Newsmada

Found 2570 news

  • Tenisy ambony latabatra – «Afrique Junior»: Nivoaka ho mpandresy i Tiana sy i Riana
    Newsmada - 05:02 Jul 31, 2025
    Tsara fanombohana ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior. Samy nahazo fandresena avokoa mantsy i Tiana sy i Riana teo amin’ny U15, vehivavy. Manohy ny lalany, araka izany, izy ireo. Nitohy omaly alarobia, ta­ny Lagos Nigeria, ny fiadiana ny […]
  • Praiminisitra Joël Rakotomalala : Notsarovana ny nahafatesany
    Newsmada - 05:01 Jul 31, 2025
    Notontosaina teny amin’ny fasan’ny Maherifo na Mauso­lée Avaratr’Ambohitsaina, omaly, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Praiminisitra ny Kly Joël Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy. Nana­tan­teraka ny fahatsiarovana teny an-toerana ny fianakavian’ny Kly Rakotomalala Joël niaraka tamin’ny sampandraharaha miahy ireo mpiady Tia Tanindrazana, notarihin’ny taleny, ny Jly Randrianantenaina Emilson, nisolo […]
  • « La Rentrée du Jeune Patronat »: Fihaonamben’ny tanora mpandraharaha
    Newsmada - 06:10 Jul 30, 2025
    Hatao ny 16 sy 17 oktobra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny « La rentrée du jeune patronat ». Hetsika natomboky ny Jeune patronat de Madagascar (JPM), vondrona tanora mpitarika sy mpandraharaha manolo-tena ho amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. « Tan­jona ny hampifandraisana ny tanora mpitantana orinasa, mpampiasa […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:10 Jul 30, 2025
    Mandray anjara amin’ny adihevitra ao anatin’ ny « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc », ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nifam­pizarana ny “Fanafainganana ny fanodinana ara-pamokarana mba hisian’ny fiantohana ara-tsakafo”, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy. Karohina ny vahaolana hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, ho an’ireo firenena 16 ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny nodinihina […]
  • Sipem Banque : Fihaonana mivantana amin’ny mpanjifa
    Newsmada - 06:09 Jul 30, 2025
    Natao teny amin’ny Sipem Banque Analamahitsy, ny 24 jolay teo, ny fihaonana « Club Clients », andiany fahefatra. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka. Nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fifandraisana sy ny fikarohana fiaraha-miombon’antoka, indrindra ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Avaradrano. […]
  • SADC : Efa mirona any amin’ny indostria i Madagasikara
    Newsmada - 06:09 Jul 30, 2025
    Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, fa efa mankany amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Mada­gasikara. Toraka izany koa ny fironana any amin’ny angovo azo havaozina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ny delegasionina avy amin’ireo […]
  • D’Or VolleyBall : Hanangana klioba U14 sy U16
    Newsmada - 04:48 Jul 29, 2025
    Sekoly misehatra amin’ny fampianarana ny taranja volley-ball ho an’ny ankizy, ny « D’Or VolleyBall ». Avy amin’ny anaran’ilay mpilalao Michel Doraline, antsoina hoe Boudah, no namoronana ny anaran’ity sekoly ity. Roa taona teo izay no niorenany ary manana vina maro izy ireo ho fampivoarana ity taranja ity, ho an’ireo mpianatra ao aminy. […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:48 Jul 29, 2025
    Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki. Nisolo tena an’i Madagasikara, […]
  • Lalao CJSOI : 8 mianadahy ny eo amin’ny atletisma
    Newsmada - 04:48 Jul 29, 2025
    Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), ny faran’ny herinandro lasa teo, fa 8 mianadahy no isan’ireo atleta handeha hiatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025). Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Ramanantenasoa Solange, Nomenjanahary Harenasoa, Rakotondramaro Anjaratiana, Botouzara Fitahiana no eo […]
  • Elgeco Plus : Hanao lalao tsapa amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa
    Newsmada - 04:47 Jul 29, 2025
    Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety […]
  • Raharaha fiaramanidina dimy : Teratany malagasy iray sy indiana iray karohina
    Newsmada - 04:47 Jul 29, 2025
    Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo. Niainga avy any Cam­bodge ny hosoka ary tonga […]
  • Lakandranon’i Pangalana : Havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka
    Newsmada - 04:44 Jul 28, 2025
    Anisan’ny lakandrano lava indrindra eto Madaga­si­ka­ra i Pan­ga­lana, izay mampifandray faritra telo, ny faritra Atsinanana, Fi­to­vinany ary Atsi­mo atsinanana. Mandalo sy mamakivaky distrika miisa 13 izy io raha miisa 51 kosa ny kaominina lalovany. Ma­hatratra hatramin’ny 470 km ny refiny raha avy eo Manan­gareza, izay misy ny port Fluvial -Toamasina […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:43 Jul 28, 2025
    Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafanta­rina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona. Miasa andro […]
  • Ambasadaoro Pierangelo : « Tsy maintsy hajaina ny fenitra sy ny lalàna »
    Newsmada - 04:43 Jul 28, 2025
    Nitsidika tany Toliara, nandritra ny 4 andro, ny ambasadaoro amerikana Claire Pie­rangelo, ny tapaky ny volana jolay teo. Anisan’ny nanatrika ireo fivoriana maro, nandritra ny Fikaonandoham-paritra ara-toekarena ho an’Atsimo Andrefana (FER) ny tenany. Maro ny tetikasa tohanan’ i Etazonia sy ny fampiasambola amerikana any an-toerana, toy ny Energy Fuels, vao […]
  • Taxi-Owayzz : Ampiasana niomerika ny famandrihana
    Newsmada - 04:43 Jul 28, 2025
    Mivoatra ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny tontolon’ny fitaterana. Nampahafantarina ny 23 jolay teo, teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) Anosy, ny Tawi-Owayzz, rindran’asa amin’ny alalan’ny finday (application). Fitaovana vaovao ahafahan’ny mpandeha iraisam-pirenena migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, misafidy sy mamandrika fitaterana taxi ara-dalàna mialoha. Fantatra […]
  • Ady amin’ny trafika : Niisa 14 ny tranga fandikan-dalana nokirakirain’ny ladoany
    Newsmada - 04:43 Jul 28, 2025
    Ankoatra ny fandoavana ny haban-tseranana, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny sisintany ihany koa ny ladoany. Nahatratra 14 ny fanagiazana biby arovana teto amintsika. Natao teto Antananarivo, ny 23 sy ny 24 jolay teo, ny atrikasa famintinana ny tatitry ny Firaisankina afrikanina mahakasika ny ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko, hetsika “Sama”, […]
  • RECYCLAGE PAPIER
    Newsmada - 15:02 Jul 26, 2025
  • Fanjifana : Efa ilaina andavanandro ny MVola
    Newsmada - 04:34 Jul 26, 2025
    Miova tanteraka ny fanjifana! Araka ny efa namantarana azy tato anatin’ny 15 taona, fifanakalozana ara-bola niomerika amin’ny alalan’ny finday ny MVola. Tsy mila mikirakira ravim-bola intsony. Lasa vokatra ilain’ny andavanandron’ny (PPN) ny mpan­jifa, ankehitriny, ny MVola. Azo ampiasaina handoavana ny fandaniana samihafa, toy ny faktioran’ny Jirama, ny saram-pamandrihana Canal +, […]
    Tags: MVola
  • Ivato-Ambohitrimanjaka : Hisokatra amin’ny volana aogositra ny lalana
    Newsmada - 04:33 Jul 26, 2025
    Vita ny ampahany farany amin’ny lalana « voie rapide » vaovao. Miainga eo amin’ny fihodinana « rond-point » Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mi­refy 4 km ity ampahan-dalana ity, izay hanomboka hisokatra ho an’ny fifamoivoizana amin’ny fiandohan’ny volana aogo­sitra ho avy io. Nijery ifotony teny an-toerana, ny minisitry […]

2570 items