Newsmada

Found 2570 news

  • Orinasa Star: maherin’ny 1 500 nisitraka ny RSE
    Newsmada - 07:36 Jun 28, 2025
    Naneho ny fiaraha-mientany amin’ny mponina any amin’ ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny hetsika Fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny fitsinjovana sy fanomezan-tanana ny vondron’ olona eny ifotony. Miisa 600 ny tokantrano notoloran’ny orinasa vokatra ilaina andavanandro (PPN), ny 23 jona teo. […]
  • Tato anatin’ny enim-bolana voalohany: hita sahady ny fiantraikan’ny fanohanan’ny Base ny mponina
    Newsmada - 07:34 Jun 28, 2025
    Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina. Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikeli­kely ny lafiny toekarena sy so­sialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. […]
    Tags: Base
  • Madagascar Airlines: nohavaozina ny fanofana ATR-72
    Newsmada - 09:21 Jun 27, 2025
    Anatin’ny fanarenana sy ny fanavaozana hatrany ny kaompania Madagascar Airlines amin’izao. Nohavaozina ny fifanarahana fanofana fiaramanidina ATR-72 miisa roa amin’ny orinasa Abelo ho an’ireo mitondra ny laharana 5R-MJF sy 5R-EJB. Hampiasaina hatramin’ny volana janoary 2028 ny voalohany, raha hihitatra hatrany amin’ny volana novambra 2029 kosa ny faharoa, izay samy hanao sidina […]
  • Famatsiana: ampy tsara ny tahirin-tsolika
    Newsmada - 09:20 Jun 27, 2025
    Tonga ara-potoana hatrany ny sambo mitatitra solika avy any ivelany mankaty Madagasikara. Tsy misy atahorana ny famatsiana aty afovoan-tany sy ny any amorontsiraka. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny alarobia 25 jona teo, manodidina ny famatsiana solika eto amintsika. « Ampy tsara ny […]
  • Manjaka Tokana: nizara fanomezana ho an’ny ankizy
    Newsmada - 08:59 Jun 27, 2025
    Telo sosona ny fanamarihana tamin’ity volana jona ity. Voalohany, ny fankalazana ny andro niverenan’ny Faha­le­ovan­tenan’i Madagasikara. Faharoa, ny Volan’ny teny malagasy ary farany ny Iray volan’ny ankizy. Ireo sehatra telo ireo dia mahakasika ny firenena ka tena zava-dehibe, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny Sorabe, Manjaka To­kana. Nisafidy ny fokontany Ambohimamory ny […]
  • Fanadinana BEPC 2025: 299 312 ny mpiadina manerana ny Nosy
    Newsmada - 08:57 Jun 27, 2025
    Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny mpiadina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Efa vonona ny foibe sy ny olona hiasa hisahana ny fanadinana, hoy ny tomponandraikitra. Nitombo kely ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha nihena ireo nisafidy ny sokajy B raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hanomboka ny alatsinainy 30 […]
  • Hivalona ny volana jona: tsy mahita mangirana ny teny malagasy
    Newsmada - 08:54 Jun 27, 2025
    Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka […]
  • Ady amin’ny herisetra amin’ny ankizy: manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny fanjakana
    Newsmada - 08:47 Jun 25, 2025
    Iharan’ny herisetra ny akamaroan’ny ankizy malagasy eto amin’ny firenena. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny ady ny ray aman-dreny sy ny fanjakana. Be loatra ny karazana herisetra mahazo ny ankizy tao anatin’ny volana mey sy jona, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny trangana fanolanana, famonoana ho faty ny ankizy, […]
  • Zava-baovao Hisy fitaterana telefe­rika sy­ an-dalamby
    Newsmada - 08:41 Jun 25, 2025
    Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra vaovao teny amin’ny CCI Ivato, fa handeha tsy ho ela ihany koa ny fitaterana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain) sy ny fitaterana an-tariby teleferika. Ny mampiavaka ny teleferika, hisy olona 500 tsy maintsy hofanina hiasa. Hatao mahaleo tena ny […]
  • Mama Germaine: nitranga avokoa ny faminaniana hitany
    Newsmada - 08:39 Jun 25, 2025
    Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germ­aine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara […]
  • Fanatsarana ny fitaterana: hiara-hiasa i Madagasikara sy i Egypte
    Newsmada - 08:38 Jun 25, 2025
    Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta. Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madaga­sikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy […]
  • Orange Madagascar: nizara mari-pankasitrahana miisa 143
    Newsmada - 08:30 Jun 25, 2025
    Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo […]
  • Bemasoandro: Hetsika koltoraly ho an’ny fandriampahalemana
    Newsmada - 10:04 Jun 24, 2025
    Nandray ny ivon’ny fankalazana ny hetsika koltoraly sy iraisam-pinoana manan-tantara ho an’ny fandriampahalemana ny kaominina Bema­soan­dro Itaosy, ny sabotsy teo. Nokarakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (HWPL) sy ny UMMI Mada­gascar izany. Olana eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny ady tany, ny famonoana, ny herisetra isan-karazany… “Ilaina ny mivoy […]
  • Banky iraisam-pirenena: “Ilaina ny antoka ho an’ny mpampiasa vola”
    Newsmada - 10:02 Jun 24, 2025
    Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck. Voaresaka ny momba ny fampiasam-bola. Navoitran’ity iraky ny mpamatsy vola ity ny anjara toerana lehibe sahanin’ny minisiteran’ny Fi­tsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena. “Tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny […]
    Tags: Banky
  • Fampitiavana ny teny malagasy: ireo « mpampianatra » mihitsy no osa ?
    Newsmada - 09:59 Jun 24, 2025
    Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasi­kara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manom­boka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpam­pianatra any an-tsekoly, ray […]
  • Pr Rakotondrajao Fanja: hamelabelatra momba ny sikidy sy ny tontolony
    Newsmada - 09:58 Jun 24, 2025
    Tsy zava-maizina fa misy fanazavana. Misy fifandraisany amin’ny matematika, mety tsy voarain’ny rehetra kanefa tokony hianaran’ny rehetra ny sikidy. Mpampianatra mpikaroka izy. Manam-pahaizana manokana sy fanta-daza maneran-tany amin’ny matematika ny profesora Rakotondrajao Fanja. An­koatra izay, nandalina manokana ny sikidy malagasy sy ny tontolony, ary efa namoaka voka-pikarohana mampifandray izany amin’ny […]
  • Fanatanjahantena indianina “Yoga”: nandray anjara ireo mpitondra fanjakana
    Newsmada - 09:56 Jun 24, 2025
    Notontosaina teny Alarobia, ny sabotsy lasa teo, ny hetsika ara-panatanjahantena indianina, «Yoga», izay nokarakarain’ny masiovoho indianina eto Madagasikara. Mpitondra fanjakana maro no tonga teny an-toerana namaly ny antso tamin’izany. Anisan’izany ny filohan’ny Antenimierando­holona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, sy ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, (MJS), Marson Moustapha Abdulah. “Zava-dehibe […]
  • Televiziona: ampiasaina ny angovo avy amin’ny masoandro
    Newsmada - 08:10 Jun 23, 2025
    Miditra dingana vaovao ny orinasa StarTimes, mampiasa ny teknolojia niomerika, ahazoan’ny mpanjifa ny fandaharana televiziona avoakany. Ampiarahana ny fisitrahana ny niomerika, ny angovo azo havaozina ho an’ny rehetra. Amin’ny alalan’ny sampana orinasa StarTimes Solar, izay mpanohana ofisialy ny Fifa amin’ny fandefasana ny lalao Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba 2025 no […]
  • Ravinala Airports: loka iraisam-pirenena (ACA) fampihenana ny Karbôna
    Newsmada - 08:09 Jun 23, 2025
    Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny […]
  • Fifandraisan-davitra satelita: tafakatra 2 tapitrisa Ar ny famandrihana
    Newsmada - 08:08 Jun 23, 2025
    Midangana ny saran’ny famandrihana apetraky ny orinasa fifandraisan-davitra avy amin’ny zanabolana iray. Fanapahan-kevitra, heverin’ny mpanjifa ho tsy fitsinjovana azy ireo. Maro ny mpanjifa nitaraina, hita anaty tambajotra sosialy, mahakasika ny fiovana tampoka ataon’ny orinasa iray manana tolotra internety amin’ny alalan’ny satelita. Mandray fanapahan-kevitra samirery, mampiakatra ny saran’ny tolotra, tsy misy […]

2570 items