Newsmada

Found 2565 news

  • Andrianainarivelo Hajo : “Aoka tsy hanao ririnin-dasa tsy tsaroana”
    Newsmada - 04:31 May 25, 2024
    Nitondra ny heviny manoloana ny fanakatonana haino aman-jery tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, i Andrianainarivelo Hajo. “Ampahatsiahiviko fa sao misy manao ririnin-dasa tsy tsaroana isika. Anisan’ny nahatonga ny hetsi-bahoaka ary na­harava ny fitondrana tamin’izany ny fanakatonana ny fa­hitalavitry ny mpitondra amin’izao fo­toana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mba […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:30 May 25, 2024
    Milanja 3,5 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara ara-dalàna ka mitentina 978,215 miliara Ar ny vola azo. Mbola ambany lanja io raha oharina tamin’ny vina napetraky ny filoha nandritra ny 100 andro izay 500 kilao. Mitaky ezaka goavana ny hanatrarana ny tanjona hanondranana volamena 6 taonina ho an’ity taona 2024 ity. […]
  • Fiainan’ny orinasa: mivoatra ny fitantanana olombelona (RH)
    Newsmada - 04:30 May 25, 2024
    Miantoka ny fandrindrana ny fiainana maha olona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny serasera. Antony nahatonga ny Dr Fabrice Lollia, manam-pahaizana eo amin’ny serasera, ni­zara ireo torohay sy fomba ha­natsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana anatina orinasa sy eo amin’ireo mpitantana ary mpandraharaha. «Paikady si­antifika voamarina sy ma­hom­by […]
  • Ambohimasina : fotodrafitrasa maro ho an’ny mponina
    Newsmada - 04:29 May 25, 2024
    Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, […]
  • Atsimo Andrefana : vahaolana ny harena an-kibon’ny tany
    Newsmada - 04:56 May 24, 2024
    Notaterin’ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, fa miisa 24,8 tapitrisa ny Malagasy miaina anaty fahantrana. Vitsy ny asa miforona miohatra amin’ny fitombon’ny mponina. Tsy manara-penitra ny 95,1%-n’ny asa misy. Tena iharan’ny tsy fisian’ ny asa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nambaran’ i Alban Natsira, mpitantana ny orinasa Yaby Job […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:55 May 24, 2024
    Mahatratra 27 000 ha ny velaran-tany efa voaaro amin’ny andiam-balala, tamin’ny alalan’ny hetsika an-tanety. Voakasik’izany ny any amin’ny distrikan’i Manja, Mahabo, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Ikalamavony ary Ambatofinandrahana. Mitotaly 270 000 ha ny velaran-tany mila arovana ka hampiarahana amin’ny fampiasana helikoptera ny eny an-tanety. Nohadihadiana ny fidiram-bolan’ny mpanjono madinika, sy ny […]
  • FIM andiany faha-18 : antoky ny fampandrosoana
    Newsmada - 04:54 May 24, 2024
    Nanomboka omaly ka haharitra efatr’andro ny hetsika “Foire internationale de Madagascar” (FIM) andiany faha-18, atao eny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Hetsika ara-toekarena ivondronan’ireo mpandraharaha samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany eto amintsika. Ankoatra ny fampirantiana sy fampahafantarana ny vokatra malagasy dia betsaka ny tombontsoa azo amin’ny alalan’ity tsenabe […]
  • Carrefour des entrepreneurs de l’Océan Indien : mivelatra hatrany amin’ny fampandrosoana ny firenena
    Newsmada - 04:54 May 24, 2024
    Manamafy ny fahavononany sy hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fikambana Carrefour des entrepreneurs de l’Océan indien. Niforona ny taona 2000, nampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fifanakalozana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana izy ireo. Hiara-hiasa. Nivory tetsy amin’ny Motel Anosy ny fikambanan’ireo mpandraharaha aty amin’ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:54 May 24, 2024
    Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Miarova” iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, hisitraka fitaovana arifomba sy manaraka ny fenitra ireo sampandraharaha mikirakira ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noraisin’ny minisitra, An­driamanantany Zely, izany ny alarobia teo mialoha ny hizarana azy amin’ireo fitaleavana manerana ny faritra 23. Amperinasa manomboka izao ny toeram-pandidiana ao amin’ny […]
  • Handball – IHF Trophy Junior: resin’i La Réunion ny Akio de Madagascar
    Newsmada - 05:06 May 23, 2024
    Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar teo amin’ ny andro voalohany hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra fahafito taranja handball sokajy “junior”, lehilahy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 31 no ho 29 ry zalahy. Niady ny fihaonana saingy tombony ho an’ny La Réunion ny fahaizana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:06 May 23, 2024
    Fantatra fa tsy ho anisan’ny handrafitra ny Les Bleus amin’ny lalao Olympika, hotanterahina ao Frantsa amin’ny taranja baolina kitra i Kylian Mbappe. Fihaonana hanomboka ny 26 jolay ho avy izao. Raha ny fantatra, hiaraka amin’ny ekipan’ny Real de Madrid, amin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2025 ny tenany. Efa fantatra avokoa ny […]
  • Baolina Kitra : vita ny fifanarahan’ ny Me Rôro sy ny FMF
    Newsmada - 04:59 May 23, 2024
    Izay vao milamina ny zava-drehetra. Tontosa ny talata 14 mey lasa teo, teny amin’ny foibe toeran’ny baolina kitra malagasy eny Isoraka ny fifanaovan-tsonia, fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôro) sy ny Federasiona malagasy (FMF). Araka ny fampitam-baovao, haharitra hatramin’ny volana oktobra 2026 izany fifanarahana izany. Me Rôro, araka […]
  • Judo – «Mondiaux 2024»: resy teo amin’ny savaranonando Rasoanaivo Laura
    Newsmada - 04:59 May 23, 2024
    Ratsy ny vokatra ho an-dRasoanaivo Aina Laura, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo sokajy «senior», vehivavy. Vao teo amin’ny dingana savaranonando dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Tsy lasa lavitra fa vao teo amin’ny lalao savaranonando dia efa nangoron-damba Rasoanaivo Aina Laura, nandritra ny fiadiana […]
  • Karate – “Afrique de l’Est” : 52 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena
    Newsmada - 04:50 May 23, 2024
    Hatao eto Madagasikara amin’ny 6 hatramin’ny 9 jona izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra Atsina­nana, ho an’ny taranja karate. Firenena 10 amin’ireo 14 mpikambana no handray anjara amin’izany. Fifaninanana na­tokana ho an’ny sokajy cadet, junior ary senior. Ho an’i Madagasikara, 52 be izao no hiaro ny voninahi-pirenena, ka ny […]
  • Zavamaniry : avy amin’ny tantely ny famindrana ny vovobony
    Newsmada - 04:52 May 22, 2024
    Ankalazaina isaky ny 20 mey ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, mifantoka amin’ny hoe « harena sy namana ny tantely ». Loha­hevitra noraisina tamin’ity taona 2024 ity ny hoe, « Ivon’ny fameloman’aina ny toekarena ny tantely, sady manavotra ny tontolo mananaina ». Nikarakara atrikasa, omaly, ny Tranoben’ny mpisehatra amin’ny tantely eto Madagasikara (MAM), ny […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:51 May 22, 2024
    Mitentina 25 008,8 miliara Ar ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara, araka ny paikady momba ny fitantanana ny trosa ho an’ny taona 2024-2026. Mitentina 6 065 miliara Ar kosa izany ho an’ny taona 2024 ary 9 319,4 miliara Ar sy 9 633,4 miliara Ar avy ho an’ny taona 2025 sy 2026. Mahatratra […]
  • Fiarovana ny ala : mpianatra ho mpianala miisa 30
    Newsmada - 04:51 May 22, 2024
    Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Nanisana ireo mpianatra ho mpianala miisa 30 mianadahy. Hanaraka fiofanana mandritra ny 18 volana izy ireo eny amin’ny Ivontoerana fanofanana teknisian’ny ala CNPTF Angavokely. Efa misy andiany 30 hafa manaraka fiofanana, ka mahatratra 60, araka izany, ny andiany fahatelo ho an’ny taom-piofanana 2024-2025. Nilaza […]
  • Indostria : hihodina tsy ho ela ny Sucrerie de Mahatalaky
    Newsmada - 04:51 May 22, 2024
    Hitombo ny famokarana siramamy eto amintsika amin’ny alalan’ny indostria  Sucrerie de Mahatalaky . Andalam-pamaranana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa ny fitondram-panajakana. Vita hatramin’ny 80% ny fanitarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny « sucrerie de Mahatalaky, miala 43 km an’i Taolagnaro. Indostria hanodina ny fary ho lasa siramamy, natsangana nanomboka ny taona 2021. Andalam-panatsarana […]
  • Morondava: mirongatra ny aretina tazomoka
    Newsmada - 04:50 May 22, 2024
    Fotoana mampirongatra be ny aretina tazomoka izao any Morondava. Saika ny an­tsasa-manilan’ireo olona tonga manao fizaham-pahasalamana dia voan’ny tazo avokoa rehefa atao ny fitiliana. Tsy mifidy na zaza na ankizy na lehibe na tanora fa voan’ny tazo. Amin’ireo olona 50 raisin’ny tobim-pasahalamana ao natin’ny 1 andro, mararin’ny tazo avokoa ny […]
  • Basikety- OQT 2024 : nihintsana amboninahitra ny Ankoay
    Newsmada - 04:27 May 21, 2024
    Tsy nitsanga-menatra ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana hiadiana ny tapakilan’ny “Lalao Olympika Paris 2024”, taranja basikety 3×3, izay natao tany Debrecen, ny 16 -19 mey lasa teo. Fandresena no nivoahan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity, rehefa nandavo an’i Suisse, tamin’ny isa 21 no ho 16, ny sabotsy lasa teo. Fihaonana farany […]
    Tags: Ankoay

2565 items