Newsmada

Found 2570 news

  • Tsipy kanetibe – «Mondiaux Jeunes» : Fantatra ireo 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara
    Newsmada - 05:00 Jul 22, 2025
    Navoakan’ny Federation Sport-boule malagasy (FSBM), ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo ankizy efatra mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Juniors. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ireo nitiliana. Nifarana ny alahady lasa teo, teto Antananarivo, ny fampivondronana nifantenana ireo mpilalao zandriny, tsipy kanetibe […]
  • Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany
    Newsmada - 05:00 Jul 22, 2025
    Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusam­menarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]
  • Taom-piotazana lavanila 2025 : Nitotongana ny vidiny, sanganehana ny tantsaha
    Newsmada - 04:50 Jul 21, 2025
    Efa saika nivoaka avokoa ny taom-piotazana ny vokatra lavanila ho an’ ny faritra maro. Ny talata 15 jolay teo, nisy ny lanonana ho fanehoana izany fisokafany izany ho an’ny faritra Atsin­a­nana, tetsy amin’ny kaominina am­banivohitra Antete­zambaro. Velon-taraina ny tantsaha mpamboly nandritra ny lanonana fampahafantarana ny taom-piotazana ny vokatra lavanila, ny […]
  • Fotoam-pialantsasatra : Fanarenana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny faha-5
    Newsmada - 04:49 Jul 21, 2025
    Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-So­a­nierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny […]
  • RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel
    Newsmada - 04:48 Jul 21, 2025
    Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny […]
  • Fifindra-monina sy ny toetr’andro : 3,5 tapitrisa dolara hanohanana ny eny ifotony
    Newsmada - 04:48 Jul 21, 2025
    Miantraika amin’ny fiarahamonina ny fiovan’ny toetr’andro. Sambany maneran-tany misy tetikasa mampirindra ny ady amin’ny hetraketraky ny toetr’andro sy mametraka ny fandriampahalemana. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Am­bovombe, faritra An­droy, ny 17 jolay teo, ny tetikasa lehibe iray mikendry ny hampihenana ny fifandirana sy ny disadisa vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Tetikasa […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:47 Jul 21, 2025
    Efa mandeha ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, isan-tokantrano, any amin’ny distrika Ikongo. Taorian’ny fampiofanana nomena ireo miaramila sy zatovolahy nanolo-tena hanao ny asa dia natomboka tamin’ny fanentanana mihodidina ny tanàna izany ho fahampahafantarana ny vahoaka. Haharitra herinandro ity asa ity raha ho an’ny ao amin’ny kaominina Ikongo manokana, ary tsy […]
  • Didimpoitra
    Newsmada - 15:02 Jul 19, 2025
  • Andro faha-2 ara-tsiantifika : Nomarihin’ny AMMS tamin’ny famelabelaran-kevitra
    Newsmada - 05:25 Jul 19, 2025
    Tsy afaka misaraka ny fanatanjahantena sy ny fahasalamana. Antoka lehibe ho an’ny atleta ny fananana izany ary mila fanaraha-maso ny atleta iray raha te hahazo vokatra tsara. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny AMMS (Association malagasy de la médecine du sport) ny famelabelaran-kevitra ny alarobia 16 jolay lasa teo, teny amin’ny […]
    Tags: AMMS
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:25 Jul 19, 2025
    Hotanterahina any Toamasina, ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, ny fifaninanana ho an’ny U16, […]
  • Rugby – «Awards Trophy» : Notolorana amboara ireo mendrika
    Newsmada - 05:25 Jul 19, 2025
    Natao tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny fanolorana amboara ireo mendrika «Awards Trophy» ho an’ny kaomisionina Analamanga Rugby. Ity rafitra ity izay nisahana ny fiadiana ny ho tompondaka noho ny tsy mbola fisian’ny seksionina. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 oktobra 2024 ny fifaninanana ary nifarana ny 13 avrily 2025. […]
  • « Yas Coupe de Madagascar »: Hanao famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga
    Newsmada - 05:24 Jul 19, 2025
    Hafana ny lalao eo amin’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy hiezaka haka ny amboaran’i Madagasikara ny roa tonta. Ny Elgeco Plus, miketrika pao-droa. Ny Fanalamanga, hiezaka ny handrombaka amboara voalohany ho azy. Hafana tanteraka! Hifa­nandrina eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2025», taranja baolina kitra, ny Elgeco […]
  • Sekoly fanabeazana fototra: Tsy hita soritra ny any ambanivohitra
    Newsmada - 04:59 Jul 18, 2025
    Ambaratonga voalohany na sekoly fanabeazana fototra an’ny fanjakana ny ankamaroany manerana ny Nosy. Hatramin’izao, tsy hita soritra ny any ambanivohitra. Fa­naovana tombana izao fotoam-pialantsasatra izao momba ireo olana samihafa . Niainga avy any ivelany ny tantaran’ny fampianarana eto Madagasi­kara, nanamarika ny tanta­ran’ny Nosy nanomboka tany amin’ny taonjato faha-XIX. Tamin’io fotoana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:58 Jul 18, 2025
    Miisa 5 ny tena andraikitry ny filoha Rajoelina Andry, hitarika ny Sadc, manomboka amin’ny aogo­sitra 2025. Mitarika ny asan’ny fihaonana an-tampony. Mamaritra ny laharam-pahamehan’ny Sadc. Misolo tena ny Sadc sy ny mpikambana any amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Mandrindra ny asan’ny Troïka. Manara-maso ny fandaharanasa. Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny tetikasa hiatrehana […]
  • Angovo maitso : Hamoraina ny fahazoana ny fitaovana
    Newsmada - 04:58 Jul 18, 2025
    Mifototra amin’ny angovo maitso, madio sy azo havao­zina ny fampandrosoana ma­haritra. Hanatrarana izany, miara-miombon’antoka ny orinasa Solarmax sy ny Sipem Banque, manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny fitaovana sy ny kojakoja ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, vidiana tsikelikely. Ao anatin’ izany ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro, ny vata manova tanjaka […]
  • Canal Plus: Niampy 4 ny fahitalavitra ao aminy
    Newsmada - 04:58 Jul 18, 2025
    Nambaran’i Christophe Dessaints, tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Andraharo, fa hiampy efatra ny fahitala­vitra malagasy ho hita ao aminy dia ny TVM 2, ny Free TV, ny Malagasy Tv ary ny Real TV. Ao anatin’ireo 9 voalohany izy ireo, ary hanomboka ny […]
  • Atsimo Andrefana-FER 2025 : Hampiroborobo sehatra maro ny fisian’ny tetikasa lehibe
    Newsmada - 04:57 Jul 18, 2025
    Nanokatra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (Fer) Atsimo Andrefana, ny 17-18 jolay, tany Toliara, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), Andriantsitohaina Naina. Izy rahateo no mpiahy ny faritra Atsimo Andrefana. Notsipihiny manokana fa « araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, tsy misy kaominina, na distrika, na faritra ho hadino. Hampiro­borobo […]
  • Elgeco Plus: Mety haka mpilalao avy any ivelany
    Newsmada - 06:17 Jul 17, 2025
    Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Cham­pions Caf” (LDC Caf), ny Elge­co Plus de Madagascar. Araka ny nambaran’ny loha­ranom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity, mety haka mpilalao avy any ivelany indray ity klioba ity mba ho fanamafi­sana ny ekipan’izy ireo amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Marihina […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:17 Jul 17, 2025
    Hihemotra amin’ny 16 aogositra ho avy izao ny fifaninanana « Amboaran’Analamanga », taranja Jiujitsu brezialina. Ao amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankoron­drano ihany no hanatanterahana ity fifaninanana ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpikarakara, ny ligin’Analamanga taranja Jiujitsu breziliana. Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy Arivo­nimamo, ny fifaninanana Rallye Run, « King of […]
  • Slalom sy course de côte: Mitarika eo amin’ny 2RM i Juan
    Newsmada - 06:17 Jul 17, 2025
    Taorian’ny dingana roa efa tontosa ho an’ny “Slalom” sy ny “Course de côte”, namoaka ny filaharana vonjimaika an’ireo mpanamory tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny Federasionina sport automobile malagasy (FSam). Raha ho an’ny 2 Roues Motrices, mitarika i Juan, mitondra ny Renault Clio, manana isa 50. Nahazo isa 25 nandritra ny […]

2570 items