Newsmada

Found 2570 news

  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:57 Apr 24, 2025
    Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny afakomaly, lasa mpilaravinahitra any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, i Jean Yves. Ny klioban’ny AS Marsouins no naka an’ity loharana malagasy ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nahazoan’ny Barea ny medaly alimo tamin’ny Chan 2022 teo, i Jean Yves. Nisaraka ady sahala 5 […]
  • Rugby U18 – AROI 2025 : Nanao pao-droa ny Makis
    Newsmada - 04:56 Apr 24, 2025
    Mbola noporofoin’ny Makis de Madgascar fa mpanjakan’ny rugby eto amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), sokajy U18 lahy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja Andohatapenaka ny alatsinainy 21 avrily lasa teo. Teo amin’ny sokajy vehivavy, […]
    Tags: Makis
  • Federasionina afrikanin’ny fonjamby : Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Jean Alex
    Newsmada - 04:56 Apr 24, 2025
    Notontosaina ny 22 avrily lasa teo, tany Maorisy, ny fivoriambe sy fifidianana teo anivon’ny federasionina afrikanina taranja fibatana fonjamby. Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Harinelina Jean Alex. Randriamanarivo Harine­lina Jean Alex, izay filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby no voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny federasionina afrikanina ny taranja Weigh­tlifting na […]
    Tags: Voafidy
  • Ben’ny Tanànan’Antananarivo: Ezahina ny fanavaozana sy fanadiovana ny tanàna
    Newsmada - 04:55 Apr 24, 2025
    Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’An­tana­nari­vo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Am­banidia, ny lapan’Andafia­varatra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny […]
  • DIAMANGA CAPOEIRA
    Newsmada - 15:15 Apr 19, 2025
  • Volana mey : Hizara traikefa marolafy i Fidimalala
    Newsmada - 05:18 Apr 19, 2025
    … Tsy ela fa vao andro vitsy. Nanamarika ny faha-97 taonany i Fidimalala. Mpanakanto anisan’ny zokiny indrindra eto Madagasikara sy any ivelany. Hizara ny traikefa maro ananany izy. Hiavaka tanteraka ny hetsika Sehatra Bagasy amin’io volana mey io. Ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola no hitondrana sy hizaran’i Fidimalala […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:17 Apr 19, 2025
    Feno 20 taona ny lanonam-panokafana ny fitokanana ny sampana Havatsa-Upem Frantsa. Homarihina amina hetsika lehibe io vanim-potoana io, ny 26 avrily izao, ao amin’ny Espace André-Magné, 18 bis, rue du 14 juillet 94 270 Le Kremlin-Bicétre. Hisy ny «Antsan’i Frantsa» ravahina hira. Ny «Antsa nanavà­tsa», faha-18 taona namafazan’i Hajaina ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:17 Apr 19, 2025
    Manomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6, eo anelanelan’Ambondromamy hatrany Ambanja. Anisan’ny asa atao ny any amin’ireo toerana tena ratsy lalana, toy ny any Tsarahasina, Anjiaman­girana ary Marovantaza. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI-CERC, vatsian’ny Banky iraisampirenena vola ny fanatanterahana azy. Tanjona ny hanatsarana ny fifamoivoizana sy fitandroana ny filaminan’ny mpampiasa lalana. […]
  • Fanodinana fako: Hampiasa angovo madio ny 50% ny Malagasy
    Newsmada - 05:17 Apr 19, 2025
    Hitondra vokatsoa amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ny fahaiza-mitantana ny fako. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fanodinana azy ho lasa vokatra azo ampiasaina ny famadihana ny fako ho lasa angovo. Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny fako tetsy amin’ ny Carlton, […]
  • Toamasina: Fianakaviana maro mivelona amin’ny fakana sary sy hosodoko
    Newsmada - 06:05 Apr 18, 2025
    Asa mahavelona fianakaviana maro ao Toamasina ny asa fakana sary sy fanaovana sary hosodoko. Efa ma­nomboka mivelatra amin’ny karazana fihariana hafa iha­ny koa izy ireo, an­kehitriny. Arakara­ka ny fiakarana na fivoaran’ny teknolojia ny antony ma­hatonga azy ireo manao izany, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mpisehatra amin’ny asa fakana sary sy […]
  • Tontolo iainana: Maro ny mpisehatra manodina fako
    Newsmada - 06:03 Apr 18, 2025
    Natao omaly 17 sy anio 18 avrily, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny hetsika miompana amin’ny «Fanodinana ny fako ho lasa vokatra hafa azo ampiasaina indray», andiany faharoa. Am-polony ny tranoheva mandray anjara, ahitana orinasa vaventy, antonony, hatramin’ny madinika indrindra sy vao misondrotra. Nisantatra ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana […]
    Tags: Tontolo
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:03 Apr 18, 2025
    Tombanana any amin’ny 15,93% ny asa vita fanarenana ny lalampirenena RN18 (Vangaindrano-Befotaka). Anisan’izany ny eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK136. Efa nahitana vokatra tsara ny fanamboarana ny ampahany tena ratsy (PK17+500). Namboarina ny lakandrano sy ny «dalot», ifehezana ny fikorinan’ny rano, indrindra ny PK5+500. Mamatsy vola ny asa ny fanjakana […]
  • Fanodinana: Vokatra azo avy amin’ ny volontsangana
    Newsmada - 06:03 Apr 18, 2025
    Maro ny vokatra azo avy amin’ny volontsangana. Anisan’ny orinasa tena madinika misehatra amin’izany ny orinasa Moi Ecolo, natsangan-dRakototiana Santatra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Niorina ny taona 2019, mifototra amin’ny famokarana vokatra avy amin’ny volontsangana. Maro ny vokatra vitan’izy ireo, toy ny kojakoja fanahazan-damba (pinces), sotrobe manokana fandoaran-tsakafo (spatule), boatikely, zavamaneno […]
  • Ravinala Airports: Mandeha ny fanavaozana ny seranan’Ivato
    Newsmada - 06:03 Apr 18, 2025
    Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, mi­ditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ra­vinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro. […]
    Tags: Ivato
  • New York – “Ecosoc 2025” : Tanora 3 manatevina ny delegasiona malagasy
    Newsmada - 06:28 Apr 17, 2025
    Manatrika ny hetsika mahakasika ny fanamafisana ireo zon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny asa, izay karakarain’ny Ecosoc 2025 Youth Forum, tontosaina any New York, i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, manatrika ity fihaonana ity, any an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:28 Apr 17, 2025
    Vita ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ireo orinasa telo lehibe amin’ny sehatry ny angovo. Ao anatin’izany ny New Energy Africa (NEA), ny ANKA, ary ny Camusat, hiarahana amin’ny fanohanana avy amin’ny Institut européen de coopération et de développement (IECD). Talen-tsekoly sy […]
  • Fiofanana momba ny zaitra : Namoaka ny andiany « Felana » ny WMG
    Newsmada - 06:27 Apr 17, 2025
    Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka ireo mpianatra 17 nanaraka ny fiofanana momba ny tontolon’ ny zaitra, eo anivon’ny atelier tantanin’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nampitondraina ny anarana «Felana» ny andiany navoaka. Nanao ny fiofanana fototra ny 11, nanao ny «formation de perfectionnement» ny 4 ary fiofanana ho mpampiofana ny 3 […]
    Tags: Felana
  • “Herinandro nasionaly ho an’ny rano” : Nampahafantarina ny tetikasa fanatsarana ny famokarana
    Newsmada - 06:27 Apr 17, 2025
    Nanomboka omaly, eny amin’ny Kianja Barea, ny “Herinandro nasionaly ho an’ny rano” iarahan’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana sy ny mpiray ombon’antoka. Anisan’ny nampahafantarina ny mpitsidika teny Mahamasina ny tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio (PAAEP. Tetikasa lehibe voalohany vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola amin’ny famatsiana rano madio eto Madagasikara. […]
  • Fampandrosoana : Nanentana ireo Malagasy atsy Seychelles ny MAE
    Newsmada - 06:26 Apr 17, 2025
    Nihaona tamin’ireo Mala­gasy am-pielezana atsy amin’ny Nosy Seychelles ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Ra­sata Rafaravavitafika. Noderai­ny ny firaisankina sy ny fandraisan’andraikitra ireo Mala­gasy am-pielezana miisa 2 000 ao an-toerana. Miasa amin’ny sehatra maro izy ireo. Anisan’ izany ny fizahantany, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanatanjahantena. Eo koa ny sehatry ny […]
  • Tsipy kanetibe – ligin’Analamanga : Tompondaka ny PCT, lehilahy sy ny CPA, vehivavy
    Newsmada - 06:57 Apr 16, 2025
    Tontosa ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja Am­pitatafika, ny fiadiana ny tompondakan’ny  ligin’­Anala­manga­­ taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka ny PCT ho an’ny lehilahy ary ny CPA eo amin’ny vehivavy. Raha ny voka-dalao, resin’ny ekipan’ny PCT, nahitana an’i Mika sy i Cobra ary i […]

2570 items