Newsmada

Found 2565 news

  • Hetsika Makalombo: mpatory an-dalana 5 000 nizarana sakafo
    Newsmada - 07:41 Dec 26, 2025
    Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana latsaka an-katerena ary tsy manan-kialofana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ny alin’ny 24 desambra teo. Nanatanteraka hetsika Makalombo tamin’ny boriborintany enina teto Antana­na­rivo Renivohitra izy ireo. Nizara sakafo mafana ho va­tsin’aina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Mendrika ny hisitraka ny fety na dia anisan’ireo […]
  • METFP: roa andro ho an’ny Fampianarana teknika
    Newsmada - 07:40 Dec 26, 2025
    Mikarakara hetsika fampahafantarana sy torolalana mahakasika ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny minisitera, etsy Mahamasina, ny 29 sy 30 desambra izao. Hoavy hampahafantra ny karazana tolora ara-piofanana ao aminy ireo sekoly mampiofana sy mampianatra arakasa eto Antananarivo. Fotoana hisarihana ny sain’ny tanora ho liana amin’ny fampianarana teknika kokoa, […]
  • Hetsika fosika: 15 ireo fitarainana voaray tao anatin’ny herinandro
    Newsmada - 07:31 Dec 26, 2025
    Tsy mitsitsy ny minisitra! Fitarainana 15 no voaray tao anatin’ny herinandro, mahakasika ny hetsika fosika. Tanjona ny hialana amin’ny fomba tsy ara-dalàna rehetra. Fanaovana diplaoma sandoka miisa dimy, kolikoly roa, tolotrasa na tolotra fiofanana tsy ara-dalàna iray, fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna roa, herisetra iray, tranga isan-karazany toy ny fisehoana sandoka […]
  • Andranomainty Miandrivazo: karatany 454 natolotra ny tantsaha
    Newsmada - 07:28 Dec 26, 2025
    Ho afaka mamokatra am-pahatoniana sy manatsara ny famokarany ny mpamboly rehefa milamina ny fananatany. Natolotra ireo mponina ao amin’ny fokontany Andranomainty sy Betalatala, distrika Miandrivazo, ny 23 desambra teo, ny karatany miisa 454. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “AD2M” no nahafahana nanatanteraka ity fiarovana ny fananantany ity, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Niara-niasa […]
  • Jirama: hamokatra 20 MW ny toby Ambohimanambola CTA2
    Newsmada - 07:27 Dec 26, 2025
    Tratra ny fanamby! Araka ny efa notaterina teto, vita ny 24 desambra teo ny fanamboarana ireo milina roa mpihary herinaratra ny G3 sy ny G4 ao amin’ny toby termika Ambohimanambola (CTA2) an’ny Jirama. Tontosa ny fampidirana ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Manome tanjaka 3,3 MW ny gropy […]
    Tags: Jirama
  • Nanao fitsaram-bahoaka: roa lahy migadra dimy taona
    Newsmada - 09:20 Dec 24, 2025
    Nosazin’ny fitsarana ao Toamasina higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo valo voarohirohy noho ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Mpianatra iray nirava avy nianatra “cours” lasibatry ny vono sy daroka nataon’ny andian’olona tao Man­garivotra Atsimo, parisela 11/14, ny volana avrily 2025 lasa teo. […]
  • Kaominina Fanandrana: hanodina fako 60 taonina isan’andro
    Newsmada - 09:19 Dec 24, 2025
    Hanome asa ho an’ny tanora, hanodina fako ho lasa vokatra ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina ny tetikasa vaovao ao amin’ny kaominina Fanandrana. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mifandimby eto amin’ny Nosy. Nisitraka fitaovana lehibe ahafahana manodina fako ny tanànan’ Antsarimasina, kaominina Fanandrana, Toamasina II, ny alakamisy 19 desambra teo. Hisahana manokana […]
  • Tetikasa Folur 86 000 ha hotantanina maharitra
    Newsmada - 08:32 Dec 24, 2025
    Miompana amin’ny hananganana rafitra ara-tsakafo ma­haritra sy famokarana ara-tsakafo ny tetikasa “Food Systems Land Use and Restoration» (Folur). Tanjona ny hitantanana maharitra velarantany 86 000 ha manerana ny Nosy, ka ha­verina amin’ny laoniny ny 10 000 ha amin’izany. Miisa 30 000 ny tantsaha mpamokatra vary sy kafe hotohanana. Harovana manokana sy tahirizina ny […]
  • Faritra Boeny: zanaka honko miisa 10 000 voavoly
    Newsmada - 08:31 Dec 24, 2025
    Nosantarina ny 23 desambra teo ny taom-pambolen-kazo 2025 any amin’ny faritra Boeny. Miisa 10 000 ny zana-kazo honko, karazany roa, nambolena any amin’ny ala hon­ko ao Manapatanana-Ambo­rovy, eo an-tampon-tanànan’ i Mahajanga. Novokarina tany amin’ny tanin-jana-kazon’ny fikambanana Anareo mbola havanay (AMH) ireo zana-ka­zo honko ireo. Nampahafan­tarina sy nanentanana ny re­hetra ny fomba […]
  • D’un fait à l’autre
    Newsmada - 13:28 Dec 23, 2025
    Des tracts qui visent spécifiquement des membres de la communauté LGBTQ+ qui habitent ou fréquentent Masinandriana Avaradrano, ont été apposées dans les recoins de la localité. Signées « Ny mponin’i Masinandriana » ou « Les habitants de Masinan­driana », les affiches homophobes résonnent comme un ultime avertissement à leur encontre.
  • Karate-Mada isan-tarika: nifampizaran’ny klioba 4 ny fandresena
    Newsmada - 08:24 Dec 23, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’ny isan-tarika, Kata sy Kumite. Nahitana ny fifandanjana lentan’ny klioba izany satria klioba 4 samihafa no nandrombaka ny fandresena. Azon’ny Tiger’s Andohalo ny anaram-boninahitra teo amin’ny Kata, lehilahy. I Ichiban, Atsimondrano kosa […]
  • “Pureplay Football League”: tsara fanombohana ny Disciples FC sy ny CFFA
    Newsmada - 08:23 Dec 23, 2025
    Notontosaina ny alahady lasa teo ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football Lea­gue (PFL)”. Samy tsara fano­mbohana na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’izany. Ny Disciples FC nandavo ny Mama FC, tamin’ny isa 1 no ho 0, tao amin’ny Kianjan’ny Mama […]
  • Tsipy kanetibe: Lasan’i Yves Sedrick ny “Boule d’or 2025”
    Newsmada - 08:22 Dec 23, 2025
    Nitondra anaram-boninahitra vaovao indray ny taranja tsipy kanetibe. Norombahin-dRakotoarisoa Yves Sedrick mantsy ny “Boule d’or 2025”, na ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany. Izy indray izany no nandimby an’i Jean Feltain, nahazo izany tamin’ny taona 2024. Tsara fiafarana ny taona 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nofa­ra­nan-dRakotoarisoa Yves Se­drick tamin’ny fibatana […]
    Tags: Boule
  • « SAR’Nao » andiany faha-16: fampirantiana iombonana an’ireo sary nohatsaraina
    Newsmada - 08:18 Dec 23, 2025
    Manana ny toerany lehibe amin’ny fikirakirana sary ihany koa ny Intelligence artificielle. Hasongadin’ireo mpaka sary amin’ireo sanganasany, hampirantiana etsy amin’ny CGM/GZ, izany. «IA, vision multiple ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana iombonana, izay tontosaina etsy amin’ny CGM/GZ, amin’izao fotoana izao. Manasongadina ny zava-bita amin’ny Intelligence artificielle, eo amin’ny sehatry ny saripika […]
  • Rugby-Jobily faha-125 taona: tsy tafavoaka teo anatrehan’ny CEA ny Cosfa
    Newsmada - 11:37 Dec 22, 2025
    Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andoha­tapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby Malagasy. Lavon’ny CEA Andranomanalina tamin’ ny isa 25 no ho 22, ny Cosfa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ny mpilalaon’ny CEA, ny Mia­ramila, tamin’ity lalao fihan­tsiana ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, na­nindry ny CEA tao anatin’ny 23 […]
    Tags: Cosfa
  • Nosy Be: vahiny iray nahatrarana zava-mahadomelina 8,5 kg
    Newsmada - 11:34 Dec 22, 2025
    Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral. Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana […]
    Tags: Nosy
  • Fadintseranana: «Ampy izay ny tsindry politika», hoy ny Sempidou
    Newsmada - 11:31 Dec 22, 2025
    Lany faninefany hitantanana ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou), Andria­na­valona Herizo Ramanam­bola. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasany (2026-2028). Fanamby vaovao hoentiny ny fametrahana ny lanjan’ny sendikà hanajana ny tombontsoan’ny mpiasan’ny Fadintseranana, ny hiarovana ny zony, ary afaka miasa an-kalalahana. Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Sempidou, indrindra amin’ny […]
  • Maro ny lesoka mila harenina: 25 % ny harin-karena no entin’ny fambolena
    Newsmada - 11:23 Dec 22, 2025
    Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Ma­dagasikara ka mila fanarenana. […]
  • Fitantanana ny loza sy tandindon-doza: nohavaozina ny serasera ho an’ny ambana sy ny voina
    Newsmada - 11:20 Dec 22, 2025
    Notanterahina nandritra ny hateloana, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa fanavaozana ny paikadim-pirenena momba ny serasera ho an’ny ambana sy ny voina ho an’i Madaga­sikara. Tsapa tao anatin’ny taona maro nifandimby fa miha mafy sy miha maro ny loza voajanahary sedrain’ny Nosy. Ilaina, araka izany, ny fametrahana rafitra fiomanana sy […]

2565 items