Newsmada

Found 2570 news

  • Manitriniaina Steve Princy: “Maro karazana ireo kiraro filalaovana baolina kitra ankehitriny”
    Newsmada - 07:13 Jan 10, 2025
    Tsy mitsahatra ny mivoatra ny taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Manana ny fitaovana mampiavaka azy anefa ny sehatra tsirairay amin’izany. Anisan’izany ny kiraro na “godasse”. Maro amin’ireo mpankafy sy mpilalao baolina kitra, eto an-toerana, no mbola tsy mahafantatra ireo karazana kiraro “godasse”, amin’izao fotoana izao. Manazava ny resaka mahakasika […]
    Tags: Maro
  • Ady tany: lehilahy iray namoy ny ainy, efatra naratra
    Newsmada - 07:09 Jan 10, 2025
    Lehilahy maty vokatry ny fi­fampikasihan-tanana nateraky ny ady tany ary efatra naratra tao Kianjamiarina, kaominina Tsinjoarivo, afakomaly. Fi­ana­kaviana roa samihafa ity nitrangana fifanolanana mom­ba ny lova ity. Nanomboka ta­min’ny taona 2022 izy ireo no nifanditra teny anivon’ny fitsarana. Na­hazo rariny ny andaniny sain­gy tsy nanaiky ka na­nen­jana ny ankilany. Nifandri­horiho […]
  • Noho ny aretina nitaiza azy: lehilahy hita faty nihantona tamin’ny tady
    Newsmada - 07:08 Jan 10, 2025
    Lehilahy iray hita faty nihantona tao an-tranony, ao Andavadopy, fokontany Ambohipanasina, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrika Ambohidratrimo, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ambo­hipanasina ny le­hiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria momba ny fisian’ity fatin’olona mihantona amin’ny tady ity. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy […]
  • Sombim-baovao
    Newsmada - 07:03 Jan 10, 2025
    Manana hetsika lehibe iray, amin’ity taona 2025 ity, ny taranja bisikileta. Hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny federasiona, ny volana ao­gositra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny mpilalao hanao izany. Araka ny fikarohana natao, hiverina hanao fanazarantena ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, […]
  • Ambositra: velaran-tany 10 ha ravan’ny afo
    Newsmada - 07:21 Jan 09, 2025
    Nisehoana doro tanety tao Ampitsatohana, Andriantsihy, Analambehivavy sy Antani­mihetry fokontany Andrano­vory, kaominina ambani­vohitr’Ambositra II, afakomaly maraina. Nidina haingana teny an-toerana namono ny afo nanampy ny fokonolona ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Ambositra niaraka tamin’ny ekipan’ny Sampan­draharaham-paritra misahana ny tontolo iainana. Tomba­nana ho 10 ha ny velaran-tany may, nahitana kininina, […]
  • Nandritra ny fisafoana: tovolahy iray maty voatifitry ny polisy
    Newsmada - 07:20 Jan 09, 2025
    Nirefotra indray ny basy tao Tanambao Verrerie Amparangodorao Parisela 21/71, ny talata alina teo. Tsy lavitry ny toeram-pitsaboana iray no nitrangan’izany. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny polisy, tovolahy iray voalaza fa jiolahy saika hamaky trano ity maty voatifitra ity. Nikasa handositra izy ka voatery tsy maintsy nitifitra ny polisy. […]
  • Sombim-baovao
    Newsmada - 07:16 Jan 09, 2025
    Fantatra ny firafitr’ireo ekipa malagasy roa hiatrika ny Passion Pétanque Française (PPF 2025). Hia­raka ry Tselonina sy Racle ary Nanou. Hitambatra iray kosa i Baloty sy i Tianakely ary i Zigle. Fifaninanana izay hatao ao Aix-en-Provence France ny 15 sy 16 febroary ho avy izao. Ho fanomanan’ny Barea ny «Chan […]
  • Chan 2025: nakarin’ny Caf ny volan’ny mpandresy
    Newsmada - 07:14 Jan 09, 2025
    Miavaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina ho an’ny ekipam-pirenena “Chan 2025”, amin’ity. Nam­pitomboin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf) hatrany amin’ny 75% ny lelavola ho azon’ny ekipa tompon­daka, ka hitontaly 10, 4 tapitrisa dolara ny “prize money”, ho an’ity andiany ity. Hahazo 3, 5 tapitrisa dolara ny ekipa […]
    Tags: Chan
  • Sombim-baovao
    Newsmada - 07:10 Jan 08, 2025
    Araka ny fikarohana natao, hampiantrano ny fifaninanana volley-ball ho an’ny klioba aty amin’ny faritra fahafito, ny nosy rahavavy Maurice. Tsiahivina fa ity no andiany faha-29 amin’ity fifanintsanana ity, ary anisan’ireo hifanintsana amin-dry zareo mpampiantrano i Madagasikara, Comores, Mayottes, La Réunion ary i Seychelles. Nifindra klioba ao amin’ny JS St Pierroise […]
  • Lalaon’ny Tany miteny frantsay 2027: hampiantrano ny fihaonana i Armenie
    Newsmada - 07:09 Jan 08, 2025
    Efa ofisialy! Hatao any Erevan, renivohitr’i Armenie ny lalao ho an’ireo tany miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay (Jeux de la francophonie), ny taona 2027. Nambaran’ny komity iraisam-pirenena ny lalao fa hotanterahina ny 23 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra izany. Efa nisy ny fitsiriana nataon’ireo manampahaizana amin’ny fanatanjahantena ireo […]
    Tags: Armenie
  • Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: manana ekipa roa i Madagasikara
    Newsmada - 07:08 Jan 08, 2025
    Hotanterahina ao amin’ny Complexe sportif Val de l’Arc ao Aix en Provence France, ny 15 sy 16 febroary ho avy izao, ny famaranana lehibe amin’ny Passion Petanque Française (PPF 2025), taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana olon-telo miaraka, lehilahy. Manana solontena roa i Ma­da­­gasikara amin’ity. Tsy toy ny mahazatra, ny firenena no […]
  • Barea Chan: tazana nanao fanazarantena i Drogba sy ireo mpilalao taloha
    Newsmada - 07:06 Jan 08, 2025
    Roa taona aty aoriana! Tafaverina anatin’ireo mpilalao hotsongaina handrafitra ny ekipa nasionaly Barea, hiatrika ny “Chan 2024”, i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba. Niakatra ho 35 ireo mpilalao hanaovana fitsapana amin’izany. Notontosaina nanomboka omaly, tetsy Maha­masina, ny fampivondronana voalohany tamin’ity taona vaovao ity, ho an’ny ekipam-pirenena malagasy tsy misy mpilaravinahitra, […]
    Tags: Drogba
  • Tsimbazaza: tratra ilay nandroba toeram-pisakafoana
    Newsmada - 08:12 Jan 07, 2025
    Voasambotry ny polisim-pirenena ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana toeram-pisakafoana iray tao Tsimbazaza, ny 2 janoary teo. Novakian’io olon-dratsy io ny efitrano nisy ny entana sarobidy, toy ny fatana mandeha amin’ny entona fandrehitra, miampy fitaovana fampiasa an-dakozia lafo vidy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny tompon’ny toerana lasibatra satria matiantoka tanteraka […]
  • Mgr Randriamamonjy Marcellin: voatendry ho evekan’ny diosezin’i Farafangana
    Newsmada - 08:11 Jan 07, 2025
    Tafapetraka tamin’ny fom­ba ofisialy ny alahady lasa teo ny eveka, ny Mgr Randriamamonjy Mar­cellin. Voatendrin’ny papa ray masina hiasa sy hitantana ny diosezin’i Farafangana, raha toa ka niasa teo anivon’ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, teo aloha. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tany an-toerana, izy, nandritra izany. Fotoana nanatanterahany ny […]
  • Newsmada - 08:06 Jan 07, 2025
    Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]
  • Taekwondo WT: hatao any Vakinankaratra ny fifaninanana nasionaly
    Newsmada - 08:04 Jan 07, 2025
    Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]
  • Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka
    Newsmada - 08:02 Jan 07, 2025
    Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafan­tatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia […]
    Tags: Chan
  • Taolagnaro: nirehitra ny valan-javaboahary Andranara
    Newsmada - 07:52 Jan 06, 2025
    Nitrangana firehetana tao amin’ny valan-javaboahary Andranara Ambinanibe, Taola­gnaro, ny sabotsy tolakandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, ny ampahany manamorona ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro sy ny ampahany ao Antany Menabe no nirehitra tamin’io fotoana io. Nanamafy izany rahateo koa ny minisitra iray eo anivon’ny governemanta tompon’ny ampahany nirehitra […]

2570 items