Newsmada

Found 2760 news

  • « Woco Urban Vibes »: Ambohipihaonan’ny tanora
    Newsmada - 04:47 Apr 04, 2025
    Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady. Nahitam-pahombiazana ka hiakatra lenta kokoa ilay hetsika « Woco Urban Vibes ». Hotontosaina ny sabotsy 5 avrily izao, ma­nomboka amin’ny 1 ora ity seho ity, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ambohi­pihaonan’ny tanora, satria tanora avokoa na ny mpanakanto na ny mpankafy raha tarafina amin’ireo […]
  • «Taombaovao ara-pivavahana » : Nankalaza ny « Rosh hashanah » ny Hebreo notsrym
    Newsmada - 04:47 Apr 04, 2025
    Volana « habib » midika ho « salohim-bary » ny fankalazana ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy mba hananana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa no tazana mandritra ny fankalazana ny « Rosh hashanah ». «Rosh hashanah» na ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fo­toana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao […]
  • «Madagascar Film Festival » : Nampivondrona ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika
    Newsmada - 04:46 Apr 04, 2025
    Hetsika namaky lay. Namelona indray ny firaisankina sy ny fanantenana mankany amin’ny hoavy mamiratra, teo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sarimihetsika ilay hetsika “ISSM Awards – Madagascar film festival”. Jery todika. “Tratra ny tanjona, saingy maro ireo lesoka mila harenina”. Nahi­tsy sady nazava ny fehiny, avy amin’ny talen’ny Ivon’ny sarimihetsika sy […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:46 Apr 04, 2025
    Miverina mitontonga indray ny vola malagasy. Mielanelana 346,44Ar ny sandan’ny Euro sy ny dolara eo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 4 980 Ar ny euro iray, mihoatra ny 4 600Ar kosa ny 1 dolara. Porofo izao fa ambony lavitra ny vokatra hafarantsika raha oharina amin’ireo miondrana. Handray anjara amin’ny hetsika World Travel […]
  • Baolina kitra : Vonona hizara ny traikefany i Malabary
    Newsmada - 04:51 Apr 03, 2025
    Nanambara i Hervé Arsène Malabary, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra monina any Frantsa, ny alarobia 26 marsa lasa teo, nandritra ilay “Match de gala” natao tetsy Maha-masina, fa vonona ny tenany hizara ny traikefany hampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara. Raha tsiahi­vina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny AC Sotena Maha­janga i […]
    Tags: Malabary
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:50 Apr 03, 2025
    Hotontosaina any Vatomandry, ny 18 hatra­min’ ny 21 avrily ho avy izao, ny hetsika « Dola Beach », izay karakarain’ny orinasa Yas Madagasikara. Hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro any an-toerana. Ao anatin’izany ny rugby beach, ny beach soccer, ny taranja tolona. Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, any Espagne, […]
  • Handball – Mada Jeunes 2025: Hahemotra amin’ny fialantsasatra lehibe
    Newsmada - 04:50 Apr 03, 2025
    Nambaran’ny Federasionina malagasin’ny handball, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, fa hahemotra amin’ ny fialantsasatra lehibe ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Tsy nanambara ny anton’ity fanemorana ity izy ireo. Raha tsiahivina, tokony hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 27 avrily ho avy izao izany ary ny ligin’i Bongolava no voatondro hampiantrano azy. […]
  • Manampahaizan’ny Caf : Hitsirika ny bozaka etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina
    Newsmada - 04:50 Apr 03, 2025
    Nigadona teny Ivato, afakomaly alina, ny manampahaizana amin’ny resaka bozaka, avy amin’ny Caf. Nafaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, manokana. Hiala nenina! Tsy kivy mi­tady vahaolana ho an’ ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMF, […]
  • Randriambao Edmond : Voahitsakitsaka ny soatoavina malagasy
    Newsmada - 04:49 Apr 03, 2025
    “Very tanteraka ny hasina sy soatoavina eo amin’ny samy Malagasy ankehitriny”, hoy Randriambao Edmond, mpiasan’ny Fahasalamana efa misotro ronono. Mananika ny faha-90 taona izy ankehitriny. Tsy misy intsony ny fifampitsinjovana sy fandalinana ny maha iray tampo amin’izao fotoana, raha ny fanazavany. «Mifanary velon’aina, eny misy hatramin’ny tsy mifandevi-maty isika noho […]
  • Fitandroana ny afo tsy maty : Endriky ny fahavelomana, hazavana ary hasambarana ho an’ny mpianakavy
    Newsmada - 04:48 Apr 02, 2025
    Zava-dehibe sy manana ny hasiny manokana ho an’ny vahoaka malagasy ny fitahirizana ny afo tsy maty. Nozaraina tamin’ny vahoaka izy io ny harivan’ny sabotsy faran’ny taona lasa teo. Notehirizina am-pitandremana mba tsy ho faty eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy izy io nandritra ny alina tontolo, mandra-piposahan’ny masoandro, ny ma­rain’ny taombaovao, […]
  • MVola-GMW : Fanabeazana ara-bola ho an’ny tanora sy ny ankizy
    Newsmada - 04:47 Apr 02, 2025
    Nokendren’ny orinasa MVola manokana ny tanora sy ny ankizy mahakasika ny fanabeazana ara-bola, nandritra ny hetsika Herinandron’ny vola na « Global Money Week » (GMW), natao ny 18 hatramin’ny 23 marsa teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa ny fikambanana Maison des Enfants Vasakosy sy ny mpianatry ny EPP Sabotsy Namehana. Nampi­anarina tamin’ny […]
  • AMFI sy GEPIMM :Dimy mianadahy nisitraka fiofanana
    Newsmada - 04:46 Apr 02, 2025
    Nifarana ny zoma 28 marsa teo ny fanofanana Tonian-dahatsoratra andiany faharoa nokarakarain’ny « Actions médias francophone internationale » na AMFI, sy ny « Groupement des éditeurs de la presse d’information multimédia de Madagas­car » (Gepimm) tetsy Antani­mena. Notarihin’i Thierry Olivier. Niompana manokana tamin’ny fandalinana ny asan’ ny tonian-dahatsoratra eo amin’ny […]
    Tags: AMFI
  • Fondation Hiroshi Uchida: Mpianatra miisa dimy nahazo vatsim-pianarana
    Newsmada - 04:46 Apr 02, 2025
    Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana […]
  • 67 City FC sy ny mpanohana : Mitohy ny fiaraha-miasa
    Newsmada - 04:46 Apr 01, 2025
    Nohavaozina herintaona indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny 67 City FC sy ireo mpanohana azy, dia ny Havana Resort sy ny Nouvelle institution de microfinance (NIM Madagascar). Notante­rahina ny alakamisy lasa teo, tetsy Ambohidahy, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny telo tonta. Nanatanteraka izany, Andriantsima Faneva Ima, filohan’ny 67 City FC sy Harizaka […]
    Tags: City
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Apr 01, 2025
    Any amin’ny ligin’Atsinanana indray no hanohy ny fampivondronana ho an’ny taranja karate do, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Mikasa handefa atleta 20 ny federasionina kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business […]
  • FMF : Nahazo «quitus» 100% ny mpitantana
    Newsmada - 04:46 Apr 01, 2025
    Notanterahina tany Ampefy, ny alakamisy lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nomen’ireo ligim-paritra 22 fankatoavana “quitus” zato isan-jato ny mpitantana eo anivon’ity rantsa-mangaika mitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Nahafa-po azy ireo ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra […]
  • Tsipy kanetibe – Test events : Nahazo medaly volamena roa i Madagasikara
    Newsmada - 04:45 Apr 01, 2025
    Nanakoako tany Chine indray ny lazan’i Madagasikara, nandritra ny “test events” ao anatin’ny “World Games 2025”, taranja tsipy kanetibe. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny medaly volamena roa teo amin’ny “tir de precision”, lahy sy vavy. Mbola noporofoin’ny Malagasy teo imason’izao tontolo izao indray fa taranja voafehiny ny tsipy kanetibe. Norombahin-dRamamonjisoa Mirana, […]
  • Fihaonana an-tampon’ny COI : Hamafisina ny fanadiovana ny tanàna
    Newsmada - 04:44 Apr 01, 2025
    Andro isaina sisa: 23 andro, ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony faha-V eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), izay hatao eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny 24 avrily ho avy izao. Mba handrindrana ny hetsika ilaina amin’ny fahombiazan’izany, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ben’ny Tanànan’ny […]

2760 items