Newsmada

Found 2570 news

  • Basikety N1A-Vondrona A : Ekipa 6 lahy sy 6 vavy hifaninana
    Newsmada - 04:51 May 08, 2025
    Anjaran’ny vondrona A indray izao no hifaninana amin’ny dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety, taorian’ny vondrona B tany Antsi­rabe. Ekipa 6 lahy sy 6 vavy no ao anatin’ity vondrona A ity, ka ao amin’ny Complexe sportif ao Mahajanga no hanatanterahina izany, ny 10 hatramin’ny 18 mey […]
    Tags: Ekipa
  • Rugby Africa Women’s Cup 2025: Mpifanandrina vaovao hihaona amin’ny Makis Ladies i Ouganda
    Newsmada - 04:51 May 08, 2025
    Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby. Raikitra indray! Hotante­rahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, […]
  • CenHoSoa – HIS Foundation: Maimaimpoana ny fandidiana ireo ankizy manana fahasembanana
    Newsmada - 04:50 May 08, 2025
    Nanomboka ny 5 mey hatramin’ny 17 mey 2025 ho avy izao, misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana kristianina, sinoa, mpanao asa soa ao amin’ny CenHoSoa. Miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fa­ha­sembanana eo amin’ny molotra na ativava ny iraka ataon’izy ireo. Eo koa ireo manana fahavoazana sy […]
  • Rotorotom-piainana : Tsy ampy fialamboly ny vahoaka malagasy
    Newsmada - 04:53 May 07, 2025
    Anisan’ny olana iray mbola sedrain’ny vahoaka malagasy ny tsy fahafahany miala voly. Tena ilaina amin’ny fiainana anefa iza­ny. Matetika olana ny hoenti-manana. Betsaka anefa ny toerana azo hitsangantsanganana, sady tsara no mora. Fomba amam-panao tsy mahazatra ny Malagasy ny manokana fotoana hialana voly. Mionona amin’ny andro fety vao mba manao […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:52 May 07, 2025
    Tafakatra 3 000Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy raha novidiana 2 000 Ar teo aloha. Mananosarotra ihany koa ny fahitana ny vokatra amin’izao fotoana. Nilaza ireo mpivarotra fa vanim-potoana tsy fisian’ny ovy amin’izao, eo ihany koa ny rotsakorana tampoka any amin’ireo faritra mpamokatra izany ka mahatonga ny fiakaram-bidy […]
  • Fiatrehana ny loza voajanahary : Tafapetraka ny tetikasa IRFF
    Newsmada - 04:52 May 07, 2025
    Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fiantohana sy ara-bola, hitondra vahaolana ara-bola sy vokatra fiantohana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ireo ny tanjon’ny tetikasa fiarovana sy faharetana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro (IRFF). Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). « Hanamafy ny […]
    Tags: IRFF
  • Toliara : Vita ny 80% ny vahilava Kiembe
    Newsmada - 04:52 May 07, 2025
    Tetikasa goavana atao any Toliara ny fananganana vahilava mirefy 5 km any Kiembe. Amin’ny ankapobeny, vita hatrany amin’ny 80% ny asa. Manaraka ny vinavina sy ny fandaharam-potoana napetraka ny fandrosoan’ny asa ataon’ny orinasa China State Construction Oversas Developpement (CSCOD). Famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Mizara roa […]
  • NICOLAS ECOLO
    Newsmada - 15:03 May 03, 2025
  • Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany manokana faha-27
    Newsmada - 05:19 May 03, 2025
    Notanterahina omaly, tao amin’ny Akademia Mia­ramila (Acmil) Antsi­rabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny an­diany manokana faha-27 na 27°Péloton de Formation Mi­litaire des Cadres Spécialistes (PFMCS). Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Folo­alindahy (MFA), ny Jly Sahi­velo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika, […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:19 May 03, 2025
    Nirongatra sady niparitaka ny andiam-balala taorian’ny rotsakorana tany amin’ny faritra Anösy. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitera Minae sy ny Ivonterana miady amin’ny valala (IFVM) ary ny FAO, nanomboka ny marsa teo. Nahatratra 1 460 ha ny velaran-tany notondrahina tamin’ny alalan’ny angidimby ary 2 200 ha ady an-tanety tany Amboasary. Liana amin’ny […]
  • Fampiasana ny niomerika: Hanova ny fijery sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy
    Newsmada - 05:18 May 03, 2025
    Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ireo ivontoeran’ny haitao ara-kajy mirindra (Digital Center). Hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika eto an-toerana sy ho fampandrosoana ny olom-pirenena izany. Ireo ny vinan’i Mada­gasikara momba ny niomerika ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika « Global Empower­ment Meeting (GEM 2025) », tany Harvard, ny alatsinainy sy talata teo. Novoaboasan’ny minisitry […]
  • Harena voajanahary : Hikajiana ny harinkarena faobe
    Newsmada - 05:18 May 03, 2025
    Tsy afa-misaraka amin’ny toekarena ny harena voajanahary. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « Spring meetings » tany Washington, ny tetikasan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hampidirina ho anisan’ireo singa hikajiana ny harinkarena faobe ny harena voajanahary. Ho firenena mpitari-dalana amin’izany i Madagasikara sy Niger. Hitarika ny tetikasa kosa ny filoha lefitry ny […]
  • Protégé : Le guide N°04
    Newsmada - 15:23 Apr 30, 2025
    Il n’y a pas d’extrait, car cette publication est protégée.
  • Protégé : Perspective Mars 2025
    Newsmada - 14:59 Apr 30, 2025
    Il n’y a pas d’extrait, car cette publication est protégée.
  • Asa fivarotana eny Analakely : « Tsy misy fitadiavam-bola mora fa atao am-pitiavana aloha ny asa », hoy i Mamy
    Newsmada - 04:47 Apr 30, 2025
    Maro dia maro tokoa ireo mpivarotra lam­ba sy kiraro ary bakiraro sy silipo eny Analakely, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana tamin’izany Rakotobehe­ri­ni­rina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro eny an-toerana. Ny resaka tsena no mibahana ao an-tsaina raha vao miresaka ny eny Analakely. Nilaza Rakoto­beherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:46 Apr 30, 2025
    Nahitam-pidinany ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana raha oharina ny tamin’ny iray volana lasa. Vidina eo anelanelan’ny 2 800 ka hatramin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny vary Manalalondo, Zanatany, Dista, Makalioka sns. Tafakatra hatrany amin’ny 3 700 sy 4 200Ar ny vidin’ireo teo aloha. Izany hoe, nahitana fihenana manodidina 4,76% ka hatramin’ny 24,32%. Vitsy an’isa […]
  • Fihaonamben’ny FCEM : Mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny vehivavy
    Newsmada - 04:46 Apr 30, 2025
    Hanampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany ary ha­nampy ny fampakarana ny lentan’ny vehivavy malagasy ny fihaonana an-tampony ny kaomity iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy tompona orinasa (FCEM), atao eto Mada­ga­sikara, mandritra ny telo andro. «Hanampy amin’ny fampivoarana ny diplaomasia ara-toekarena ny hetsika sady hanampy amin’ny fitadiavana […]
    Tags: FCEM
  • ONG UWS Madagascar : Manohana ny fanabeazana ao Morombe
    Newsmada - 04:50 Apr 29, 2025
    Nitsidika ny distrikan’i Morombe, nandritra ny herinandro, ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampiarana avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy. Ao anatin’ izany ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpiray ombon’antoka samihafa sy ny mpanohana teknika. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana […]
    Tags: Morombe
  • Mozean’ny haino aman-jery : Nahazo arisiva ny minisiteran’ny Serasera
    Newsmada - 04:50 Apr 29, 2025
    26 taona izao no nisian’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Ho fanamarihana izany, nanolotra ireo sanganasa mba ho tahiry sy vakoka ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo tomponandraikitry ny fahitalavitra, oma­ly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mba ho tahiry sy vakoka amin’ny haino aman-jery sy ny tantaram-pirenena io, izay anjara […]
    Tags: Serasera

2570 items