Newsmada

Found 2570 news

  • Fifandraisan-davitra : Namoaka ny « cartoréseau interactive » ny Artec
    Newsmada - 04:47 Jun 13, 2025
    Nampahafantarin’ny Autorité de régulation des téchnologies de communication na Artec ny vovonona ana habaka «cartoréseau interactive». Fitaovana ahafahan’ny besinimaro mahita amin’ny fotoana rehetra ny fandrakofana finday manerana ny Nosy izay azo jerena ao amin’ny tranokala https://www.artec.mg/cartoreseau/. Anisan’ny namolavola ity fitaovana ity ireo ekipa teknikan’ny Artec. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra […]
    Tags: Artec
  • ITM-IHM : Misarika mpizahatany ny asa tanana
    Newsmada - 04:47 Jun 13, 2025
    Nosantarina, omaly, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, andiany faha-11, (ITM) sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHS), andiany faharoa. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry. Maherin’ny 500 ny mpandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy asa tanana isan-tsokajiny. Firenena nasaina manokana i Maraoka, notarihin’ny minisitry […]
  • «Rugby Women’s Africa»  : Lavon’i Ouganda i Madagasikara
    Newsmada - 05:06 Jun 12, 2025
    Notontosaina tao amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Resy tamin’izany ny Makis Ladies, rehefa lavon’i Ouganda, tamin’ny isa 24 no ho 20, i Ouganda. Tsia­hivina fa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, somary sahirana ny ekipa nasionaly malagasy, nitarika 12 no […]
    Tags: Ouganda
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:05 Jun 12, 2025
    Notanterahina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Olympic Day”. Nisy ny hetsika nanamarihina izany, nialohavan’ny seminera natokana ho an’ny atleta nandritra ny 2 andro ka nizarana ny medaly ho an’ny mpandray anjara. Hotanterahina ny 14 jona izao ny hetsika “Girl’s Open Mat”, taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Miso­katra ho an’ny vehivavy […]
  • Raharimalala Léa: 50 taona nilalaovana volley
    Newsmada - 05:05 Jun 12, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny “Match de Gala”, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ivon’ny ny fankalazana ny jobily faha-50 taona nilomanosan-dRaharimalala Léa tao anatin’ny taranja volley-ball. Nahafinaritra ny fiarahana nilalao tamin’ireo mpilalao fahiny, araka ny nambarany. Tratra ny tanjona tamin’ity fankalazana ity. Ny hampihaona ireo rehetra niaraka lehibe […]
  • “Cosafa Cup” : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar
    Newsmada - 05:05 Jun 12, 2025
    Barea de Madagascar hifandona amin’i Angola. Afrika Atsimo hifampitana amin’i Comores. Ireo ny fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Cosafa Cup 2025”. Fihaonana hotantera­hina rahampitso, ao amin’ny Kianja Toyota stadium, Afrika Atsimo. Manohy ny diany any amin’ny dingana ma­nasa-dalana ny Barea de Madagascar (A’), eo amin’ ny fiadiana […]
  • “Festival de trails Madagascar” : Eny Ambohijanaka ny andiany voalohany
    Newsmada - 05:04 Jun 12, 2025
    Hatao ny sabotsy 21 jona izao, eny Ambohija­naka, ny andiany voalohany amin’ny “Festival de Trails Madagascar”, karakarain’ny fikambanana Kolo­vatana. Natao ity hetsika ity mba hampivondronana sy hanentanana ny tanora sy ho fampiroboroboana ny fizahantany. Manana tombony ny tanànan’Ambohijanaka, 11 km miala an’Antananarivo, ho an’ny karazana hazakazaka an-tendrombohitra. “Tanjona ny hampiroborobo […]
    Tags: Festival
  • Kaominina Maromitety : Misendra olana mahakasika ny fambolena
    Newsmada - 04:51 Jun 11, 2025
    Anisan’ny faritra ma­mo­katra lavanila ny kaominina Ma­romi­tety. Misedra olana manoloana ny karazam-pambolena isan-karazany fa­naon’ny mponina anefa ny fokonolona ao amin’ny fokon­tany maromaro mandrafitra io kominina io, anatin’ny disitrikan’i Vavateni­na, faritra Analanjirofo. Raha ny hita taratra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny mpanao gazety nidina ifotony, amin’ny akapobeny, fokontany ani­san’ny mamokatra lavanila ao […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:49 Jun 11, 2025
    Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny […]
  • Asa tanana malagasy: Nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana tany ivelany
    Newsmada - 04:49 Jun 11, 2025
    Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy». Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa ta­nana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho […]
  • Airtel-UVVT : Toe-tsaina mandala ny tontolo iainana
    Newsmada - 04:49 Jun 11, 2025
    Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, […]
  • Faha-10 taonan’ny UPPM: Nomena ny mari-boninahitra ny mpaka sary
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2025
    Nifarana ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny Union des photographes professionnels de Madagascar, na ny UPPM. Notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Radisson Blu, Tana Water Front ny lanonana nanamarihana izany, izay nanomezana ny mari-boninahitry ny kanto ireo mpaka sary matihanina. Samy naneho ny maha mendrika izao fanomezana […]
    Tags: UPPM
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:56 Jun 10, 2025
    Hanomboka anio ny « Hadimiana San­dra­tra ». Tohin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny ma­la­gasy » izy ity, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra. Mandritra ny dimy andro ny hetsika, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hisy ny seho ara-javakanto, aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Rahampitso kosa ny velakevitra voalohany, […]
  • “Loko iray”: Seho hafa ho an’ny tanora
    Newsmada - 04:55 Jun 10, 2025
    Misy endri-tseho maro, hikendrena ny tanora. Iray tamin’ ireny ny “loko iray”, notontosaina ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nate Tex, Njara Marcel, Nampoina, Ayam ary Johanne. Tarika tanora, ankafizin’ny tanora, fa milalao mozika manara-penitra avokoa. Nanokatra ny seho ilay hira tambatra, niarahan’ireo tarika. Samy nitondra ny azy […]
  • “Tapôlaka Glady”: Nanamafy indray ny lazany i Rossy
    Newsmada - 04:55 Jun 10, 2025
    “Glady”, araka ny heviny. Tsy nitovy endrika tamin’ny taloha, saingy niavaka kokoa ny “Tapôlakaglady”, omaly. Noporofoin’i Rossy fa mbola mitoetra ny lazany, ary manjohy azy hatrany ireo mpankafy. Niakatra sehatra i Bo­hery… Izay mpanaraka ny tarika Rossy dia efa mahalala fa kabary no manokatra ny seho amin’ny fomba ofisialy. Tsy […]
  • Rugby vehivavy – CAN 2025 : Nomontsanin’i Kenya ny Makis Ladies
    Newsmada - 04:54 Jun 10, 2025
    Rendrika tanteraka ny Makis Ladies, nandritra ny andro voalohany niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja rugby ho an’ olona 15 sokajy «performance». Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Andohatapenaka. Re­sin’ny Liona-n’i Kenya tamin’ ny isa mazava 28 no ho 5 izy ireo. Nofehezin’i Kenya hatramin’ny […]
  • CAFE AMBULANT
    Newsmada - 14:46 Jun 07, 2025
  • Filohan’ny Antenimierampirenena: “Hanatsarana ny asan’ny parlemanta ny IA”
    Newsmada - 05:46 Jun 07, 2025
    Nifarana afakomaly, tatsy Zimbaboe, ny atrikasa «Fam­piasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA)», ho fampivoarana ny fizotran’ny asan’ny parlemanta. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin. Nasongadiny tamin’izany fa hojerena ny fomba mahomby sy hanatrarana ny tanjona eo anivon’ny SADC amin’ny traikefa, fanamby ary fahafahana amin’ny fampiasana ny IA ho fanatsarana ny […]
  • Aïd al-Adha : Nankalaza ny fetin’ny sorona ny Silamo
    Newsmada - 05:46 Jun 07, 2025
    Nankalaza ny Aïd al-Adha, fetin’ny sorona, ny mpino silamo rehetra omaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka izany ny tapany maraina. Nisy ny nanatanteraka izany teny anivon’ny moske 67Ha, nisy kosa ny teny amin’ny tany malalaka Andohatapenaka, akaiky ny Kianja Makis. Taorian’izay, notohizana tamin’ny fanaovana sorona ho an’ireo mpino afaka nanao izany ny […]

2570 items