Newsmada

Found 2940 news

  • Tsipy kanetibe - “Grand open de Mada” : Hotolorana 2 tapitrisa Ar izay voalohany
    Newsmada - 04:43 Mar 13, 2026
    Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra no hisantarana izany. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hahazo lelavola izay laharana voalohany. Hotontosaina eny amin’ny Kianja Soaman­dra­kizay, Androhibe, ra­hampitso sabotsy 14 sy ny alahady 15 marsa ho avy izao, ny fanombohana ny taom-pilalaovana […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:42 Mar 13, 2026
    Silo sy ny zoma faha-13… Izay mpankafy azy hatramin’izay dia mahalala fa anisan’ny daty tena tian’i Silo hihaonana amin’izy ireo ny zoma faha-13. Milatsaka indray izany androany, ka ao amin’ny Piment Café ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fotoana fanehoan’i Silo ny talentany rehetra, na amin’ny fitendrena […]
  • Fahasalaman’ny reny sy ny zaza : Hiara-miasa ny Unicef sy ny fondation Akbaraly
    Newsmada - 04:42 Mar 13, 2026
    Nanao sonia fiaraha-miasa ny fondation Akbaraly sy ny Unicef hanatsarana ny fisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy tolotra fahasalamana eto Madagasikara. Haharitra telo taona ny asa, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra. Efa samy manana fahaiza-manao momba ireo ny roa tonta. Hanamafy ny rafitry ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:42 Mar 13, 2026
    Ahemotra ny datin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora. Mampahafantatra ny fikambanan’ny tanora sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny olom-pirenena rehetra ny minisitera fa mitaky fametrahana rindrandamina vaovao mahomby ny fikarakarana izany fihaonambe izany. Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana bakalorea, niara-nidinika ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana ny fanadinana. Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny Mesupres. […]
  • Orinasa star : Nitsinjo ny hopitaly HJRA
    Newsmada - 04:42 Mar 13, 2026
    Mandray anjara feno amin’ny fanamarihana ny Volana natokana ho fankalazana ny zon’ny vehivavy ny andriambavilanitra ao amin’ny orinasa Star. Nanome tanana ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo, ny 11 marsa teo. Nisy ny fanolorana kidoro natao manokana ho ampiasain’ny hopitaly, hanatsarana ny fandraisana ny marary tsaboina ao, amin’ny alalan’ny fitaovana […]
  • Basikety -Tanà Ville : Hangotraka ny famaranana eo amin’ny N1B
    Newsmada - 04:40 Mar 12, 2026
    Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana eo amin’ny sokajy N1B amin’ny fifaninanana eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, taona 2026. Hangotraka ny lalao amin’io fotoana io satria klioba samy manana ny maha izy azy no hifanandrina. Ahitana ny ACA sy ny Lucadro, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:39 Mar 12, 2026
    Araka ny fanadihadiana natao tamin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, afakomaly, hotanterahina any Kenya, ny volana mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina lavalava, sokajy vehivavy. Hanan-danja lehibe tokoa io fifaninanana io satria hiatrika ny « WXV II » izay voalohany amin’izany ary hanao ny « WXV III » ny […]
  • Baolina Kitra : Mampita mivantana ny PFL ny StarTimes
    Newsmada - 04:39 Mar 12, 2026
    Mitohy ny fiaraha-miasan’ny vondrona StarTimes sy ny CFEM amin’ny fandefasana manontolo ny lalao baolina kitra « Play Football League (PFL) », ho an’ny taom-pilalaovana 2025-2026. Lalao hifaninanan’ireo klioba sangany eto amintsika ny PFL, hamantarana ny mpandresy, ho tompondaka nasionaly arahina amin’ny televizionina StarTimes. Mandeha mivantana isaky ny faran’ny herinandro ny lalao, amin’ny […]
  • Ambinitsoarivelo Jean Herley: Lany ho filohan’ny Federasionin’ ny tenisy ambony latabatra
    Newsmada - 04:39 Mar 12, 2026
    Mbola i Ambinitsoarivelo Jean Herley indray no voafidy hitantana ny Federasionina malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), mandritra ny efa-taona manaraka. Marihina fa ity no fe-potoam-piasana fahadimy hitondrany ny FMTT. Notontosaina omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fifidianana ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja Tenisy ambony latabatra. Lany […]
  • Taranja Basket Ball : Sambany hisy “Élite U23” eto Madagasikara
    Newsmada - 04:42 Mar 11, 2026
    Teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy, sambany ny fisian’ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, toy ity karakarain’ny ligin’Analamanga ity. Fifaninanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’­ An­korondrano ary hatao isaky ny faran’ny herinandro, mandritra ny 8 volana. Ekipa 10 eo amin’ny sokajy lehilahy sy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:42 Mar 11, 2026
    Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, Espagne, ny fifanandrinan’ny Manchester City, anglisy sy ny ekipan’ny Real Madrid, klioba espaniola. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalan’ny “Ligue des Champions 2026”. Mbola manala vela amin’ity fihaoanana ity moa ny Real Madrid. Hiatrika fifaninanana any Genève indray ny Malagasy mpilalao tsipy […]
  • Rugby – “XXL Top 12” : Hangotraka ny lalaon’ny FTM sy CEA
    Newsmada - 04:42 Mar 11, 2026
    Hiditra amin’ny andro fahafito ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, ny alahady ho avy izao. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Hangotraka sy hanana ny lanjany manokana io lalao io satria hamaritra ny mety […]
  • Barean’i Madagasikara : Raikitra ny fampivondronana ny mpilalao
    Newsmada - 04:41 Mar 11, 2026
    Fantatra omaly fa efa nalefa any amin’ny mpilalao tsirairay avy ny taratasy fampiantsoana azy ireo amin’ny fanatevenana ny ekipam-pirenena Barea. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izy ireo amin’ity volana ity. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia efa nahazo ny taratasy fampiantsoana azy avokoa […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:40 Mar 11, 2026
    Namaly ny antson’ny firenena malagasy ny governemanta Indianina. Nanome fanampiana milanja 30 taonina, ahitana lay, sakafo, lamba firakotra… izy ireo. Ny faritra Atsinanana no hisitraka izany voalo­hany. Hahazo ny anjarany koa ireo traboina vokatry ny rivodoza Fytia amin’ireo fanampiana mbola hanampy ny efa tonga. Ny BNGRC no mandrindra ny fanampiana […]
  • Tenisy : Hiatrika lalao iraisam-pirenena 11
    Newsmada - 04:36 Mar 10, 2026
    Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny Fe­derasionina malagasin’ny tennis (FMT) ho an’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Ankoatra ny fifaninanana eto an-toerana, miisa 11 ireo fihaonana iraisam-pirenena hatrehina. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fampiantranoana ny “ITF J30”, sokajy junior. Hotanterahina ny 29 septambra – 3 oktobra ny dingana voalohany, ny 6 – 10 […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:35 Mar 10, 2026
    Ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy i Robineau ary i Rizzi no nibata ny amboara tamin’ny « Passion pétanque Française (PPF 2026). Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’ Andriantseheno Christian (Racl). Lalao natao ny alahady lasa teo, tao Douaisis France. Hotanterahina etsy amin’ny […]
  • Ankizy milalao : Ekipa 106 tonga nandray anjara
    Newsmada - 04:35 Mar 10, 2026
    Notanterahina teny amin’ny Kianja Betongolo, ny 7 sy ny 8 marsa teo ny fifaninanana ho an’ny ankizy, « Ankizy milalao» andiany faharoa, izay karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa). Nilaza ny mpikarakara fa nahomby ny hetsika, nahatratra 106 ny ekipa tonga nandray anjara tamin’izany, izay nozaraina tamin’ny sokajy U7, misy ekipa […]
    Tags: Ankizy
  • “Pureplay Football League” : Voasazy noho ny adin’ny FMF sy ny mpitsara ny klioba ao Boeny
    Newsmada - 04:35 Mar 10, 2026
    Tsy afaka hijery sy hankafy baolina kitra divizionina voalohany nasionaly ny mponina ao Mahajanga raha tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sy ny federasionina. Lasa resy tsy miady ireo klioba any an-toerana, efa niharan’izany ny Tsaramandroso FC. Noho ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sasany, any Mahajan­ga, sy […]
  • Fandaharanasa Fanavaozana : Dingana telo lehibe no hatao
    Newsmada - 04:34 Mar 10, 2026
    Fikaonandoham-pirenena, fanavaozana ny rafi-pifidianana, fandrafetana lalàmpanorenana vaovao ha­rahin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ireo ny dingana telo lehiben’ny tetiandron’ny fan­daha­ranasan’ny Fanavao­zana ny Repoblika. Fanoma­nana sy fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena mo­mba ny fitantanana fifidianana sy ny rafitra iorenan’ny Re­poblika ny marsa-desambra 2026. Ao anatin’izany ny fakan-kevitra isan’ambaratonga. Hanovana ny rafi-pitantanana ny fifidianana ny jona-novambra […]

2940 items