Newsmada

Found 2570 news

  • Lalaon’ny CJSOI : Nahazo volamena 2, volafotsy 4 ary alimo 6 indray i Madagasikara
    Newsmada - 04:51 Aug 05, 2025
    Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly. Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny La­laon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Na­hazo medaly 12 vaovao in­dray i Madagasikara, ka volamena 2, […]
  • Andohatapenaka : Olona roa maty voafaokan’ny 4×4
    Newsmada - 04:51 Aug 05, 2025
    Maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Olona hafa naratra ka nentina hopitaly. Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray 35 taona, anisan’ireo voafaokan’ ny fiara tsy mataho-dalana teny […]
  • Mitoetra ny lazany…: « Tena kanto » ny sehon’i Poopy
    Newsmada - 04:42 Aug 04, 2025
    Araka ny anarany… Tsy do­­kambarotra fotsiny ilay «Tena kanto», fa fanamby tanteraka mihitsy. Nahita izay nandrasany ireo mpankafy an’i Poopy, nameno ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masi­na, omaly. Ilay Poopy araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, niampy ny fahamatorana an-tsehatra efa nananany rahateo, ka nahalafatra ny fampisehoana. Feon-kira hain’ny rehetra no nampiditra […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:42 Aug 04, 2025
    « Jazz @ Tohatohabato » – Hitohy anio ny « masterclass ». Nahita fofompofony amin’ny fampisehoana lehibe izay hatao amin’ny alahady ireo mpankafy nijery ny sehokely tetsy amin’ny CGM, omaly. Miaraka amin’ilay mpitendry piano, Valentin Edelmann indray ny atrikasa anio, amin’ny 2 ora. Ilay mpitsoka trompetra Jordi Roviro kosa no mitarika ny rahampitso amin’ny […]
  • « Our Generation 2025 »: Ho any Russie i Michella, Brenda ary Riantsoa
    Newsmada - 04:41 Aug 04, 2025
    Miandrandra fandresena hatrany. Fantatra omaly ireo nibata fandresena tamin’ilay fifaninanana «Our Genera­tion», nifantenana izay ho solontenan’i Madagasikara. Voalohany i Michella, Faharoa i Brenda ary fahatelo i Riantsoa. Raha toa ka solontena iray fotsiny no nihazo an’i Russie tamin’ny taon-dasa, hiaraka kosa izy telo mirahavavy ireto amin’ity. Tsy vitan’izay fa hanaraka […]
  • « Tafan-gilita » – Prime 3 : Efa samy henjana amin’ny tendry gitara ireo mpifaninana
    Newsmada - 04:41 Aug 04, 2025
    Hanomana fiaraha-mitendry, ka hiaraka tsiroaroa indray ireo mpifaninana. Hiova kely ny endriky ny « Prime 4 », ary hiroso amin’ny fanohanana ireo mpifaninana ihany koa izy efa-dahy mpitsara. Henjana ny fifaninanana! Manan-talenta daholo ireo mpifaninana 25 nandray anjara tamin’ny « Pri­me 3 », tamin’ny fifaninanana « Tafan-gilita », izay notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:40 Aug 04, 2025
    Miisa 24 ny dobon-trondro any Paradisakely na Shalom Land, any Niherenana Vatomandry, toerana fanabeazana ankizy sahirana avy any ambanivohitra. Entina hanohanana ireo ankizy ny fidiram-bola avy amin’ny fiompiana trondro. Vinavinaina hamokatra trondro 34 taonina isaky ny tsingerim-pamokarana ireto dobo ireto. Mampiasa ny teknolojia faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny ladoany malagasy.Lohahevitra nohazavain’ny […]
  • Ramaroson Laurent : “Samy hotsarain’ny tantara ny tsirairay”
    Newsmada - 06:03 Aug 02, 2025
    Nahitsy ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent, ary mbola nanamafy ny efa nambaran’izy ireo tany aloha. “Samy hotsarain’ny tantara amin’ny asa sy andraikitra noraisiny ary ny fanapahan-keviny ny tsirairay”, hoy izy. Mitom­bina izany raha miainga amin’izao toe-draharaha izao, araka ny nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny MMM ity. […]
  • Fandrosoana ara-toekarena : Manan-danja ny fisafidianana ny filan’ny mpanjifa ho an’ny fandraharahana
    Newsmada - 06:02 Aug 02, 2025
    Zava-dehibe amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana ny fahaizana misafidy ny filan’ny mpanjifa. Antoka iray hahatongavana sy hahatrarana ny tanjona izany. Maro ny olona te hisehatra amin’ny fandraharahana eto Madagasi­kara. Betsaka nefa no miverin-dalana noho ny tsy fahaizana mitantana sy tsy fahafehezana ny fisafidianana ny za­vatra ataony. Antony iray ma­ha­tonga […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:01 Aug 02, 2025
    Vita amin’ny ankapobeny ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Nandritra ny 5 volana ny fotoana nanaovana ny asa mirefy maherin’ny 10 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR), ka mizara 7 ny zotra natao tamin’izany. Vita ihany koa ny lalam-pirenena faha-54, mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Vita ny 80% ny asa fananganana […]
  • Fondation Airtel Africa: Hatsaraina ny fari-piainan’ny afrikanina 10 tapitrisa
    Newsmada - 06:01 Aug 02, 2025
    Hita manerana ny firenena afrikanina miisa 14 ny Fonda­tion Airtel Africa. Tanjony ny ha­natsarana ny fari-piainan’ireo mponina miisa 10 tapitrisa hatramin’ny taona 2030. Mi­­isa 4 ny sehatra voakasik’izany : ny fampiasana ny tontolo ara-bola, ny fanabeazana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Misy ny fandaharanasa Adopt-A-School, […]
  • « Ma-Hery Futsal » : Hahazo lelavola 2 tapitrisa Ariary ny tompondaka
    Newsmada - 04:53 Aug 01, 2025
    Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, sy eny amin’ny Gymnase Mahama­si­na, ny fifaninanana « Ma-Hery Futsal ». Fifanintsanana izay karakarain’ny Fief Mada ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, omaly, tetsy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:53 Aug 01, 2025
    Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio, eny amin’ny “Village touristique” Mahajanga, ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny taona 2025. Hitohy avy hatrany amin’ny fivoriana ara-teknika izany aorian’izay. Nanomboka omaly 31 jolay ary hitohy anio sy rahampitso, any Fianarantsoa, ny “Challenge de Be­tsileo”, taranja karate. […]
  • Tsipy kanetibe : Hahemotra ny fifaninanam-pirenena
    Newsmada - 04:52 Aug 01, 2025
    Raha ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM), tokony hotanterahina manomboka anio zoma 1 ka hatramin’ny alahady 3 aogositra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olo-tokana, lahy sy vavy. Voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka anefa izany noho ny vesatry ny fikarakaran’ny FSBM ireo […]
  • Echecs : Mifanenjana ny federasionina sy ny ligin’Analamanga
    Newsmada - 04:52 Aug 01, 2025
    Samy manana ny fanazavany ny federasionina sy ligin’Analamanga manoloana ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Mihenjan-droa ny tady! Nitondra fanazavana manoloana ny disadisa misy eo aminy sy ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs, ny alarobia lasa teo, teny Analakely, ny ligin’Analamanga, taranja Echecs. Nambaran’izy ireo ary nohamafisiny fa mijoro ara-dalàna ary […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:51 Aug 01, 2025
    Hetsika fiarovana ny sokatra. Hatao ny 4 sy 5 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny hetsika « SOS Sokake Cup 2025 ». Fotoana ahitana hetsika ara-ekolojika sy ara-panatanjahantena hanentanana ny fiarovana ny sokatra sy ny karazan-javamananaina mampiavaka an’i Madagasi­kara. Manodidina ny 16t ny trondro andrasana amin’ny […]
  • Karate-« Afrika 2026 »: Voafidy handray ny fifaninanana i Madagasikara
    Newsmada - 05:02 Jul 31, 2025
    Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina mala­gasy eo amin’ny taranja Kara­te, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, na­tao tany Nizeria, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny me­daly alimo 5 azon’ireo atleta malagasy, vaovao lehibe maro ihany koa no nentin’ny Federasionin’ny karate-do ma­lagasy avy any Nize­ria. Goavana […]
    Tags: Afrika
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:02 Jul 31, 2025
    Manohy ny fanazarantenany hatrany ny Barea de Madagascar A’, izay miatrika ny “Chan 2025” any Tan­zanie, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, somary mafana ny andro raha oharina amin’ny aty Madagasikara, ary miezaka manamafy hatrany ny taktika efa napetraka ny mpanazatra sy ny mpilalao. Nihemotra amin’ny […]
  • Lalaon’ny CJSOI : Notoloran’ny filoha fitaovana ny atleta
    Newsmada - 05:02 Jul 31, 2025
    Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahama­si­na. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry […]

2570 items