Newsmada

Found 2195 news

  • CCC Zone-7: Nanainga omaly ny delegasiona malagasy
    Newsmada - 05:09 Mar 01, 2025
    Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley, hatao any Maorisy. Fifaninanana izay tokony hanomboka anio saingy nasiana fihemorana iray andro noho ny toetr’andro any an-toerana. Ho an’i Madagasikara, omaly tamin’ny 5 ora hariva no nanainga hihazo an’i Maorisy ny delegasiona hiatrika ity fifaninanana ity. […]
  • Mantasoa: vehivavy Mafia mpangalatra tany nidoboka am-ponja
    Newsmada - 05:08 Mar 01, 2025
    Mitohy ny ady amin’ny fangalarana tany ao Mantasoa. Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny olona telo, mpitarika ireo mafia mpampihorohoro ny tantsaha. Mampikaikaika ny mponina ao Mantasoa ny fangalarana tany. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa vehivavy no lehiben’ireo tambajotra any an-toerana. Nan­dritra ny taona maro no nanaovan’izy ireo izany, raha ny […]
    Tags: Mantasoa
  • Ilaina ny fanavaozana: Ny fototra tsy tokony hiova
    Newsmada - 05:06 Mar 01, 2025
    Anisan’ny firenena manana « zavatra » tranainy na taloha, maro i Madagasikara. Iray amin’ireny ny hira. Feo aloaky ny vava, zavamaneno, gadona, dihy miaraka aminy raha ilaina, sns. Samy tranainy avokoa. Mila havaozina? Tsy vitsy amin’ny mpihira na tarika mpihira amin’izao fotoana izao no mamerina na mamelona na manavao indray azy ireny. […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:06 Mar 01, 2025
    « Feo roa, sehatra iray ». Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCIvato ilay fiarahana an-tsehatr’i Denise sy i D-Lain. Hafa noho ny mahazatra, satria hatao amin’ny rindra miavaka daholo ireo hira nosafidian’izy ireo hampiaraham-peo. Efa ela ny famerenana, ka na ireo mpankafy aza efa dodona ny hahita ny vokatra […]
  • Olana amin’ny fananantany: Lasa antom-piveloman’ny olom-bitsy
    Newsmada - 04:50 Jan 22, 2025
    Maro indrindra eny anivon’ny Fitsara­na ambony sy ny ambaratonga voalohany ny resaka taratasin’ady ma­ha­ka­sika ady tany. Efa lasa fitadiavam-bolan’ny olona maro samihafa izany, raha ny zava-misy. Voalohany amin’ny ha­maroan’ny antotan-taratasin’ady tonga eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony ny resaka ady tany, raha ny fanadihadiana natao. Ambeti-tenin’ireo tomponandraikitra […]
  • Ampasimbe Brickaville : Lehilahy iray maty voatsatoka antsy
    Newsmada - 04:49 Jan 22, 2025
    Lehilahy iray tokony ho 40 taona eo ho eo no maty voa­tsatoka antsy, afakomaly ta­min’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny kaominina Ampasimbe, Brickaville. Na­hita olona iray efa maty tao anaty alan’Ambodimanga Be­navony, 300 metatra miala ny tanàna ao Sahanibibaka, ireo mponina handeha hanao ny asa aman-draharahany, ta­min’io fotoana […]
    Tags: Lehilahy
  • Distrika Manjakandriana : Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna
    Newsmada - 04:49 Jan 22, 2025
    Nampitovy tadin-dokanga ho an’ny tombontsoa iraisana. Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna rehetra voafidy ao amin’ny distrika Manjakandriana, omaly. Nofidin’izy ireo ho filohan’izany fikambanana izany ny ben’ny Tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, Rakoto­nirina Zo Ny Aina. “Tanjona amin’ny fananganana fikambanana toy izao ny fampisitrahana tombontsoa iombonana ho an’ny kaominina […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:48 Jan 22, 2025
    Hanamarika ity herinandro ity ny atrikasa lehibe hotanterahina any Mantasoa, mandritra ny roa andro (hanomboka rahampitso). Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany, araka ny nambaran’ny minisitra mpiahy. Tonga nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny toeram-piasany, Ambohidahy, ny masoivohon’i Norvezy vaovao eto Madagasikara, Hajaina Gjermund Saether. […]
  • Fifidianana ben’ny tanàna: nolavina ny fitorian’i Tojo Ravalomanana
    Newsmada - 11:26 Jan 14, 2025
    Notsipahin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), Anosy, ny fitorian’ny kandidà nangataka ny fanalana an-daharana an-dRamanantsoa Harilala. Andrasana rahampitso ny didim-pitsarana. Nolavin’ny fampanoavana ny fangatahana fanintsanana an-daharana ny kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Fitoriana nataon’ny kandidà isany: Razafinjoelina Tahina sy i Gascar Fenosoa, ary […]
  • Novelesina tamin’ny hazo: vehivavy bevohoka voaroba 1 200 000 Ar
    Newsmada - 11:26 Jan 14, 2025
    Lasan’ny jiolahy ny vola mitetina 1 200 000 Ar, an’ny renim-pianakaviana iray tao Amborovy, kaominina Mahajanga, ny alahady 12 janoary, teo. Avy nivarotra, namonjy ny lalana fodiany toy ny mahazatra ilay ramatoa mitondra vohoka. Nitondra moto izy. Narahin’ny olon-dratsy anefa, voavelin’ny hazo tampoka avy aoriana io vehivavy io. Niongana teny ambony moto, […]
  • Avotra ilay zazavavy: mpaka an-keriny roa voasambotra
    Newsmada - 11:23 Jan 14, 2025
    Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Amboasary Atsimo, ny 11 janoary teo. Nitondra fitaovam-piadiana, nentin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy, tamin’io andro io, tao amin’ny fokontany Maroa­sara, kaominina Amboasary Atsimo. Tsy mbola nitaky lelavola tamin’ny fianakavian’ilay zazavavy nalainy an-keriny ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao. Taorian’ ny tranga fakana […]
  • Varo-maizina: roa lahy nahatrarana sokatra 24 sy rongony 10 gony
    Newsmada - 11:10 Jan 14, 2025
    Zana-tsokatra ahina ho lany tamingana miisa 24 sy rongony 10 gony indray saron’ny zandary tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana, tao Betioky-Atsimo, ny 12 janoary teo. Roa lahy voasambotra. Karazan-tsokatra fantatra amin’ny anarana siantifika “Astrochelys Radia­tas” tra-tehaky ny zandarimaria teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo, tao Andohasatra, kaominina Tameantsoa, distrika Betioky Atsimo, ny […]
  • Beach-volley U21: le championnat d’Afrique à Mahajanga
    Newsmada - 10:56 Jan 14, 2025
    En cours de validation ! La Confédération africaine de volley-ball (CAVB) a désigné Mahajanga comme hôte du championnat d’Afri­que de beach-volley pour les moins de 21 ans, tant chez les garçons que chez les filles, prévu entre le 16 mai et le 30 juin. C’est une mission délicate, mais un immense […]
  • Taksiborosy nivadika: olona 17 naratra mafy
    Newsmada - 07:51 Jan 13, 2025
    Nitrangana lozam-piarakodia, taksiborosy iray hafa koa, teny amin’ny RN 4, PK 299+800, tao Ambodimanga/Beanana distrika Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro teo. Taksiborosy hihazo an’Antsiranana ity niharan-doza ity vokatry ny fifandonana tamina fiara 4×4 iray teo ambony tetezana. Nilatsaka tany ambany tetezana ilay taksiborosy taorian’izay. Tandrevaka teo amin’ny mpamily, araka izany, no […]
  • Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka”
    Newsmada - 07:48 Jan 13, 2025
    Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny depiote Rakotoarisoa Fetra. Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka, araka ny nambarany. «Tsy tokony holalaovina hoe : «izahay te hiditra, fa ianareo no manakana». Fa ny tena marina, ny vahoaka malagasy no tsy resy lahatra intsony amin’izany asa fanakorontanana atao eto amin’ny firenena izany». […]
  • Vaovao tambatra
    Newsmada - 07:44 Jan 13, 2025
    16,2 miliara Ar no nentin’ny tetikasa Fihariana nanohanana ireo mpandraharaha manerana ny Nosy, ny taona 2024. Mbola hitohy ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika azy ireo amin’ny fananganana orinasa amin’ ity taona 2025 ity. Nahafahana nanakaiky ny mpandraharaha tokoa ny taona 2024. Mbola tsy nahavonto tany ny filatsahan’ny orana hatramin’ny sabotsy […]
  • Fieferamanga Arivonimamo: zana-kazo miisa 1 800 nambolena
    Newsmada - 07:42 Jan 13, 2025
    Velaran-tany 53ha no nambolen’ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola zana-kazo “érables” sy “frênes” ny zoma teo, tany Fieferamanga Arivonimamo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fambolen-kazo tanterahin’ny fitondram-panjakana nanomboka ny 16 desambra 2024 izany. Tanjona ny handrakofana ala ny toerana tafiditra ao anatin’ny tetikasa filamatry ny fitondram-panjakana « Ankohonana miarina ». Eo koa ny […]
  • Toekarena manga: mpanjono maherin’ny 500 nisitraka fampitaovana
    Newsmada - 07:39 Jan 13, 2025
    Vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly na « fumoir » miisa 11 sy « tracteur frigorifique » no natolotry ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana, Andria­mamelasoa Lalaina, ireo mpanjono maherin’ny 500 tao amin’ny kaominina Maroalo­mainty, distrika Ambovombe, faritra Androy, omaly. […]

2195 items