Newsmada

Found 2570 news

  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:53 Dec 31, 2024
    Tsy mbola hivoaka amin’ity faran’ny taona ity ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, sokajy “A”. Araka ny angom-baovao, mbola ao anatin’ny fifantenana ireo mahafeno ny fepetra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Tsy mbola voatendry ny tale teknika nasionaly […]
  • Tenisy – Jery todika taona 2024: Nahavariana ny maro ny fialan’i Nadal
    Newsmada - 05:53 Dec 31, 2024
    Nampiavaka ity taona 2024 ity, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fandehanan’ilay espaniola, mpilalao tenisy kalaza maneran-tany, i Raphael Nadal. Nanaitra ny mpanara-baovao ny alin’ny 19 hifoha 20 novambra lasa teo ny fanambarany fa hiala tsy hilalao intsony eo amin’ny sehatra matihanina ny tenany. Resin’ilay teratany hollandais, Botic Van de Zandschulp, […]
  • Tournoi meilleurs contre les meilleurs: Nahitana talenta vao ny andiany voalohany
    Newsmada - 05:52 Dec 31, 2024
    Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ilay tetikasa “Talent Development Scheme” (TDS), taranja baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15, natao tany Antsirabe. Fihaonana nanaovana tomban’ezaka teo amin’ireo ivontoerana telo, Toliara sy Mahajanga ary Antsirabe. Nifarana tany Antsirabe, ny sabotsy 28 desambra lasa teo, ny andiany voalohany tamin’ilay “Tournoi meilleurs contre les […]
    Tags: Tournoi
  • Fanafihana : Tobin-dasantsy voaroba 7 tapitrisa Ar
    Newsmada - 05:51 Dec 31, 2024
    Jiolahy telo lahy mitam-piadiana nanafika tobin-da­santsy ka nandroba vola 7 tapitrisa Ar tao Ambohijafy, Toamasina, manakaiky ny fivoahana amin’ny RN5, ny sabotsy 28 desambra teo. Tsy nisy nisaron-tava, nigadona teo amin’io toeram-pitsinjarana solika io, ireo tsy valahara ny harivan’io andro io. Na­moaka avy hatrany ny basy teny aminy sy ny […]
  • Hiaraka hitady asa : Tambajotrana haitaky hanampiana ny tanora
    Newsmada - 06:36 Dec 30, 2024
    Nijoro ny tambajotra “Hia­raka hitady asa”, hivondrona hanampy ny tanora mitovy aminy hikaroka asa. Mano­hana ny hetsika ny Observa­toire de la jeunesse eto amin­tsika satria mitovy ny tanjona: samy hanao tantsoroka ho an’ny tanora. Hatambatra ny hery hanamora ny fitadiavana asa sy hampahafantatra ireo orinasa maro fa betsaka ny tanora […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:36 Dec 30, 2024
    Nanokana fandaharanasa hanomezana vatsim-pianarana roa ho an’ny mpianatra manaraka ny fianarana teny sy kolontsaina japoney ny fanjakana japoney. Tafiditra ao koa ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Hifarana ny 14 febroary 2025 ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana, eny Ivandry. Natao tany amin’ny tanànan’i Osaka-Japon ny fivoriana maneran-tany momba […]
  • Toetry ny andro : Hanorana eto afo­voantany, rahampitso
    Newsmada - 06:35 Dec 30, 2024
    Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no han­drafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka. Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Me­nabe, Melaky, Boeny, Sofia ary […]
  • Conim – Paramédicaux : Mangataka ny hampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana
    Newsmada - 06:35 Dec 30, 2024
    Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana. Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba […]
    Tags: Conim
  • Tsipy kanetibe : Hiatrika fihaonana iraisam- pirenena 4
    Newsmada - 06:34 Dec 30, 2024
    Feno ny fandaharam-potoan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taona 2025. Maro ny fihaonana iraisam-pirenena tsy maintsy hatrehina, anisan’ izany ireo fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Mi­avaka ny amin’ity satria voakasik’izany avokoa ireo sokajy rehetra. Miisa 4 izany ka eo aloha ny an’ny olon-telo miaraka, vehivavy, tanterahina any Douai France, […]
  • Infirmier Mobile
    Newsmada - 15:00 Dec 28, 2024
  • Volley-Analamanga : Hosokafana anio ny taom-pikatrohana 2025
    Newsmada - 05:19 Dec 28, 2024
    Tsy niandry ela fa avy hatrany dia hanomboka ny taom-pikatrohana 2025, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Anio no hanokatra izany amin’ny fom­ba ofisialy, eny amin’ny Kianja Itaosy izy ireo, ka hisy ny fifaninanana karakaraina. Hiava­ka kely ity fifaninanana ity satria lalao ho an’olon-tokana hanaovana ny “Concours de précision” no […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:18 Dec 28, 2024
    Mitarika, amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja rugby, vehivavy, sokajy D1 ny SCB Besarety. Taorian’ny andro faha-10 natao ny alahady 22 desambra teo, teny amin’ny Kianja Makis, tsy mbola resy mihitsy ry zareo. Nahazo isa 50 ary nahavita «essai» 95. Faharoa ny FTFA, manana isa 35, arahin’ny RCTS amin’ny isa 28. […]
  • Atletisma: Fihaonana iraisam-pirenena 3 ny tanjona
    Newsmada - 05:18 Dec 28, 2024
    Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, 3 no ezahina hotanterahina ka anisan’izany ny fiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany «sur piste », ho an’ny sokajy Sénior, lahy sy vavy, tanterahina any Tokyo Japon, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hanatontosana azy. Eo koa ny […]
  • Baolina kitra – Barea de Madagascar : 90 mn hakana tapakila hiatrehana ny «Chan 2025»
    Newsmada - 05:18 Dec 28, 2024
    Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Eswatini avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny «Chan 2025 », eo amin’ny roa tonta. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Côte d’Or ao Maurice, ny lalao miverina […]
  • Fitantanana loza: Mpiray ombon’antoka ny sehatra tsy miankina
    Newsmada - 06:19 Dec 27, 2024
    Sehatrasa tsy manavaka ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka mitady vahaolana manakaiky ny tena ma­homby ny BNGRC. Mampandray anjara ireo sehatra mbola misalasala ary manentana ireo marisarisa ao anatin’izany tontolo manodidina izany koa. Ny Antontan-kevitra mirakitra ny fifanarahana iraisam-pirenena andraisana ny azo tahafina mahakasika ny fampihenana ny tandindon-doza […]
  • Focus Development Association : Mamaha olana amin’ny fanoratana ny zaza
    Newsmada - 06:19 Dec 27, 2024
    Ambany ny tahan’ny fanoratana ny zaza teraka eto Madagasikara, satria mahatratra 74% (araka ny fanadihadiana Ensmond 2021), ka mahatonga ny mpiray ombon’antoka amin’ny Focus Development Association (FDA) nanao hetsika amin’ny fanoratana zaza. Iray amin’izany ny Haut commissariat des Nations unies pour les réfugiés (UNHCR). « Mampitombo ny ambana hi­tarika amin’ny tsy […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:19 Dec 27, 2024
    Loza mitatao ho an’ny firenena malagasy ny tohitra ataon’ny otrikaretina amin’ny fanafody natao hiarovana amin’izany. Niara-nanatanteraka ny fankalazana voalohany ny Herinandro natokana ho an’ny ady amin’ny tohitra ataon’ny otrikaretina ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka sy ireo minisitera enina hafa : Tontolo iainana, Fambolena, Rano, Fahadiovana sy Fidiovana… Toeka­rena Manga, Tanora sy ny […]
  • Avy amin’ny sampam-piofanana teknika: Malagasy mpianatra 18 nahazo vatsim-pianarana ho any Maroka
    Newsmada - 06:18 Dec 27, 2024
    Nanomboka ny taona 2018 ny fandefasana Malagasy mpianatra isan-taona any Maroka. 20 isaky ny andiany no misitraka ny vatsim-pianarana ary efa hiverina izao ireo nahavita fiofanana teo aloha. Notsofina rano teny Ampefiloha, omaly, ny andiany vaovao. Malagasy mpianatra 18 mianadahy nahazo ny maripahaizana bakalorea teknika ny taona 2023 (enina tovovavy […]

2570 items