Newsmada

Found 2195 news

  • APIPA : Tsy mbola misy ny fahazoan-dalana hanototra tany
    Newsmada - 04:44 Aug 26, 2025
    Mbola miato ny fanotofana tany (Remblai) eto amin’ny faritry ny lemak’Antananarivo, ary tsy mbola misy ny fanomezana fahazoan-dalana hanao izany, araka ny didim-panjakana lah faha-2022-241, ni­voaka ny 23 febroary 2022. Ny tetikasan’ny filoham-pirenena irery ihany hatreto no mahazo fahazoan-dalana. Io no nambaran’ny tomponandraikitry ny Apipa. Raha ivelan’ny tetikasam-panjakana izany ny […]
  • Lalambe migodana: Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita
    Newsmada - 04:44 Aug 26, 2025
    Tsy mbola mazava amin’ny mpampiasa lalana ny fifampifehezana anatin’ny lalambe migodana, miainga eny Tsarasaotra. Gaboraraka ny fampiasana azy io ka ahina hitera-doza raha tsy raisina haingana ny fepetra. Ny faran’ny herinandro teo, betsaka ireo fiara nivezivezy tamin’iny lalana iny, nijery ny zava-bita. Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita, nandritra izany, toy […]
    Tags: Maro
  • Zaridaina madinika : Zavakanto manome fahatoniana ara-tsaina
    Newsmada - 04:51 Aug 25, 2025
    Zaridaina madinika hita amin’ny toerana maro samihafa ny “Jardin miniature”. Zavakanto mam­­pifandray ny natiora sy ny fahaiza-mamorona izy io. Misy ny natao ao anaty siny, anaty vata, na amin’ny toerana kely ao an-trano na eny an-tokotany. Mitondra tombotsoa maro ho an’ny olon-drehetra ny fahitana sy ny famoronana azy ireny. Be […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:50 Aug 25, 2025
    Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy, fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF i Rajaonarivelo Philippe amin’io fotoana anoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tomponandraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF. Mitohy ny fampiofanana mahakasika […]
  • Vidim-bary: Tsy mbola nahitana fiakarana
    Newsmada - 04:50 Aug 25, 2025
    Nilaza ny mpivarotra iray eny Ankadifotsy, ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mbola misy ny fiakaran’ny vidim-bary hatreto. Mijanona ho 1000 Ar ny kapoaka, 3 500 Ar ny kilao, ho an’ny vary makalioka sy ny dista ary ny vary mena raha toa ka 175000 Ar ny iray gony. 900 Ar kosa […]
  • Ticad-9: Matotra ny fiaraha-miasa amin’i Japana
    Newsmada - 04:49 Aug 25, 2025
    Nandray fitenenana ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ ny fivoriana mahakasika ny toekarena Ticad andiany faha-9, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Navoitrany fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny sehatra maro­­lafy eo amin’i Madagasikara sy i Japana. Anisan’izany, ny fampivoarana ny indostria, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany sy ny […]
    Tags: Japana
  • Arabe migodana: Hamatsy vola 60 tapitrisa dolara ny Abou Dhabi Funds
    Newsmada - 04:49 Aug 25, 2025
    Laharam-pahamehana tokoa ny famatsiam-bola amin’ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ny arabe migodana vaovao sy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN5. Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafi­dison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny talata 19 aogositra teo, ny de­legasionina avy amin’ny Tahi­rimbola Abou Dhabi ho an’ny fampandrosoana (ADFD). Noresahina ny tohiny sy […]
  • Fiainam-pikambanana : Mitaky ny hitarihana ny Fitea-M ny any Amboasary
    Newsmada - 05:20 Aug 23, 2025
    Naneho ny alahelony manoloana ny tsy fanarahana ny fitsipika ifampifehezana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara (Fitea-M). Nambaran’izy ireo tetsy 67 Ha, omaly, fa efa voafaritra ny fitantanana ifandimbiasana eo anivon’ireo distrika ao amin’ny faritra Androy. « Tokony ho anjaran’ny avy any Amboasary araka ny tapaky ny birao […]
  • Miparitaka maneran-tany : Mahatonga aretina maro ho an’ny olona ny kaikitry ny moka
    Newsmada - 05:20 Aug 23, 2025
    Anisan’ny biby ke­ly indrindra eto an-tany ny moka, nefa mitondra karazana aretina maro maneran-tany. Maha­ton­ga fahafatesana ma­ro eo amin’ny olona ihany koa izy io. Bibikely manana helatra roa, maro karazana ary mahatratra aman’arivony izy io ary ahitana azy avokoa manerana izao tontolo izao. Misy ny antsoina hoe: Anopheles, Aedes aegypti, […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:19 Aug 23, 2025
    Atao any Belo sur Mer, ny « Festival Botry Soa Fahitse », ny 21 hatramin’ny 24 aogositra. He­tsika ara-pizahantany sy ara-kolontsaina, hifantoka amin’ny sambokely botry, fampiasan’ny Vezo mpanjono. Hisy ny filaharana amin’ny lakana mampiasa voaly. Eo koa ny fifaninanana ara-kolontsaina sy hetsika ara-panatanjahantena ary fitsidihana ara-pizahantany. Nihaona tamin’ny vondrona parlemantera japoney ny […]
  • Prix Castel 2025 : Fampiasana ny drônes amin’ny fambolena
    Newsmada - 05:19 Aug 23, 2025
    Azon-dRakotozoely Andrian­tsitohaina ny voalohany amin’ny fifaninanana Prix Castel, avy amin’ny Tahirim­bola Pierre Castel, ary karakarain’ny orinasa Star. Ny orinasa Techni-drônes Madaga­sikara sy ny tetikasa natsangany, misehatra amin’ny fivarotana drônes sy ireo asa mifanaraka aminy. Nohaza­vain-dRakotonoely Andrian­tsito­haina, fa tafiditra ao anatin’ny ataony ny sehatry ny famokarana, entina hanatsarana ny fambolena, toy […]
  • Sekoly Vatel : Nifantohana ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny
    Newsmada - 05:18 Aug 23, 2025
    Nifanakalo hevitra tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambony Vatel Madagasikara ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, ny 21 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny sehatry ny fandraisam-bahiny ny […]
  • Baolina kitra – “Chan 2025”: “Famarananakely ny an’ny Barea sy i Kenya”, hoy ny Coach Rôrô
    Newsmada - 05:40 Aug 22, 2025
    Hitana ny sain’ny rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra, amin’ity anio ity, ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifampitana ny Harambee Stars Kenya sy ny Barean’i Madagasikara. Fihao­nana hotanterahina ao amin’ny Kianja Kasarani stadium, Nai­ro­bi Kenya. Namba­ran’ny mpanazatra, Rakoton­drabe Romuald (Rôrô), fa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:40 Aug 22, 2025
    Tontosaina eny amin’ny Kianja «annexe» Ma­hamasina, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 ao­gositra ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra «cours Ma – arbitres élites». Mitarika izany i Efong Nzolo (instructeur technique) sy i Ayemou Ananh Jeanne (instructeur physique) ary i Athanase Nkibuto. Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, […]
  • Tsipy kanetibe: Resin’i Yves i Dylan Rocher
    Newsmada - 05:40 Aug 22, 2025
    Notanterahina omaly, tany Nevers France, ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nisongadina indray ny ekipa malagasy tamin’izany. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa mazava 13 no ho 3 ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher. Nandra­fitra ny ekipa malagasy i Yves sy i Tianakely ary i Balôty. […]
  • Volley Ball-“CAN U16” Y: Nanainga omaly ny delegasionina malagasy
    Newsmada - 05:40 Aug 22, 2025
    Feno ny fepetra, nanainga omaly alina, nihazo an’i Tonizia, ny delegasionina malagasy hiatrika ny Can (Championnat d’Afrique des nations), ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 16 taona, taranja volley-ball. Hotontosaina ny 22 ha­tramin’ny 31 aogositra izao, any Tonizia, ny Can (Championnat d’Afrique des nations), sokajy U16, ta­ranja volley-ball. Noraisin’ny fitondram-panjakana […]
  • Prezidansa : Hiala sasatra ny mpikam­ban’ny governemanta
    Newsmada - 05:39 Aug 22, 2025
    Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny mi­nisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany […]
  • Tsipy kanetibe – “Mondial 2025” : Hanoman-tena any Frantsa ny vehivavy
    Newsmada - 04:45 Aug 21, 2025
    Tsy manao ambanin-javatra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Mialoha izany fihaonana an-tampony izany, izay hatao ao Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, andeha hanoman-tena mialoha any an-toerana ny ekipa malagasy. Nanainga ny talata lasa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Aug 21, 2025
    Hotanterahina any Algerie, ny 14 hatramin’ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy vehivavy. Hiara-dalana amin’izany koa ny dingana kaontinantaly eo amin’ny “IHF Trophy”. Tsiahivina fa mandray anjara amin’izany ny Akion’i Madagasikara. Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 10 no hifaninana amin’ny fiadiana ny […]
  • Rugby – “Top 8 Mada” : Hifandona ny TFA sy ny TFMA
    Newsmada - 04:44 Aug 21, 2025
    Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka, ny alahady 24 aogositra ho avy izao, ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”. Hiatrika izany ireo ekipa 8 voalohany tamin’ny “Top 12” farany teo, Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). […]
    Tags: Mada

2195 items