Newsmada

Found 2760 news

  • Fahavitan-tena ara-tsakafo : Haverina any Ambohibary ny Vohitry ny vary
    Newsmada - 06:34 Apr 09, 2025
    Mifototra amin’ny fambolena ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Ambohi­bary, distrika Manjakandriana. Ankoatra ny vary, mamokatra ovy sy legioma hafa ihany koa ny tantsaha. Nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahaefa Tahian’Ny Avo, omaly, ny ben’ ny Tanàna voafidy tany an-toerana, ny Dr Ratsimanetri­manana Fenosoa, lany tamin’ […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:34 Apr 09, 2025
    Vinavinaina ho vita afaka 10 andro ny fivi­lian-dalana eo amin’ny reniranon’i Efasy. Tsy afaka ampiasaina kosa ny fiampitana «bac» any Mahavavy satria ambany loatra ny haavon’ny rano. Tsy afaka niampita, noho izany, ny olona sy ny fiara. Afaka 15 andro no heverina fa ho vitan’ny orinasa Colas ny fanamboarana ny […]
  • Madagascar Airlines : Saran-dalana manokana ho an’ny paka
    Newsmada - 06:34 Apr 09, 2025
    Nitondra fanazavana mahakasika ny saran’ny tapakila manoloana ny filazana fa lafo ny saran’ny sidina ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Misy ny saran-dalana ho an’ny «classe affaires» izay mandrakotra zotra efatra amin’ny famandrihana natao amin’ny fotoana be mpivezivezy, indrindra ny herinandro manodidina ny paka. Misy koa, hoy izy ireo, tapakila mora […]
  • Randrianarivelo Hery Mamy Holin : Nataony ho fitadiavam-bola ny talentany
    Newsmada - 06:00 Apr 08, 2025
    Asa iray hita eto Madagasikara sady betsaka mpanao ny fanetezam-bolo. Misy ireo nianatra izany fa eo koa ireo efa nahafehy izany tsy nisy fiofanana natao, anisan’izany Randrianarivelo Hery Mamy Holin, mpanety iray etsy Ambohijatovo. Anisan’ireo mpanety volo etsy Ambohijatovo, manana ny traikefany, Randrianarivelo Hery Mamy Holin, lehilahy iray 55 taona. […]
  • Haitao ara-kajy mirindra : Voaofana ny vehivavy ao Fitovavy
    Newsmada - 05:59 Apr 08, 2025
    23 mirahavavy ireo nahavita fiofanana mahakasika ny haitao ara-kajy mirindra tao Manakara, faritra Fitovinany, ka notolorana mari-pankasitrahana sahaza izany. Tonga tany ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, nisaotra ireo vehivavy manana fikirizana amin’ny fianarana ny fikirakirana izany haitao ara-kajy mirindra izany. Fisokafana amin’ny sehatra marolafy indrindra ny fiseraserana, eny hatrany […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:59 Apr 08, 2025
    Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotra, omaly, dia nisongadina indray i Njiva, lohalaharan’ny Barea. Nahatafiditra baolina telo, tamin’ny lalao nihaonana tamin’ny Khonkaen FC, ny tenany, ny alahady lasa teo, tany Thailande. Nandresy tamin’ny isa 7 no ho 4 moa ry Njiva sy ny klioba misy azy: Ratchaburi FC. Mandray […]
  • Club Natation ESCA : Dimy taona nioty fahombiazana
    Newsmada - 05:59 Apr 08, 2025
    Anisan’ireo sekoly manana klioba eo amin’ny taranja lomano ny Esca Antanimena. Feno dimy taona amin’ity ny Club natation Esca. Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nankalazainy niaraka tamin’ireo mpianatra beazina ao an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana isaka ny kilasy, no natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana Esca. […]
  • ASIEF 2025 : Taranja 21 no hifaninanana
    Newsmada - 05:59 Apr 08, 2025
    Anatin’ny fanomanana sahady ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Mahajanga, ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), amin’izao fotoana izao. Fepetra maro no horaisina amin’ity taona ity mba hanatsarana ny fifaninanana. Anisan’ny zava-dehibe ny mahakasika ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana izay hisy vaovao amin’ity taona ity, raha ny […]
  • VAKISAOVA
    Newsmada - 09:35 Apr 07, 2025
  • Kly Randriampeno Sammy: “Mitady hanjaka ny fitsaram-bahoaka”
    Newsmada - 05:50 Apr 07, 2025
    Nambaran’ny kaoman­din’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Vakinankaratra, ny Kly Randriampeno Sammy, fa azo ihorianana ny fandriampahalemana any an-toerana. Ani­san’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto. Efa voafehy izany izao. “Mitady hahazo vahana kosa anefa ny fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana. Efa nomena baiko ireo zandary mba hanao fanentanana sy hampianatra ireo vahoaka any […]
  • Fiadiadiana ny Repoblika sy ny fikambanana Dawoodi Bohra : Nanolotra fanampiana ho an’ireo voafonja
    Newsmada - 05:50 Apr 07, 2025
    Nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo voafonja etsy Antanimora, ny sabo­tsy 05 avrily 2025 teo, ny sampandraharaha misahana ny sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Ni­tarika ny hetsika, teny an-toerana, ny tale Amidjee Raha­rinoro Roumana, sy ireo mpiara-miombon’antoka, mpikambana eo anivon’ ny Communauté Borha eto Mada­gasikara Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:49 Apr 07, 2025
    Mitaraina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika fandrehitra ireo mampiasa izany. Voatery mampihena ny vokatra jifainy ireo mpividy. Ao koa ireo nisafidy hanajanona tanteraka izany ka hiverina hampiasa ny arina fandrehitra, izay tsy mitsaha-miakatra isan-taona sy mamotika ny tontolo iainana. Mitentina 8 tapitrisa dolara ny tetibola ilain’i Madagascar Airlines ho an’ny […]
  • Vidin-tsolika : Niakatra 200 Ar, ho an’ny solika fandrehitra
    Newsmada - 05:48 Apr 07, 2025
    Tsy niova ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala. Nija­nona toy ny tamin’ny volana marsa ny vidin’izany amin’ity volana avrily ity. Izany hoe, 5 320Ar/l ny vidin’ny lasantsy (SP 95) ary 4 970Ar/l kosa ny gazoala. Ho an’ny solika fandrehitra, niakatra 3 030Ar/l ny vidiny mihatra nanomboka ny sabotsy teo sy mandritra ny volana […]
  • Lalana RN7 : Miroso ny asa fikojakojana
    Newsmada - 05:15 Apr 05, 2025
    Notanterahina omaly ny fihaonana isam-bolana eo amin’ny mpanao gazety sy ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ny nitondra fanazavana ny talem-paritry ny Asa vaventy, Raselison Arséne. “Miroso ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)”, hoy izy. Eo koa ny fanamboarana ny lalana eo Antsirabe sy ny ao Ambatolampy. Nohazavainy ireo lalana […]
    Tags: Miroso
  • Loholona Tsiebo Mahaleo : “Lonilony politika ny fanoherana ny Base Toliara”
    Newsmada - 05:15 Apr 05, 2025
    Nitondra fanazavana sy ny fahitany ny firosoan’ny tetikasa Base Toliara ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nohitsiny tamin’izany ny avy amin’ny mpanohitra. “Lonilony politika sy alahelon-tseza ary fitadiavana tombontsoa manokana no ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. An’ny kaominina dimy voakasik’io tetikasa io, vahoaka atao hoe 90 % dia manohana ary […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:14 Apr 05, 2025
    Hisy ny « Train pascal » hampitohy an’i Fia­narantsoa sy Sahambavy, ny alatsinain’ny paka. Iray ihany ny fiaingana, amin’ny 9 ora maraina, ary hiverina amin’ny 4 ora hariva ny lamasinina. Hampitohy ny garan’ ny FCE sy Beravina amin’ny saran-dalana 2 000Ar mandroso sy miverina kosa ny « petit train », […]
  • Fivoriambe COI : Miara-miasa ny minisitera MAE sy ny Axian
    Newsmada - 05:14 Apr 05, 2025
    Natao sonia omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny (MAE) sy ny vondrona Axian, amin’ny alalan’ny orinasa Yas Madagasi­kara sy ny Jovena. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika, mba hizotra araka ny tokony ho izy ny Fivoriambe an-tampon’ny ranomasimbe Indianina (COI) andiany fahadimy, eto Antananarivo. Ao anatin’izany […]
  • Faritra Anôsy : Misokatra ny masoivohon’ny EDBM
    Newsmada - 05:13 Apr 05, 2025
    Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny masoivohon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho an’ny faritra Anôsy sy Androy. Hetsika hanakaikezana ireo orinasa sy ireo mpitondra tetikasam-pampiasam-bola. Tan­jona ny hanomezana tantsoroka ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola hampandrosoana ny toekarena sy ny fan­draharahana. « Manana loharanon-karena voajanahary sy harena araka olona ary […]
    Tags: EDBM
  • Aorian’ny fahavitan’ny fianarana : Vitsy ny tanora sahy manangana ny orinasany manokana
    Newsmada - 04:48 Apr 04, 2025
    Olana ho an’ny ta­nora mahavita fianarana ny fananganana orinasa ma­nokana. Mbola vi­tsy izany raha ho an’ny eto amin’ny firenena. Antony mahatonga izany ny tsy fananana tetibola entina ma­nangana. Ampirisihina sy entanina hatrany ny mpianatra mba hanangana ny orinasany manokana aorian’ny fahavitana fianarana. Tsapa sy hita fa vitsy ireo ankizy sy […]

2760 items