Newsmada

Found 2570 news

  • Fahasalamam-bahoaka: Nisitraka fitaovana avy amin’ny Rosianina
    Newsmada - 04:49 Apr 29, 2025
    Nanolotra laboratoara ahafahana mamantatra manokana ireo karazana tsimokaretina sy valanaretina, teny amin’ny LA2M Androhibe, ny solontenan’ny firenena rosianina, omaly. Miavaka io laboratoara io noho izy anaty fiara ka afaka entina mitety toerana maro. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia, manampy ny mpitsabo mpikaroka amin’ny fitiliana ireo santionan’aretina mandringana toy ny Ebola, ny […]
  • Pôle de l’entrepreneuriat: Tantsoroka ho an’ny mpandraharaha
    Newsmada - 04:49 Apr 29, 2025
    Fotoana iray nampivondrona ireo mpanome tantsoroka, mpanohana sy mpamatsy volan’ny mpandraharaha ary ireo sehatra samihafa ny hetsika « pôle de l’entrepreneuriat », andiany fahefatra, no karakarain’ny maison de l’entrepreneuriat, ny sabotsy teo, tetsy Antani­na­renina. « Tanjona ny ha­nam­piana ireo mpandraharaha ao anatin’ny lalam-pihariana ataony sy hanomezana torohevitra azy ireo ao […]
  • Tsingerin-taonan’ny AJT: Nosokafana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo
    Newsmada - 04:48 Apr 29, 2025
    Feno 17 taona ankehitriny ny nijoroan’ny fikambanan’ny mpanao gazety any Toa­masina (AJT). Notan­terahina tany an-toerana ny hetsika fankalazana, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Nanamarihana izany ny fambolen-kazo ary ny fizarana tolotra ho an’ny mpanao gazety sy ho an’ny tokan­trano marefo. Heni-kaja sy voninahitra ny hetsiky ny mpanao gazety ao […]
  • Fandehanana any Allemagne: « Mila finiavana sy faharetana», hoy i Noeline Erica
    Newsmada - 04:44 Apr 28, 2025
    Maro dia maro to­koa ireo Malagasy tanora lasa manohy ny fianarany sy ny fiainany any ivelany. Anisan’ireo firenena matetika handehanan’ireo tanora ankehitriny, ny any Allemagne. Milaza ny fiainany any an-toerana any, i Noeline Erica. Gazety Taratra (*): Afaka milaza ny momba anao ve, inona no naharisika anao ho any Allemagne? […]
  • Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra
    Newsmada - 04:44 Apr 28, 2025
    Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malama­maina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsarata­nàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao […]
    Tags: Mpaka
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:42 Apr 28, 2025
    Mipetraka ny tetikasa fanodinam-bokatra any amin’ny faritra Androy. Voakasik’izany ny vokatra mangahazo, ny apemba, ny varim-bazaha, ny vomanga, ny soja ary ny katsaka. Misahana azy ny tetikasa Purpa, fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola ho an’ny fambolena, famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona ny hampihenana ny fanafarana avy any […]
  • Fiaraha-miasa COI : Rano fisotro madio eny Fieferamanga
    Newsmada - 04:42 Apr 28, 2025
    Misy ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), andraisan’ny orinasa frantsay Fonto de Vivo anjara. Nidina any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny 21 avrily teo. Nojereny ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Ankoho­nana Miarina ». Nampaha­fantarina ny fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny orinasa […]
  • Jirama sy Filatex: Hamokatra angovo 68,5 MW fanampiny
    Newsmada - 04:41 Apr 28, 2025
    Miara-miasa ny Jirama sy ny vondrona Filatex Energies, hanitarana ny angovo herinaratra eto amintsika. Voakasik’izany ny hananganana fotodrafitrasa famokarana angovo azo havaozina sady azo avy amin’ny herin’ny masoandro, mitotaly 68,5 MW, ka hapetraka amin’ity taona 2025 ity ny 25 MW ary amin’ny taona 2026 ny 43,5 MW. Hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny […]
    Tags: Jirama
  • RAOELIARIJAO MPANABE
    Newsmada - 15:15 Apr 26, 2025
  • Fifindra-monina : Noraisin’ny MSP ny talen’ny OIM
    Newsmada - 05:15 Apr 26, 2025
    Noraisin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Inspecteur général de police, Rakotoarimanana Herilala, omaly, ny talen’ny OIM (rantsan’ny firenena mikambana misahana ny fifindra-monina), Frantz Celestin. Marihina fa misahana ny faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika ity rantsan’ny firenena mikambana ity. Nandray anjara tamin’ny fivoriana an-tampon’ny COI natao teto Madagasikara ihany koa ny […]
    Tags: Noraisin
  • Sarinady iraisam-pirenena – Tulipe 2025: Hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina
    Newsmada - 05:15 Apr 26, 2025
    Nifarana ny fanazarantena iraisam-pirenena notanterahina tao Mahajanga « Tulipe 2025 » nandraisan’ny firenena dimy anjara : Madagasikara, Seychelles, Maurice, La Réunion izay naharitra dimy andro izany. Famintinana ny fandraisana anjara ho an’ireo solontena isaky ny sehatra no nisantarana ny andro famaranana omaly, notarihin’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Derama­sinjaka Manantsoa […]
    Tags: Tulipe
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:14 Apr 26, 2025
    Manodidina ny 33 500 ha ny velaran-tany harenina ao anatin’ny tetikasa PLAE VI. Manodidina ny 20 000 ireo tokantrano hisitraka asa mivantana, mahatratra 22 300 ha kosa ny velaran-tany voajary tamin’ny fanaovana voly hazon’olon-tsotra, voly hazo ho ala kaominaly. Ao anatin’izany ireo ala fiarovana, ala vadimboly ary ny toeram-piraofana nohatsaraina. […]
  • Orange digital Center: Dingana ho an’ny fampiroboroboana ny nomerika
    Newsmada - 05:13 Apr 26, 2025
    Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia ireo ny trano vaovaon’ny Orange Digital Center, etsy amin’ny gara Soarano. Dingana lehibe amin’ny fampidirana sy fanavaozana nomerika eto Ma­dagasikara ny ataon’ny Oran­ge Madagascar. Nanohana talenta malagasy an’arivony teo amin’ny sehatry ny nomerika ny Orange Digital Center Madagascar nanomboka ny taona 2022, teny amin’ny […]
    Tags: Dingana
  • FCEM: Hampivelatra ny fandra­harahan’ny vehivavy
    Newsmada - 05:13 Apr 26, 2025
    Hitondra tombontsoa maro ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny fikaonandohan’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany (Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises). «Ahafahan’izy ireo miditra anatina tambazotrana vehivavy mpandraharaha eto an-toerana sy any ivelany. Hampitombo ihany koa ny traikefa sy ny fahalalany ary ny hampivelatra ny eo amin’ny sehatrasany eto an-toerana sy any […]
  • Task force: Mampanahy ny fiakaran’ny tahan’ireo olona mitondra VIH/Sida
    Newsmada - 04:48 Apr 25, 2025
    Mampanahy fatratra ireo Task Force ny hoavin’ny tanora amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Nifam­pi­zara ny vokatra azony nandritra ny fanadihadiana na­taony ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ ny tsimokaretina VIH/Sida. Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo […]
  • Rakotomalala Jefferson : Malagasy mpianatra nisitraka vatsim-pianarana maro
    Newsmada - 04:47 Apr 25, 2025
    Malagasy mpianatra any amin’ny oniversiten’i Etazonia Rakotomalala Jefferson. Ani­san’ny mamiratra izy satria nisitraka vatsim-pianarana maro hahafahany manohy ny fianarany. Mianatra ao amin’ny Hope College University ao Holland, Michigan ny tenany amin’izao fotoana. Mizara ny traikefany amin’ny tanora malagasy toa azy i Jefferson. Anisan’ny manokatra lalana maro ny fikirizana sy ny […]
    Tags: Malagasy
  • Nanolan-jaza 4 taona : Tovolahy 17 taona notanana am-ponja
    Newsmada - 04:47 Apr 25, 2025
    Notanana vonjimaika, afa­komaly, any am-ponja ny tovolahy 17 taona nanolan-jaza vao efa taona monja, tao Soanierana-Ivongo. Ankizivavy nandeha namonjy toeram-pivoahana, niharan’ny fanararaotana na­taon’ny tovolahy mpiandry omby, tao amin’ny kaominina Manompana, ny talata 22 avrily teo, tamin’ny 11 ora ma­raina. Nosaritin’io tovolahy io niditra ny kirihitr’ala ilay zazavavy. Tsy afa-nanohitra ity […]
  • Lisi-pifidianana : Efa miverina eny amin’ny distrika
    Newsmada - 04:46 Apr 25, 2025
    Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa efa manomboka miverina eny anivon’ny distrika ny lisi-pifidianana rehefa nosokafana tamin’ny olom-pirenena nandritra ny 20 andro. Natao izany mba hanamarinany na hitondrany fanitsiana ny mombamomba azy, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. Araka izany, efa miroso miandalana amin’ny fandrafetana sy fampidirana ny lisitra anaty […]
  • Fiaraha-miasa amin’i Frantsa : Nifanakalo traikefa ny samy parlemantera
    Newsmada - 04:45 Apr 25, 2025
    Nifanakalo hevitra sy nifampizara ho fanamafisana ny fiaraha-miasa. Tafiditra amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI koa ny fihaonana eo amin’ny samy parlemantera. Anisan’izany ny teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, afakomaly. Nandray ireo delegasionin’ny parlemantera frantsay ireo depiote. Nitarika azy ireo ny solombavambahoaka misolo tena an’i Frantsay, monina any ivelan’i Frantsa, i […]
  • Hazakazaka bisikileta: Mpanazatra 14 nahavita fiofanana
    Newsmada - 04:57 Apr 24, 2025
    Nifarana tamin’ny sabotsy 19 avrily 2025, tetsy Ivandry, ny fampiofanana ireo teknisiana miisa 14 mianadahy, 12 lahy sy roa vavy, izay milofo amin’ny taranja bisikileta. Araka ny fanadihadiana na­tao, haazo ny marim-pahaizana faharoa izay hita fa mendrika tamin’ity fiofanana ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, havoakan’ny Fe­derasionina Iraisam-pirenena UCI […]

2570 items