Newsmada

Found 2755 news

  • Minisitra Rafaralahy Lucie : Mila manana lalam-bola samihafa
    Newsmada - 04:40 Jan 19, 2026
    Nandritra ny famaranana ny Herinandron’ny asa sosialy tetsy Mahamasina, ny zoma teo, no niantsehatra nizara traikefa tamin’ireo tanora ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Rafaralahy Lucie. Naneho ny lalantsaina tokony hananana, torohevitra sy fanohanana ireo tanora mahakasika ny fihariana. Tsara ny sehatra fihariana manana loharanom-bola samihafa ary manohana […]
  • Fampianarana: Hiova indray ireo datim-panadinam-panjakana
    Newsmada - 04:39 Jan 19, 2026
    Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana vaovao nasiam-panitsiana. Iarahan’ny minisitera maromaro sy ny sekoly tsy miankina ny fanitsiana izany. Miaiky ny fahadisoana sy ny fitarazohana amin’ny fandraisana andraikitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mo­mba ilay tetiandro diso nivoaka sy niparitaka niteraka resabe ny herinandro teo. Nam­baran’ny tomponandraikitra fa olona tao amin’ny minisitera, […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:38 Jan 19, 2026
    Nahafa-po ny iraky ny FMI ny vokatra vitan’i Madagasikara tao anatin’ny 2 volana, momba ny sehatry ny angovo. Natao ny 13 janoary teo ny dinika mahakasika ity sehatra ity, nitateran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny ao amin’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) tatitra. Anisan’ny zava-bita ny […]
  • Analamanga : Zana-kazo 3 500 fototra nambolena tany Ankazobe
    Newsmada - 04:38 Jan 19, 2026
    Notontosaina ny 15 janoary teo ny fambolen-kazo nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Analamanga. Teny amin’ny kaominina Ambohi­tromby, distrika Ankazobe, no nanatanterahana izany. Miisa 3 500 ny zana-kazo novolena tamin’ny velarantany 3 ha. Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Analamanga, ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana ao […]
  • Fiaraha-miasa : Haverina ny zotra ana habakabaka mankany Afrika Atsimo
    Newsmada - 04:38 Jan 19, 2026
    Maromaro ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Firenena voalohany fanafarantsika entana, amin’ny alalan’ny fifanakalozam-barotra malalaka tsy tataovan-ketra (Zlecaf). Noraisin’ny filoha afrikanina tatsimo, Cyril Ra­ma­fosa, tao amin’ny trano fonenany, any Mah­lamba Ndlopfu, Pretoria, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, ny zoma 16 janoary teo. […]
  • FERME DE BENA
    Newsmada - 14:19 Jan 17, 2026
  • Oniversiten’i Madagasikara : Hanomboka ny 13 marsa ny taom-pianarana
    Newsmada - 05:19 Jan 17, 2026
    Notanterahina tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana sy nampitain-davitra, ny Con­férence des présidents des universités (CPU) voalohany ho an’ity taona ity. Niarahan’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ireo filohan’ny oniversite ma­nerana ny Nosy, ireo tale jeneralin’ny IST telo ary ireo filohan’ny oniversitem-paritra izany. […]
  • Hopitaly Ambohimiandra: Nahazo efitrano vaovao ny sampana mitsabo ny zaza
    Newsmada - 05:19 Jan 17, 2026
    Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny efitrano vaovao hitsaboana ny zazakely etsy amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza Ambohimiandra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Miahy Jo­ven­na izay tanterahin’ny Fondation Axian no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny handraisana an-tanana azy ireo […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:18 Jan 17, 2026
    Nanamafy ny fiaraha-miasa efa misy ny Repoblikan’i Korea sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nilaza ny hanome solosaina ho an’ireo oniversite manerana ny Nosy ny Koreanina. Noresahina koa ny hanapariahana ny Information Access Center toy ny efa misy eny amin’ny ESPA Vontovorona. Nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo […]
  • Profesora Zaranaina Fanomezantsoa Christian: Virus niforona teto Madagasikara ilay Mpox miseho eto amintsika
    Newsmada - 05:18 Jan 17, 2026
    Nitafa tamin’ny profesora Zaranaina Fanomezantsoa Christian momba ny valanaretina Mpox ny Taratra ka nambarany fa tena ilana fijerena amin’ny lafiny siantifika fa tsy medikaly fotsiny io aretina io. Mpikaroka siantifika pharmaceutique amin’ny orinasa vahiny Holding Endena, misahana ny fakana kasinga ao anaty zavamananaina fanaovana fanafody sady tale misahana ny fikarohana […]
    Tags: Mpox
  • “Can 2025” : Tafita amin’ny famaranana i Maroc sy i Sénégal
    Newsmada - 05:57 Jan 16, 2026
    Enin-taona aty aoriana, hifandona indray i Maroc sy i Sénégal. Fifanandrinana anatin’ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, izay tontosaina any Maroc, amin’izao fotoana. Ho fantatra ny alahady ho avy izao izay ho mpandresy amin’izany. Adin’ny samy liona! Ho fantatra ny alahady ho avy izao, […]
    Tags: Maroc
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:57 Jan 16, 2026
    « Kabary malagasy: manamafy fiha­vanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Ny kabary io voalaza ao anatin’ny lohahe­vitry ny Androm-pirenena ho an’ny kabary io. Fa ny mpikabary mba ahoana? Olo-men­drika sy fakan-tahaka. Mazava fo, matsilo sai­na, anti-panahy. Toetra mila ananan’ny mpikabary ireo. Firy amin’ny mpikabary no mahafehy ny tenany sy ny teniny? Anisan’ny miteraka adihevitra maro, ohatra, […]
  • Fizahantany, fandraisam-bahiny ary nahandro : Napetraka ny sekoly ambony hanome fanofanana
    Newsmada - 05:57 Jan 16, 2026
    Nampahafantarina omaly, teny Andakana, ny fisokafan’ ny sekoly ambony hanofana momba ny fizahan-any, fandraisam-bahiny ary ny nahandro avo lenta miaraka amin’ny Havila Premium izay efa ma­nana ny Havila School ma­nome ny fahalalana fototra momba ny sakafo sy ny fandraisam-bahiny ary ny fampiantranoana nanomboka ny taona 2013. Misy fepetra ta­kina ho […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:56 Jan 16, 2026
    Ho an’ireo olona manana ahiahy amin’ny mety ho voan’ny Mpox, misy ny fizahana fahasalamana mialoha eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka ny mpitsabo no mamaritra na tokony hanao fitiliana ilay olona na tsia. Momba ny soritraretina mety manavy, manakotsako ny vatana, marary ny loha sy ny tenda, misy atoditarimo, misy tasy na […]
  • Tetikasa Lime : Mpianatra 70 mianadahy nahazo tantsoroka
    Newsmada - 05:56 Jan 16, 2026
    Nihaona teny amin’ny American School of Antananarivo ireo mpianatra avy ao amin’ny Lycée Andohalosy misitraka ny tetikasa “Lafayette Initiative for Madagascar Education (Lime)”. 70 izy ireo no mahazo io tantsoroka io, amin’ity taona ity, izay avy amin’ny mpianatra 8 mianadahy avy any Pennsylva­nia. Entina hanomanana sy hanohizana fianarana ambony any […]
  • Baolina kitra – PFL: Manambana hikomy ny mpitsara ao Mahajanga
    Newsmada - 05:47 Jan 15, 2026
    Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mandeha ny resaka any amin’ny faritr’i Boeny fa misy andiana mpitsara hikasa ny hikomy indray any an-toerana. Nilaza ny eo anivon’ny CFEM fa efa nampitandrina an’izay mpitsara mikasa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:46 Jan 15, 2026
    Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Albacete, ny eki­pan’ny Real Madrid Fc, Espagne. Tsikaritra tao anatin’ izany lisitra izany fa tsy ao ry Mbappé, Rodrigo, Carreras, Trent Alexander Arnold, Bellingham, Rudiger, Tchouameni ary i Courtois. Kotrana sy fiarahana mikorana no hanombohana ny taona ho an’ny […]
  • Basikety : Nomena “Chevalier de l’ordre national” Ratafia
    Newsmada - 05:46 Jan 15, 2026
    Nentina nomena voninahitra farany teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia ary nomena ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national”. Noho ny zava-bitany, izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, no antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy izao mari-boninahitra izao. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andria­manitra […]
  • Federasionina malagasin’ny handball : Takin’ny filohan’ny ligin’ Atsinanana ny trosa teo aloha
    Newsmada - 05:46 Jan 15, 2026
    Manaiky ny fifidianana saingy mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriamben’ny Federasionina malaga­sin’ny handball (FMHB), ny filoha mpitantana ny ligin’Atsinanana, Razanadrakoto Harinaivo. Mangata-panazavana ny amin’ny trosa teo aloha izy. Ny sabotsy lasa teo, namory mpanao gazety teo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, Razanadrakoto Harinai­vo, filohan’ny ligin’Atsinanana amin’ny taranja handball. Nilaza ny tsy […]
  • Oniversiten’Antananarivo : Mpianatra 48 tsy afaka hianatra an-taona maro
    Newsmada - 05:45 Jan 15, 2026
    Nandritra ny Conseil de discipline (Codis) nataon’ny Oni­versiten’Antananarivo, nandraisana fanapahan-kevitra ny hamaizana ireo mpianatra tratra nangala-tahaka sy nanao hosoka ary nisandoka ho mpianatra hafa nandritra ny fanadinana. Voafaritry ny lalàna laharana 28457/2025 tamin’ny 11 septambra 2015 izany. Fantatra, tamin’izany, fa 54 ireo mpianatra voakasiky ny fa­maizana ary hampiharana avy hatrany […]

2755 items