Newsmada

Found 2570 news

  • Razanamahefa Tiana Jinah : Maniry ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany
    Newsmada - 04:40 Jun 18, 2025
    Nifarana ny alahady teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Ru­gby. Ani­san’ireo ve­hivavy­mal­a­gasy mpi­­lalao na­naovana fanadihadiana tamin’izany, Raza­nama­hefa Tia­na Jinah. Mpilalao miavaka sy sariaka ary misongadina amin’ny hafainganam-pandeha Raza­na­mahefa Tiana Jinah, na i Jinah, vehivavy mpilalao rugby. 25 taona ny tenany, amin’izao fotoana izao, ary manam-paniriana ny ho lasa […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:37 Jun 18, 2025
    Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]
  • Fampandrosoana eny ifotony: Hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa
    Newsmada - 04:46 Jun 17, 2025
    Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony Ambatofotsy ny Zanak’i Mandrosoa (Zanama), ny alahady 22 jona izao. Hetsika natao hamondronana ny hery ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa, distrikan’Andramasina izany. “Mitana andraikitra sy asa amin’ny sehatra maro eo anivon’ny fitondram-panjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manampahaizana zanaky ny kaominina […]
  • Paikady fampandrosoana : Hazakazaka arahin-tosika amin’ny lafiny rehetra ny ao Toamasina
    Newsmada - 04:45 Jun 17, 2025
    Ambetitenin’ny Filoham-pirenena ny tsy tokony hisian’ny faritra, disitrika ary kaominina ho hadino sy hilatsaka aoriana, eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Raha mandroso miaraka ireo rehetra ireo, handroso tokoa i Madaga­si­kara. Fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany. Nametraka fifaninanana masina rahateo ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, ny hisian’ny tanàna madio izay hifarana hatramin’ny 18 jona […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Jun 17, 2025
    Araka ny vaovao miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, omaly, nodimandry Rasoanaivo Kael, zanak’i Titi Rasoanaivo, Malagasy mpanazatra efa nitondra ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Barea teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana. Hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport sy ao amin’ny Kianja […]
  • Federasionina malagasin’ny taekwondo : Filoha lefitra Rakotomanana Franck Tiana
    Newsmada - 04:44 Jun 17, 2025
    Nanatanteraka hetsika fanomezana diplaoma ho an’ny taranja taekwondo WT, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo, ny Federasionina malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Araka ny fanadihadiana natao, efa nisy ny fanolorana ny birao vaovao teny an-toerana, ary fantatra taorian’io fa voatendry ho tomponandraikitra lefitra hitantana ny FMTKD, Rakoto­manana Franck Tiana, filohan’ny federasionina teo […]
  • Lomano – Tompondakan’i Frantsa: Mifaninana any Montpellier i Eliot
    Newsmada - 04:43 Jun 17, 2025
    Nanomboka ny 14 jona lasa teo ary hitohy hatramin’ny 19 jona izao ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa taranja lomano, tontosaina ao amin’ny dobo filomanosana Olympique Angelotti ao Montpellier. Toy ny efa fanao isan-taona, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Malagasy mpilomano milaravinahitra any Frantsa, Rakotondramanga Eliot. Efa niditra an-tsehatra teo […]
  • Herisetra amin’ny varira: 24 nalaina an-keriny, 12 no maty tamin’ity taona 2025 ity
    Newsmada - 04:51 Jun 16, 2025
    Voasokajy ao anatin’ ny marefo ny olona manana toetena va­rira satria iharan’ny herisetra maro. Iray amin’ireny ny fakana an-keriny sy ny famonoana amin’ny fomba feno habibiana Manodidina ny 800 ha­tramin’ny 1 000 eo ny isan’ny olona ma­nana toetena varira (albinisme) voaisa eto Mada­gasikara, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana […]
  • 10 taona ny Cosmos : Maro ny hetsika fanamarihana
    Newsmada - 04:50 Jun 16, 2025
    Ao anatin’ny fandraisan andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iaianana (RSE) sy ho fankalazana ny faha-10 taonany, niara-nientana namboly zana-kazo miisa 1 000 sy fihinam-boa miisa 3 000 ny mpirara-miombon’antoka amin’ny orinasa Cosmos sy ny Uditec manerana ny Nosy. Nifanolo-tanana tamin’izany ireo mpiara-miasa rehetra miisa 400 manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izay, nanamafy ny […]
    Tags: Cosmos
  • Madagascar Airlines : Azo atao ana habaka ny famandrihan-toerana
    Newsmada - 04:49 Jun 16, 2025
    Mitondra fanavaozana amin’ireo tolotra ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Ankehitriny, azo atao ana habaka ny famandrihana toerana. Mba hanakaikezana ny mpanjifa, natsangana ny tranokalan’ny orinasa: www.madagascarairlines.com. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amadeus, mpisehatra mavitrika sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny sidina. Araka izany, azon’ny mpandeha atao ny mamandrika sy […]
  • Banky iraisam-pirenena: Mahantra ny olona miaina amina 3 dolara isan’andro
    Newsmada - 04:49 Jun 16, 2025
    Voasokajy ho mahantra ny olona mivelona amina vola 3 dolara isan’andro, ho an’ireo firenena manana fidiram-bola ambany. Nahitam-panitsiana ny tondrom-pamaritana ny fahantrana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Ankehitriny, lasa 4,20 dolara ny vola iainan’ ireo mponina amina firenena mahantra amin’ny antonony, raha 8,40 dolara izany ho an’ ireo firenena […]
    Tags: Banky
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:48 Jun 16, 2025
    Tatitry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo solombavambahoaka, ho amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo isan-tsokajiny, ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy manana tetikasa mitondra amin’ny fampizakan-tena, ny fandraketana ireo tokantrano marefo ao anatin’ny rejisitra sosialy tokana. Nisitraka fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny Mesupres. Notanterahin’ny MEF […]
  • Toekarena manga : Hamafisina ny fiaraha-miasa maharitra
    Newsmada - 03:49 Jun 14, 2025
    Hamafisina ny fiaraha-miasa misy sy iraisan’ny rehetra, havaozina ireo paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hahetsika ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Nivoitra ireo nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré, tamin’ny fikaonandoha fahatelon’ny Firenena mikambana mahakasika ny ranomasina (UNOC3), natao tany Port Lympia, Nice […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 03:48 Jun 14, 2025
    Very hevitra ny mpandraharaha madinika manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy ireo voatery nampitsahatra ny famokarany. Ao koa ireo nidi-trosa hividianana “groupe électrogène” hanohi­zana ny asa sahanina. Mihena ny mpanjifa na eo aza ny ezaka atao, mihena ihany koa ny fidiram-bola izay mampikoroso fahana ny toekarena. Marihina fa mandray anjara betsaka […]
  • Vovonana PFSCE : « Atsaharo ny fampiasana zaza »
    Newsmada - 03:48 Jun 14, 2025
    Natao ny 12 jona teo, teto Antananarivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Vovonana Fiarahamonim-pirenena ho an’ny an­kizy (PFSCE) sy ireo fikambanana samihafa ao anatiny. Lohahevitra ny hoe « Fampiasana ankizy, atsaharo ». Nan­dray anjara tamin’ny famelabelarana sy ady hevitra ny Kao­mitin’ny ankizy, mpikambana ao anatin’ny PFSCE, ny fikambanana « Terre des Hommes », ny manampahaizana avy […]
  • Fahavitan-tena ara-tsakafo: Vahaolana ny fambolena vary safiotra sy ny Agripole
    Newsmada - 03:48 Jun 14, 2025
    Anisan’ny naverimberin’ny solombavambahoaka ny hanapariahana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Eo koa ny fambolena vaventy, ny tetikasa Agropole. Maro ny solombavambahoaka nankasitraka ny ezaky ny Sekre­teram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), toa an-dRakotomalala Miarin­tsoa, depiote voafidy tao Am­batolampy, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, ny 12 sy […]
  • Fikambanam-pinoana katolika : Notolorana mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny Antilin’i Madagasikara
    Newsmada - 04:49 Jun 13, 2025
    Anisan’ireo miara-miasa sy manampy ny eny anivon’ny fiarahamonina ny skoto, anisan’izany ny Antily eto Mada­gasikara. Nomena mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny fikambanana. Feno zato taona ny 23 marsa, ny taona 2023 teo ny fikambanan’ny skotisma zazalahy izay antsoina hoe Antilin’i Madagasi­kara. Ity farany izay saika ahitana azy avokoa ny diosezy […]
    Tags: Antilin
  • Gazety boky Le Radar : Mitondra avo ny feon’ny toekarena
    Newsmada - 04:48 Jun 13, 2025
    Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tan­jona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafin­drabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo […]
    Tags: Radar
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:47 Jun 13, 2025
    Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa. Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toa­masina […]

2570 items