Newsmada

Found 2570 news

  • Farafangana: mpanapa-doha telo lahy notanana am-ponja
    Newsmada - 07:51 Jan 06, 2025
    Niakatra fitsarana ny 3 janoary teo, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanapahan-doha tao Farafangana. Dahalo telo lahy, nisandoka ho jama tao amin’ny tanànan’Anam­ba­kaka Iabohazo, distrikan’i Fara­fangana, ny 18 desambra 2024 lasa teo. Nalain’izy ireo an-keriny, tamin’izany, ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dao. Notapahin’ireo tsy valahara […]
  • Taratry ny kanto
    Newsmada - 07:49 Jan 06, 2025
    “Sandra-kalo, Zara fanahy” hetsika tanterahin’ ny avy eo anivon’ny Faribolana Sandratra ho fankalazana ny famaranana ny faha-35 taona nijoroany. Eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny zoma 10 janoary, no hanatanterahina ny hetsika. Aorian’izay, hitohy hatrany ireo hetsika samihafa nahafantarana ity faribolana ity. Hisy ny atrikasa mahakasika ny sokajina hatsikana Stand Up […]
  • Musée de la Photographie: mandravaka ny toerana ny momban-dRamilijaona
    Newsmada - 07:46 Jan 06, 2025
    Anisan’ireo hetsika hita eny amn’ny Musée de la Photographie Anjohy ny fampirantiana ny sanganasa sy ny momban-dRamilijaona. Izy izay sokajian’ny rehetra ho Rain’ny Sary pika malagasy. Fampirantiana izay nanomboka ny volana desambra 2024 hatramin’izao. Tanjona ny hampahafantra ny taranaka aty aoriana ny olona nanana ny naha izy azy fahiny. Tamin’ny […]
  • “Prix Paritana” andiany fahasivy: efa nisokatra ny fandraisana anjara
    Newsmada - 07:45 Jan 06, 2025
    Misokatra ny 3 janoary hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny tetikasan’ireo mpanakanto maniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahasivy. Eo anivon’ny tranokalan’ny Fondation H no ahafahana manao izany fisoratana anarana izany. Mala­gasy mpanakanto na mpanakanto monina eto Mada­gasikara no afaka mandray anjara amin’izany. Tohana amin’ny lafiny […]
  • Ao anatin’ny telo andro ho avy : Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny
    Newsmada - 05:04 Jan 04, 2025
    Mbola hitohy hatrany ny orana tandrifin-drahona ho an’ny faritra afovoany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy, manomboka androany hatramin’ny alatsinainy ho avy izao, raha ny fampahafantarana navoakan’ny foibe famantarana ny toetr’andro. Ho maina kosa ny any amin’ny faritra ambiny re­hetra, raha ny vinan’izy ireo hatrany. Ho an’ny toetr’andro, anio manokana, hisy […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:04 Jan 04, 2025
    Hitondra atrikasa mahakasika ny fanaovana petakofehy eny amin’ny Fondation H Ambatomena i Carine Ratovonarivo, anio. Ho hita mandritra izany avokoa ny antsipiriany amin’ny fanaovana petakofehy, miantomboka amin’ny fifidianana kofehy ka miafara any amin’ ny fanaingoana ny asa vita. Ilay atao fitaratra mihitsy no tsy hita. Endriky ny kolontsaina ankehitriny io? […]
  • «Le Meilleur Patissier» : Tafita amin’ny famaranana Razafinimanana Tsiory
    Newsmada - 05:03 Jan 04, 2025
    Tontosa ny alakamisy teo, tany Frantsa, ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fifaninanana “Le Meilleur Patis­sier”. Tafakatra amin’ny din­gan’ny famaranana i Tsiory Razafinimanana. Ny Televi­ziona M26 ao Frantsa no nikarakara ny fifaninanana izay efa miditra eo amin’ny andiany faha-13. Haify sy nahandro no tsaraina sy hasongadina ao anatin’izany. Ankoatra ny fitrandrahana ireo […]
  • Tsanganafo: Efa nivoaka ny laharana faha-11
    Newsmada - 05:03 Jan 04, 2025
    Azon’ny rehetra jifaina nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary ny Tsanganafo, laharana faha-11. Revio niomerika ahitana lahatsoratra maro samihafa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panao malagasy, teny, literatiora, ireo karazana kabary. Hita ao anatin’ny koa ny momba ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny zavakanto. Tomponandraikitra amin’ny famolavolana sy fanatontosana […]
  • Famoahana boky : Ho maro saingy anatin’ny tsy fanarahana lamina
    Newsmada - 05:03 Jan 04, 2025
    Manomboka mampahafantatra ny vina 2025 ny mpanakanto. Anisan’ny misongadina amin’izany ny famoahana boky sy ny sanganasan’izy ireo. Tsy ny mpanoratra ihany fa saika ahitana an’io avokoa ny kanto ankapobeny. Hamoaka boky izahay! Io ny ankamaroan’ny vina na dingana hotantera­hin’ny tontolon’ny kolontsaina amin’ity taona 2025 ity. Ireo mpanoratra hamoaka ny sanganasany […]
  • Raharaha 60 tapitrisa Ariary: Ramatoa iray niakatra fampanoavana
    Newsmada - 06:19 Jan 03, 2025
    Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny renim-pianakaviana misahana ny fandoavam-bolan’ny hopitaly iray ao Toamasina. Niaraka tamin’ireo vavolombelona roa samihafa miasa ao an-toerana. Raha tsiahivina, nisy jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao anivon’ny hopitaly Be Toamasina. Intelo niditra varavarana izy ireo vao tonga tany amin’ny caisse. Nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo tao […]
  • Depiote “Del kely”: “Mila vola sy maka ny fon’ireo mahantra isika”
    Newsmada - 06:18 Jan 03, 2025
    Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fiarahabana ny fianakaviana Ravalomanana teny Faravohitra, omaly, ny depiote “Del kely”. Nambarany tamin’izany ny paikady fisokafana. “Tsy hijanona ato anatiny eo amin’ny samy Tim intsony isika manomboka izao fa andao resena lahatra ireo mahantra sy ireo sahirana ary ireo tsy miraika amin’ny politika hanampy antsika hanao ny […]
  • 10 taona ny Oniversiten’Itasy: 20 ny lalam-piofanana amin’ny sekoly ambony
    Newsmada - 06:17 Jan 03, 2025
    10 taona niorenana ny Oniversite any Itasy, natao ho fanitarana ny Oniversite eto Antananarivo, handray ireo mpianatra monina anatin’ny faritra sy ny manodidina. 20 amin’izao fotoana izao ny lalam-piofanana (parcours) azon’ny mpianatra hisafidianana amin’ny ivontoeram-pampianarana dimy misy ao an-toerana. Ecole supérieure de l’ingénierie, Ecole supérieure de l’économie, de droits et […]
    Tags: Itasy
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 06:16 Jan 03, 2025
    Miantso ny infirmier rehetra ny filohan’ny Conseil de l’ordre national des infirmiers de Madagascar (Conim) hisoratra anarana anatin’ny holafitra satria tsy maintsy atao izany. Matetika efa manana olana ireo infirmier vao mihazakazaka mangataka ny fanampian’ny holafitra. Ahitana orana tandrifin-drahona hatrany any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka […]
  • Famaranana ny taona : Tratra ny tanjona napetraka ho an’ny mpikarakara
    Newsmada - 06:27 Jan 02, 2025
    Anisan’ny fety manan-danja ho an’ny sarambabem-bahoaka ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao. Nahafa-po ny hetsika ho an’ny teny anivon’ny trano filanonana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Maro ny fikarakarana fety faran’ny taona teny anivon’ny trano filanonana ho an’ny teto Antananarivo. Anisan’ny nahitana izany ny tetsy anivon’ny Pk […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 06:26 Jan 02, 2025
    Boky Ako anaty, mitantara ny fahasahiranana iainan’ny mpianatra. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo. Ahitana tononkalo 69, nosoratan’i Ilo Sederamanana. Nahitana tantara iray, miresaka ny fiainana ankapobeny iainan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite ihany koa ao anatiny. manoloana ny fahasahiranana atrehin’izy ireo, noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny zava-tsarotra lalovan’ny […]
  • Ligy atletisma Ihorombe : Nahazo «quitus» 100 isan-jato ny mpitantana
    Newsmada - 06:26 Jan 02, 2025
    Notanterahina tao amin’ny EPP Ihosy, ny sabotsy 28 de­sambra lasa teo, ny fivoriambe ara-potoanan’ny ligy atletisma Ihorombe. Niatrika izany ireo klioba 6 amin’ireo 8 ao anatin’ny seksiona Ihorombe. Nanatrika ny fotoana ny tale mpisolo toerana ao amin’ny DRJS Ihorombe, Tsilihy Rahe­ri­velo David, sy,Andriamirija Yannick, tomponandraiki-paritry ny fanatanjahantena an-tsekoly. Taorian’ny tatitra […]
    Tags: Ihorombe
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:26 Jan 02, 2025
    Notolorana “certificat de participation” avokoa ireo mpitsara lalao nandritra ny fifaninanana “Agnambahy mifety” notanterahina tany Farafangana. Fifaninanana nifarana ny 29 desambra teo, nahitana taranja maro, toy ny basikety, baolina kitra ary beach-volley. Ankoatra ny fifaninanam-pirenena efa fanao isan-taona, hikarakara “Coupe internationale de Madagas­car” ny Federasionin’ny Karate-do malagasy amin’ity taona 2025 […]
  • Chan 2025: Ao amin’ny satroka faharoa ny Barea
    Newsmada - 06:25 Jan 02, 2025
    Efa fantatra avokoa ireo firenena 18 tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Chan 2025”. Fifaninanana natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina sy tsy misy mpilaravinahitra. Mandra-piandry ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona, efa navoakan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany, ny alatsinainy lasa teo, ireo […]
    Tags: Chan
  • Taranja judo: Namarana ny maha sokajy Junior azy i Laura
    Newsmada - 05:53 Dec 31, 2024
    Niavaka ity taona 2024 ity ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpiangaly ny taranja Judo. Namarana ny maha sokajy Junior (U21) azy izy tamin’ity ary tena nanoratra tantara teo amin’io sokajy io teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 3 taona izay no nanaovany Judo teo amin’ny sokajy Junior ary nitanany ny laharana voalohany […]

2570 items