Newsmada

Found 2565 news

  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Vita ny tohodrano afaka manondraka velaran-tany 383 ha any amin’ny lemak’i Manambaro, faritra Anôsy. Zara raha 147 ha ihany no afaka nohajariana tany aloha. Efa rakotra vary daholo ny 70% ny lemaka, ankehitriny, ka miisa 430 ny fianakaviana misitraka azy. Ao anatin’ny tetikasa “Defis”, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) ity zava-bita […]
  • Angovo azo havaozina: tohana ho an’ny orinasa madinika PME
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Natao ny zoma 26 avrily teo, teto Antananarivo, ny fanombohana ny « Fandaharanasa tohana ho an’ny mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina maharitra » (IED). Tafiditra ao anatin’ny Famatsiam-bola ho an’ny mpisehatra voakasika amin’ny angovo azo havaozina (FIER), avy amin’ny tahirim-bola ho an’ny Tanjona ho fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny […]
  • Taolagnaro : tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 8MW
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Miampy hatrany ny famokarana angovo azo havaozina any Taolagnaro. Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ary hiampy famokarana azo avy amin’ny rivotra ihany koa Notokanana ny sabotsy 27 avrily teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Ehoala Taolagnaro. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa QMM […]
  • «JURISPRUDENCE» : atrikasa ho fampanaraham-penitra
    Newsmada - 04:55 Apr 29, 2024
    Notanterahina tany Ampe­fy, ny 25 sy 26 avrily 2024 lasa teo, ny atrikasa ho an’ny fanaraham-penitry ny “Jurispru­den­ce” eto Ma­dagasikara. Ni­von­drona ta­min’ity atrikasa ity ny komitin’ny fandinihana sy ny fanamarinana ary ny fanaraha-maso ny fanajariana ny lalàna eo anivon’ny Fitsarana eto Madagasi­kara. Tanjona lehibe amin’ny atrikasa ny ha­nangona sy handamina […]
  • Fambolena voatabia
    Newsmada - 15:05 Apr 27, 2024
  • Kitra – Fanemorana ny «Play-offs» : “Fanapahan-kevitry ny FMF fa tsy an’ny CFEM”, hoy i Tôta
    Newsmada - 05:05 Apr 27, 2024
    Manoloana ny fihemoran’ny dingana ampahefa-dalana mandroso amin’ny “Play-offs”, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na ny “Pureplay football league” (PFL), nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), omaly zoma, tao amin’ny tabajotran-tseraserany, fa fanapahan-kevitry ny federasiona izany fa tsy azy ireo. Raha tsiahivina, ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:04 Apr 27, 2024
    Araka ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nanapa-kevitr’izy ireo ny handoavana ny tambin-karaman’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy A. Tsiahivina fa io no anisan’ny olana tsy nahafahan’ireo mpilalao milaravinahitra sasany namonjy ny lalao ara-pirahalahiana teto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao. Afaka andro vitsy, hiatrika ny fiadiana ny ho […]
  • “Africa cup – 3 x 3” : hatao eto Madagasikara
    Newsmada - 05:04 Apr 27, 2024
    Nankatoavin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia lasa teo, ny hanatontosana ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika “Africa cup” lalaovin’olona 3, ho an’ny sokajy lehilahy, taranja basikety. Hatao ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izany. Raha tsiahivina, efa nambaran-dRamaro­son Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny […]
    Tags: Africa
  • Judo – Tompondakan’i Afrika : nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura
    Newsmada - 05:04 Apr 27, 2024
    Atleta malagasy iray tamin’ireo efatra mianadahy nahazo vokatra tsara, Rasoanaivo Laura, vehivavy judoka, medaly alimo, teo amin’ny sokajy (-70 kg). Hiatrika ny lalao isan-tarika indray ny ekipam-pirenena malagasy rahampitso. Tsara ny vokatra ho an’ny solontenan’i Madagasi­kara, omaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Egypte, taranja Judo, sokajy senior, […]
  • Ping Pong – Afrika Atsinanana : volamena telo sy volafotsy iray azo
    Newsmada - 04:55 Apr 26, 2024
    Nifarana omaly ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra, ping pong, lahy sy vavy, izay natao tany Ouganda. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, nandrombaka medaly volamena telo sy volafotsy iray ny ekipam-pirenena malagasy. Ho an’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho tompondakan’ny lalao […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:54 Apr 26, 2024
    Hotontosaina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianja Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana « Grand Open de Mada », ho an’ny haiady Jiu-Jitsu brezilianina. Lalao izay karakarain’ny Club 101 Jiu Jitsu. Tsara marihina fa ity no andiany faharoan’ny “Grand Open de Mada”. Hafindra eto Antananarivo ny fiadiana ny ho […]
  • Inter- Medias 2024 : hatao ny 4 mey avokoa ny lalao rehetra
    Newsmada - 04:54 Apr 26, 2024
    Nisy fiovana ny fandaharam-potoan’ny fifaninanana ho an’ireo orinasan-tserasera “Inter- Medias 2024”, “Iray eny an-kianja”. Hatao eny Mahamasina, ny 4 mey ho avy izao, avokoa ny lalao rehetra amin’izany, araka ny fanazavana nomen-dRasoloarison Harimbola Monica, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), omaly. Marihina fa saika natao roa andro, ny […]
  • Handball: hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”
    Newsmada - 04:54 Apr 26, 2024
    Taorian’ny fandavan’i Maurice tsy handray ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy “cadet” sy “junior”, hampiantrano izany indray i Madagasikara. Takina ny Licence D izay ho mpanazatra hitondra ny Akio de Madagascar. Nambaran-dRaheriari­jaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja handball (FMH), omaly, teny Mahama­sina, fa hatao eto Madaga­sikara ny “IHF Trophy”, […]
  • Filoha Rajoelina : «Hiantraika amin’ny vahoaka ny Fec sy ny FRD»
    Newsmada - 04:55 Apr 24, 2024
    Natao teny Iavoloha, omaly, ny fiaraha-midinika eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny delegasion’ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI) mamita iraka eto Madaga­sikara. Miompana amin’ny tetikasa roa lehibe ny antondian’izy ireo. Voalohany, ma­hakasika ny famatsiam-bola Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) ary faharoa, ny famatsiam-bola ho Fiatre­hana maharitra ny vokatry ny loza voajanahary (FRD). Notsipihin’ny filoha, […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:54 Apr 24, 2024
    Hamboarina ny fantson-drano vaky eny Ambohimiandra, manomboka ny alakamisy 25 avrily amin’ny 8 ora alina hatramin’ny zoma 26 avrily amin’ny 5 ora maraina. Ho tapaka, noho izany, ny famatsian-drano amin’ny faritra manodidina an’Andro­nonobe, Ambohitrarahaba, Ambatobe,Analamahitsy, Ivandry, Ambatomainty, Manjakaray, Ambodivona,… Mitohy ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, […]
  • Sendikan’ny Indostria : maika ny fanarenana ny lalana RN2
    Newsmada - 04:54 Apr 24, 2024
    Nanao ny fivoriambeny, omaly, ny mpikambana ao Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Nilaza ny filohany, Rasamimanana Tiana, fa maromaro ny lohahevitra nodinihina. Araka ny efa noresahan’izy ireo sy ny Filoham-pirenena, anisan’ny tena laharam-pahamehana ny fanarenana haingana ny lalam-pirenena fahroa (RN2), ankoatra ny lafiny herinaratra. Satria midangana ny masonkaren’ny mpandraharaha noho […]
    Tags: Sendikan
  • Tetikasa Padap : niakatra maherin’ny 5 t/ha ny voka-bary
    Newsmada - 04:54 Apr 24, 2024
    Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fambolena, ahitana sahandriaka sy lemaka, ny tetikasa Padap. Misy ny fanarenana na fananganana fotodrafitrasa, ny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fitandroana ny maha olona. Mifarana ny Tetikasa ho an’ny fambolena ma­haritra mikajy ny tontolo voarindra (Padap). Faritra dimy ahitana sahandriaka sy lemaka no […]
  • Judo – Tompondakan’i Afrika : mpilalao 4 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena
    Newsmada - 04:53 Apr 23, 2024
    Niainga, omaly, teny Ivato, tamin’ny 3 ora tolakandro, hihazo an’i Egypte, ireo delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Fifanin­tsanana hanomboka rahampitso. Raha ny vaovao voaray omaly, teny anivon’ny Federa­siona malagasin’ny judo (FMJ), miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy, ireo mpilalao hiaro ny voninahitr’i Madagasikara […]
    Tags: Afrika

2565 items