tetikasa Folur 86 000 ha hotantanina maharitra
    Newsmada - 08:32 Dec 24, 2025
    Miompana amin’ny hananganana rafitra ara-tsakafo ma­haritra sy famokarana ara-tsakafo ny tetikasa “Food Systems Land Use and Restoration» (Folur). Tanjona ny hitantanana maharitra velarantany 86 000 ha manerana ny Nosy, ka ha­verina amin’ny laoniny ny 10 000 ha amin’izany. Miisa 30 000 ny tantsaha mpamokatra vary sy kafe hotohanana. Harovana manokana sy tahirizina ny […]
  • Faritra Boeny: zanaka honko miisa 10 000 voavoly
    Newsmada - 08:31 Dec 24, 2025
    Nosantarina ny 23 desambra teo ny taom-pambolen-kazo 2025 any amin’ny faritra Boeny. Miisa 10 000 ny zana-kazo honko, karazany roa, nambolena any amin’ny ala hon­ko ao Manapatanana-Ambo­rovy, eo an-tampon-tanànan’ i Mahajanga. Novokarina tany amin’ny tanin-jana-kazon’ny fikambanana Anareo mbola havanay (AMH) ireo zana-ka­zo honko ireo. Nampahafan­tarina sy nanentanana ny re­hetra ny fomba […]

2755 items