Newsmada

Found 2195 news

  • Fitsaharan’ny ady lehibe voalohany : notsaroana ireo miaramila malagasy lavo am-perinasa
    Newsmada - 11:16 Nov 13, 2024
    Nanamarika ny fahatsiarovana ny datin’ny 11 novambra 1918 izay nitsaharan’ny ady lehibe voalohany ny fanomezam-boninahitra ireo maherifo teny amin’ny Tsangambato Anjely mainty Anosy, ny alatsinainy 11 novambra 2024 teo. Notononina manokana ny anaran’ireo miaramila malagasy lavo am-perinasa nandritra ny taona 2024, izay nahatratra 17. Nitarika ity fotoam-pahatsiarovana ity ny minisitry […]
  • Ambohidratrimo : fasana efatra vaky, very ny taolam-paty
    Newsmada - 11:15 Nov 13, 2024
    Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ankehitriny. Nitrangana vaky fasana efatra indray tany amin’ny fokontany Antsahamaina, kaominina Antanetibe Mahazaza, distrika’Ambohidratrimo, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ireo razana sy ny taolam-paty am-polony tao amin’ireo fasana. Nahatsikaritra fasana vaky teny an-toerana ny olona sendra nandalo, afakomaly. […]
  • Kaominina Manazary : olona roa maty nilatsahan’ ny havandra
    Newsmada - 11:15 Nov 13, 2024
    Nilatsahan’ny havandra, taraiky tao anaty tatatra ny raim-pianakaviana iray ka maty. Ramatoa iray hafa koa lasibatra. Niara-matin’ny havandra tao amin’ny tanànan’ Antsahamaroloa, fo­kon­­­­ta­ny Beapombo, kaominina Manazary, distrikan’i Mi­arina­rivo, ny alatsinainy 11 novambra teo, ny raim-pianakaviana sy ramatoa iray. Na­norana ny andro tao amin’io kaominina io, ny hariva na­nomboka tamin’ny 6 […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 11:14 Nov 13, 2024
    Roa tapitrisa ireo rantsam-batana artifisialy nozarain’ny BMVSS manerana izao tontolo izao izay nametrahana “Camp” 110. Firenena 40 no efa nahita tombontsoa tamin’ny tetikasa. Antony maro no mety mahatonga ny mpitsabo hanaisotra ny rantsam-batana iray na roa amin’ilay marary. Toy ny areti-mifindra na mikraoba manimba ny taolana na hozatra ka tsy […]
  • « Food Ingredients Europe (FIE) » 2024 : hampiranty ireo vokatra bio i Madagasikara
    Newsmada - 04:56 Nov 09, 2024
    Hilahatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandritra ny hetsika “Food Ingredients Europe (FIE)” atao any Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatry biolojika malagasy. Hisolo tena an’i Madaga­sikara ireo delegasiona sy mpikambana avy amin’ny Sendika malagasy momba ny fambolena biolojika (Symabio). Ahafahantsika mivondrona sy mampiroborobo ny fambolena biolojika eto an-toerana sy […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:55 Nov 09, 2024
    Hiverina ny adin-kiragasy ao amin’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Hifanandrina ny alahady izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny tropin-dRavalomanana Fenoarivo sy ry Fredy kely avy eny Imerintsiatosika. Ny fikambanan’ny mpihiragasy no mikarakara ny hetsika, ary efa natolotra ho ampiasain’izy ireo rahateo ity kianja ity, ka ezahina hitohy isaky ny alahady […]
  • «Maison des vivants- Tranon’ny velona» : hanasongadinana ny taotrano malagasy
    Newsmada - 04:55 Nov 09, 2024
    Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana «Maison des vi­vants-Tranon’ny velona», ha­nehoana ireo karazana taotrano maro samihafa misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hanomezana sehatra sy fanomezam-boninahitra ireo Mpahay taotrano ary hanasongadinana ny fahaiza-ma­naon’izy ireo. Ankoatra ny fampirantiana mahakasika ny trano sy ny taotrano, […]
  • “Reko Tour 2024”: hofaranana eto Antananarivo
    Newsmada - 04:54 Nov 09, 2024
    Taonan’ny fitetezam-paritra ny 2024, ho an’ny Reko Band. Tamin’ny faramparan’ny taon-dasa toy izao no nanambaran’izy ireo ny fandaharam-potoanan’ny “Reko Tour 2024”. Natao indrindra hanamarihana ny faha-5 taonan’ny tarika izy ity, izay azo lazaina fa nizotra tsara avokoa. Araka ny efa voafaritra mialoha, haka endrika seho goavambe ny famaranana, ka fantatra […]
  • L’artisan de Manakara
    Newsmada - 14:59 Nov 08, 2024
    La valeur du métier ne se perd pas aux fils des années
  • Fiahiana ara-tsosialy : “Sambany izao vao tsara tantana ny Cnaps” hoy Rajoelina Andry
    Newsmada - 04:44 Nov 08, 2024
    Miroso mankany amin’ny niomerika ihany koa ny fiahina ara-tsosialy eto Madagasikara ankehitriny. Hitondra voka­tsoa maro izao firosoana any amin’ny niomerika izao ary hanala fahasahiranana ho an’ireo mpisitraka izany. «Sambany vao tsara tantana ny Cnaps ary manana am­bim-bava izy ireo amin’izao», hoy ny filoham-pirenena Ra­joelina Andry. Nivoitra izany nandritra ny lanonana […]
  • Magazay Cosmos Akoor Digue : fihenam-bidy hatramin’ny 75%
    Newsmada - 04:44 Nov 08, 2024
    Nisokatra voalohany omaly maraina, ny sampana tranombarotra Cosmos eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka. Magazay faha-7 eto Antananarivo manampy isa ny 11 any amin’ny faritra. Manome tombontsoa lehibe ho an’ny mpanjifa ny Cosmos Akoor Digue amin’izao fisokafany izao. Fihenam-bidy amin’ny entana maro, hatrany amin’ny 75%, hatramin’ny 10 novambra. Eo koa ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:43 Nov 08, 2024
    Nankatoavin’ny loholona ihany koa ny teti­kasa Fly-over Maki, omaly. Famatsiam-bola mitotaly 31,5 tapitrisa dolara, ka avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana aty Afrika (Badea) ny 28,5 tapitrisa dolara, raha avy amin’ny fanjakana malagasy ny 3 tapitrisa dolara. Efa lany teny amin’ny Antenimieram­pi­re­nena ity volavolan-dalàna ity, ny 5 novambra teo. […]
  • MTA-ONTM: miverina ny fiaraha-miasa amin’ny Corsair
    Newsmada - 04:43 Nov 08, 2024
    Niverina niantoka ny zotra Antananarivo-Paris ny kaompania Corsair, ny jona 2023. Mifameno amin’ny tanjon’ny fanjakana malagasy hampiroboroboana ny fifamoivoizana ana habakabaka ny fisiany, sady hampitomboana ny mpizahatany sy mpandraharaha ihany koa. Natao, omaly, ny fi­fanarahana fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny minisiteran’ ny Fizahantany sy ny asa ta­nana (MTA) sy ny kaompania […]
    Tags: Corsair
  • D’un point à un autre
    Newsmada - 11:18 Nov 07, 2024
    Eau de mer, eau douce. Elles nourrient Manakara
  • Fetin’ny maty ao Morafeno : mampifanindran-dalana ny fomba kristianina sy nentin-drazana
    Newsmada - 04:43 Nov 07, 2024
    Fomba tsy dia fahita sy re matetika ny fa­natsarana ny rafi-piarahamonina ao amin’ny fokontany  Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Maro­mi­tety, distrikan’i Vavatenina. Dimy taona lasa izay, nampifandraisina ny fi­noana kristianina sy nentin-drazana rehefa hankalaza ny fetin’ny maty ary hita fa tsara ho an’ny rafi-piarahamonina ao an-tanàna izany. Tsy misy mifanome tsiny sy […]
    Tags: Morafeno
  • Fiarovana ny fari-dranomasina : hapetraka ireo paikady goavana
    Newsmada - 04:41 Nov 07, 2024
    Hifanakalo antotam-baovao, manomboka anio, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) ary ny Global Fishing Watch amin’ny alalan’ny ny fitsirihana ara-zanabolana ny tontolo an-dranomasina. Hanampy amin’ny fananana ireo jery todika mahakasika ny antontam-baovao nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’izao ity fiaraha-miasa ity. Noho izany, «hahafahana mijery ny zavatra nataona […]
  • Youth Connekt Africa Summit 2024 : mandray anjara amin’ny hetsika i Madagasikara
    Newsmada - 04:41 Nov 07, 2024
    Hotanterahina any Kigali Rwanda, manomboka rahampitso hatramin’ny talata ho avy izao, ny fihaonamben’ny tanora eto Afrika, “Youth Connekt Africa Summit 2024”. Mahatratra 33 ny firenena mandray anjara, anisan’ izany i Madagasikara. Tanjo­na amin’ny hetsika ny hiresahana betsaka kokoa ny hoavin’ ny tanora eto Afrika. Araka ny vaovao voaray, omaly, efa […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:40 Nov 07, 2024
    Hotanterahina eto Madagasikara ny 14 ka hatramin’ny 22 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe indianina, ho an’ny ekipa tompondaka taranja handball (CCCOI 2024). Firenena 8 no handray anjara amin’izany, i Mada­ga­si­ka­ra mpampiantrano, i Maurice, i Seychelles, i Co­mo­res, i Mayottes, i Rodrigues, i Djibouti ary i […]

2195 items