Newsmada

Found 2565 news

  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:26 May 21, 2024
    Lavon’ny ekipan’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, tany Mahajanga ny afakomaly. Lalao ampahefa-dalana mandroso amin’ny fifaninanam-pirenena Coca Cola Pureplay Football League. Tsara marihina fa hatao eny By-pass ny fihaonana miverina. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny […]
  • Beach soccer : lasan’i Diana ny 2 tapitrisa Ar
    Newsmada - 04:26 May 21, 2024
    Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antalaha ny beach soccer tafiditra ao anaty «festival Mazavaloha». Norombahin’ny faritr’i Diana ny amboara sy ny medaly volamena ary ny lelavola 2 tapitrisa Ar avy amin’ny Telma, mpanohana ny hetsika. Resin’i Diana, tamin’ny isa tery, 5 no ho 4, teo amin’ny famaranana Atsinanana. Niady […]
    Tags: Diana
  • Ping-pong : nahazo ny tapakila hiatrehina ny lalao Olympika i Fabio
    Newsmada - 04:26 May 21, 2024
    Anisan’ireo firenena hanana solontena hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024” tanterahina any Paris, France ny Malagasy. Nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny taranja ping-pong, tamin’ny alalan-dRakotoarimanana Fabio. Atleta malagasy voalohany tafita hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024”, hatao any Paris France, ny 26 jolay ho avy izao Rakotoari­manana Fabio, mpilalao […]
  • “Mada dog show”: Chien de race 200 nandray anjara tamin’ny fifaninanana hatsarana
    Newsmada - 04:25 May 21, 2024
    Tontosa tetsy amin’ny zone Zital Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Mada Dog show”. Hetsika nokarakarain’ny Association des cynophiles de Madagascar (ACYM). Nana­tanterahana fifaninana hatsarana “concours de beauté” teo amin’ireo alika tsara karazana (chien de race) monina eto Madagasikara. Nanodidina ny 200 ireo alika tsara karazana nandray anjara tamin’ny […]
    Tags: Mada
  • Beach Soccer : resin’i Menabe ry zareo Atsimo Atsinanana
    Newsmada - 04:54 May 18, 2024
    Notanterahina omaly, tany Antalaha, ny andro fahatelon’ ny fifaninanana Beach Soc­cer, “Festival Mazavaloha”. Misongadina tanteraka ny ekipan’i Menabe. Nomontsanin’ izy ireo tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1 ry zareo Atsimo Atsinanana. Araka izany, ity no fandresena fahatelo azon’i Menabe nandritra ny fifaninanana. Ny mpilalao voafantin’i Boeny ihany no nandresy […]
  • Baolina kitra – «  Mondial 2026 » ; mpilalao telo vaovao handrafitra ny Barea de Madagascar
    Newsmada - 04:54 May 18, 2024
    Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny Coelacantes Comores, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ ny «Mondial 2026». 25 ireo nantsoin’ny mpanazatra hiatrika izany atsy Afrika Atsimo, ka ny telo vaovao. Namoaka ny anaran’ny Barea, hiatrika an’i Comores amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026», tetsy Isoraka, omaly, ny Me Rôro, mpanazatra. […]
  • Asa soratra sy hosodoko: nizara ny fahaiza-manaony Ralantoaritsimba Nirina
    Newsmada - 04:53 May 18, 2024
    Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Anta­na­narivo (AFT) Andava­mamba, ny hetsika niarahana tamin-dRalantoaritsimba Nirina, Malagasy manana ila frantsay, mpanoratra sady mpanao hosodoko. Atrikasa mahaka­sika ny hosodoko sy ny fanoratana no nandravahana izany. Nandritra ny hetsika no nizarany ny traikefany eo amin’ny maha mpanoratra sy mpiangaly hosodoko azy. Ankoatra izay, tanjona […]
  • Sivy andro aty aoriana : tratra ireo jiolahy mpamono olona
    Newsmada - 04:53 May 18, 2024
    Voasambotry ny zandary, omaly, ireo jiolahy roa tompon’ antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny distrikan’i Maevatanana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, lehilahy iray notifirin’ny jiolahy ka nalevin’izy ireo antsokosoko. Sivy andro taorian’ny famonoana anefa no hita ny fatiny. Ny 8 mey 2024 lasa teo no nitranga ity vono […]
    Tags: Sivy
  • Orange Madagascar : niova filamatra ho Orange eo anilanao  
    Newsmada - 05:06 May 15, 2024
    Manamafy ny fanoloran-tenany ho tambajotra azo itokisana amin’ny alalan’ny teny filamatra vaovao ny Orange Madagascar. Nosafidiana manokana ny Orange eo anilanao ho marika fa eo akaikin’ny Malagasy tsirairay, tao anatin’ny fotoana rehetra, nandritra ny 20 taona, ity tambajotram-pifandraisana ity. Tsotra, mora raisina ary mifanaraka amin’ny andavanandron’ny mpanjifa ity tenim-pamantaran’ny Orange Mada­gascar ity. […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:04 May 15, 2024
    Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona miisa telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko varika miisa 48 sy sokatra 1 076 tany Thaïlande. Harahin’ny fitsarana maso kosa ny efatra hafa raha toa ka mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ny iray tamin’ireo valo niakatra teny amin’ny Pôle anti-corruption (Pac). Mikorontana tanteraka ny […]
  • CT Motors: nivoaka ny fiara vaovao Kaiyi X7 Luxury
    Newsmada - 05:04 May 15, 2024
    Namoaka fiara vaovao marika Kaiyi X7 ny CT Motors. Fiara matanjaka sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia niomerika amin’izao fotoana izy io. Raitra tanteraka ny fiara amin’ny endrika ananany sy ny pitsopitsony rehetra mandrafitra azy. Tsy manam-paharoa sy mampilamin-tsaina ny ao anatin’ny Kaiyi X7 amin’ireo seza tsara voatra. Mahazaka olona dimy […]
  • Fandraharahana : hampivondrona mpandraharaha maro ny CEO Business Forum
    Newsmada - 05:02 May 15, 2024
    Hampirisihina ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha amin’ny fitrandrahana ireo harena samihafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Manana harena maro samihafa azo trandrahina tsara ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny toekarena. Ho an’i Madagasikara, manana paikady manokana amin’ny fampiroboroana ny toekarena manga isika. «Laharam-pahamehana ny fametrahana […]
  • Basikety- Acnoa: miravaka volamena ny Ankoay, lahy sy vavy
    Newsmada - 05:08 May 11, 2024
    Misongadina tanteraka ny Malagasy mpilalao amin’ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito izay atao ao Seychelles, sokajy lehilahy sy vehivavy, U18. Nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny taranja basikety 3×3 ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy, omaly, nandritra ny famaranana. Ny vehivavy mpilalao, nanamontsana an’i Seychelles, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 21 no […]
    Tags: Ankoay
  • AS Fanalamanga : mangataka ny hanasaziana ny Fosa Jr
    Newsmada - 05:08 May 11, 2024
    Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AS Fanalamanga! Man­gataka ny hampiharana ny sazy noho ny fandikan-dalàna izay nataon’ny Fosa Junior Boeny ry zareo, araka ny va­lan­dresaka nataon’ireo mpitantana eo anivon’ity klioba ity, omaly, teny Nanisana. Raha ny fanazavan’izy ireo, tsy mbola nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mifindra any amin’ny Fosa Junior Boeny, Rajoma­zandry […]
  • Rugby vehivavy – «Can 2024»: hiady izay ho any Londres ny Makis sy ny Springboks
    Newsmada - 05:08 May 11, 2024
    Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy. Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. […]
  • Tao anatin’ny telo volana : nihena 30,7% ny vokatra naondran’i Madagasikara
    Newsmada - 05:07 May 11, 2024
    Nihena hatrany amin’ny 30,7% ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanadihadiana ny toekarena, ny talata teo. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro […]
  • Elles sont là, elles y vivent
    Newsmada - 15:05 May 10, 2024
    Chassée pour la consommation, la perte de son habitat, la chauve-souris frugivore Pteropus Rufus se réfugie et s’epanouie dans le site d’Ambohikely  

2565 items