Newsmada

Found 2570 news

  • Rugby – “XXL Top 12” : Amin’ny alahady ny manasa-dalana
    Newsmada - 04:44 Mar 19, 2025
    Efa ela niandrasana ny mpankafy rugby. Tonga ny fotoana hiatrehana ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, “XXL Top 12”. Ho­tanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izany dingana izany. Hangotraka ny fihaonana satria hidona ireo sangany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny TFMA Ankasina […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Mar 19, 2025
    Hotontosaina ny alarobia 26 marsa amin’ny 4 ora hariva, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana “match de Gala pour la Jeunesse», karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hifandona amin’izany ny “All Stars” misy ireo Malagasy mpanao fanatanjahantena kalaza sy ny “Team heros” ahitana ireo andrarezin’ny taranja baolina kitra. Namoaka […]
  • Judo-« Angola Championship » : Nahazo medaly alimo i Laura
    Newsmada - 04:44 Mar 19, 2025
    Niatrika fifaninanana isan-tarika niarahana tamin’ny ekipan’i Angola, ny Malagasy mpanao Judo, Rasoanaivo Lauara, ny 14 hatramin’ny 16 marsa lasa teo, tany Huambo Angola. “Angola National Team Championship” no anaran’ity fifaninanana ity. Azo lazaina ho tsara ny vokatra ho azy sy ny ekipany satria tafiditra laharana fahatelo izy ireo ary nahazo […]
  • Karate-Afrika: Nanomboka omaly ny fampivondronana
    Newsmada - 06:38 Mar 18, 2025
    Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia ny fampivondronana ireo atleta malagasy, hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. 33 mianadahy, mpikatroka mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena farany teo, ireo miatrika fampivondronana ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny Federasionin’ny karate-do […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:38 Mar 18, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Invictador Jiu Jitsu Tournament”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Klioba maro no nandray anjara ka nahazo ny anaram-boninahitra betsaka sy voahosotra ho mendrika indrindra ny Checkmat, manaraka azy ny Southside ary ny fahatelo ny Guerreros. Nahavita ny fiadiana ny tompondakany avy […]
  • Cross-country – Mada 2025: Tompondaka i Soja sy i Marie
    Newsmada - 06:38 Mar 18, 2025
    Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja cross-country. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Senior, vehivavy, i Sendrafefinirina Marie avy amin’ny Cam Itasy. Vitany tao anatin’ny 35 mn 19 s ny halavirana 10 km. Resiny, Ralisinirina Mathe, avy […]
  • Tsipy kanetibe: Lasan’ny ekipan’ny UBM ny vola 2 tapitrisa Ariary
    Newsmada - 06:38 Mar 18, 2025
    Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara. Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitri­man­jaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny […]
  • Tsipy kanetibe : Hanomboka ny 15 marsa izao ny taom-pilalaovana
    Newsmada - 04:40 Mar 11, 2025
    Araka ny tetiandron’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), hanomboka ny sabotsy 15 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025. Homarihina amin’ny alalan’ny fifaninanana ho an’olon-telo miaraka izany. Fihaonana hatao ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao. Tsy toy ny mahazatra fa hampiantrano izany ny kianja vaovao eny Soamandrakizay Androhibe. Mampiavaka […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:40 Mar 11, 2025
    Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1B sy U16. Anisan’ny hifandona amin’izany ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE, eo amin’ ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisan’ny nitondra ny anjara […]
  • Rallye – Mada 2024 : Hatolotra etsy Soarano ny amboara
    Newsmada - 04:39 Mar 11, 2025
    Hotanterahina ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny lanonana fanolorana ireo amboara ho an’ireo mpandresy sy tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taom-pilalaovana 2024 eo amin’ny taranja hazakazaka fiarakodia. Raha tsiahivina, voahosotra teo amin’ny sokajy rallye, Andrianjafy Mathieu, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm. Tompondaka lefitra Ratsimbarisoa Herman, avy amin’ny TMF. Raha ho […]
  • Ekipa nasionaly malagasy: Mpilalao vaovao dimy hantsoina hanatevina ny Barea
    Newsmada - 04:39 Mar 11, 2025
    Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly. Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fo­to­ana izao, mpilalao dimy vaovao no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy, handrafitra […]
    Tags: Barea
  • Fanatsarana an’Antananarivo: Skoto 18 000 hifanolo-tanana amin’ny CUA
    Newsmada - 04:38 Mar 11, 2025
    Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra sy ny fikambanana skoto nasionaly, ny fikambanan’ny Mpanazava, ny Hetsika skoto, ny Tanora advantista ary ireo skoto anarivony maro. Haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’izy ireo. Tanjona ny hampirisihana ny mponin’Antananarivo handray ny andraikiny ho olom-pirenena tomponandraikitra. Manodidina ny 18 000 ireo skoto handray […]
  • Fikambanam-behivavy : Tafajoro ao Mahajanga ny Famedev
    Newsmada - 04:39 Mar 10, 2025
    Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana. Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny […]
  • Antsirabe : Fihaonamben’ny mpandraharaha madinika
    Newsmada - 04:39 Mar 10, 2025
    Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonam­ben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:39 Mar 10, 2025
    Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier natao hanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Manohana ny tetikasa ODD, Pnud, Onudi ary UNCDF. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo minisitera voakasika. Nifampizara lalan-tsaina entin’ny governemanta hampandrosoana ny faritra Boeny ny minisitry ny Toekarena sy ny […]
  • Mahajanga : Hamboarina ny seranan-tsambo
    Newsmada - 04:38 Mar 10, 2025
    Sesilany ny fotodrafitrasa apetraky ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Mahajanga, ny herinandro teo. Tapaka fa hamboarina ny seranan-tsambo ao an-toerana manomboka amin’ity taona ity. Haharitra 10 taona ny fanatanterahana ny asa mba hahafahana mamaly ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tafiditra ao anatin’ny […]
  • Tobim-pamokarana herinaratra 5MW: Hovitaina ao anatin’ny efa-bolana
    Newsmada - 04:38 Mar 10, 2025
    Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa. Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny […]
  • Vehivavy Mpibaiko Alika
    Newsmada - 14:56 Mar 08, 2025

2570 items