Newsmada

Found 2195 news

  • Karate – Afrika Atsinanana: nankasitraka ny fandraisan’ny Malagasy i Djibouti
    Newsmada - 04:51 Jun 07, 2024
    Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja karate. Nankasitraka ny lamina i Djiboutie. Nanolotra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Federasiona malagasin’ny taranja karate (FKM), ny lehiben’ny karaten’i Djibouti (FKDji), Abdoulkader Bourhan Kanano, omaly, teny Antani­narenina. « Ankoatra ny ady medaly, zava-dehibe aminay ny mandray anjara amin’ny fifaninanana […]
    Tags: Djibouti
  • Faritra Sava : manomboka anio ny JIR faha-9
    Newsmada - 04:51 Jun 07, 2024
    Tontosaina ao amin’ny faritra Sava, manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (Journée internationale des Régions) andiany fahasivy. Hetsika ara-toekarena entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana, ny famokarana ary ny fihariana any amin’ny faritra. Lohahe­vitry ny fankalazana amin’ity ny hoe « Faritra Sava, manana otrikarena manan-danja: […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:50 Jun 07, 2024
    Miisa dimy ireo orinasa ODOF mampiranty ny vokany eny amin’ny Canal Olympia Andohata­penaka, mandritra ny hetsika Salon international des acteurs économiques (SIAE) andiany fahatelo. Ao anatin’izany ny orinasa Ampalia izay manodina ny paoma avy any Antsirabe ho lasa Cidre. Eo ihany koa ny huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo […]
  • Fifaninanana Afrika Atsinanana : andrasana ny fahatongavan’ny filoha lefitry ny WKF
    Newsmada - 04:55 Jun 06, 2024
    Ho avy eto Madagasikara, anio, ireo tomponandraikitra ambony iraisam-pirenena amin’ny taranja Karate. Ani­san’izany ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Bechir Cherif. Hiara-dalana aminy i Souleymane Gaye, lehiben’ny fikambanan’ny Federasiona aty Afrika (UFAK). Manatevina ny delegasiona koa i Zetouni, filohan’ny kaomisiona mpitsara ao amin’ny WKF. Ankoatra izay, efa tonga […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:55 Jun 06, 2024
    Hitohy etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy. Fihaonanana hotanterahina ny alahady ho avy izao. Hifandona eo amin’ny D1, ny FTFA Antohomadinika sy ny 3FB. Hanokatra ny fihaonana ny an’ny D2, hifanandrinan’ny SCB Besarety 2 sy ny FTVL Lalamaty. Tsy […]
  • Lomano, tatsy Maorisy : nahazo medaly volamena i Holy
    Newsmada - 04:54 Jun 06, 2024
    Notanterahina tatsy Maurice, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny taranja lomano fanao amin’ny andro ririnina. Nandray anjara tamin’izany ny Malagasy, tamin’ny alalan-dRabejaona Holy Antsa. Nison­gadina ny zava-bitany satria nandrombaka medaly volamena telo, tamin’ireo fihaonana natrehiny izy. Anisan’izany ny teo amin’ny 100 m lomano tsotra, tontosany […]
  • “Pureplay football league” (PFL) : hatao ny 13 sy 16 jona ny manasa-dalana
    Newsmada - 04:54 Jun 06, 2024
    Haroso ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay football league 2024). Ekipa efatra no hiady lohany amin’izany. Nambaran-dRakotoa­rimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football Elite de Mada­gascar (CFEM) fa tsy maintsy haroso ny fanatanterahana ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, “Pureplay football league (PFL […]
    Tags: Pureplay
  • « Semaine de la BD » : mandray anjara ny «Pejy maizina» an’i Riri
    Newsmada - 04:47 Jun 05, 2024
    Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny 8 jona 2024, ny fampirantiana iarahana amin’i Riri, Mala­gasy mpanao tantara an-tsary. « Pejy maizina », io no lohatenin’ny tantara an-tsary miranty eny amin’ny AFT Anda­vamamba. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika “Semaine de la Bande Dessinée” ity fampirantian’i Riri ity. […]
  • Tononkira mahitsy fitoraka: mitondra ny hafatry ny fiarahamonina ny Groupe CB
    Newsmada - 04:47 Jun 05, 2024
    Tarika anisan’ny manana ny tanjony eo amin’ny fanatontosana ny kanto ny Groupe CB. Ankoatra ny fahafinaretan’ ny sofina sy ny maso, omen-dry zareo lanja ny filazana ny zava-misy… Randrianarison Mamison Elysé, fantatry ny mpitia zavakanto any Fiana­rantsoa amin’ny solonanarana hoe : « CB ». Izy no mitarika ny Groupe CB. Miavaka amin’ny […]
    Tags: Groupe
  • Reniranon’ i Onilahy ; 110 ha ny ala potika ao amin’ny faritra arovana
    Newsmada - 04:46 Jun 05, 2024
    Potika tanteraka ny tontolo iainana eto Madagasikara. May avokoa ny ankamaroan’ ny ala vokatry ny hetraketraky ny olombelona. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manodidina ny 100 ha ny fahapotehan’ny ala manodidina ny faritra arovana amoron’ny reniranon’i Onilahy, ny taona 2023. An­tony mahatonga izany ny fa­naovana ny doro tanety, ny tavy, […]
    Tags: Onilahy
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:46 Jun 05, 2024
    Nanolotra ny fikarohana nataony tany Japon Rtoa Andriantsitohara Attiana Fara, talen’ny Fikaro­hana sy ny fenitra ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny 29 mey teo. Manohy ny fianarana hahazoana ny mari-pahaizana « Doctorat » any amin’ny oniversite Naga­saki izy, mandritra ny telo taona, nanomboka ny taona 2024. Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Madagascar […]
  • Festival du Cinéma africain de Tarifa et Tanger : lasan’i Luck Razanajaona ny « Prix Acerca »
    Newsmada - 04:50 Jun 04, 2024
    Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Luck Razanajaona, miaraka amin’ny horonantsary « Disco Afrika ». Nahazo amboara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena izy, tamin’ny « Stiff Seattle film festival », tao Tunisie. Nifarana, ny faran’ny he­rinandro teo, ny «Festi­val du Cinéma africain de Tarifa et Tanger» (FCTA), natao tao Maroc sy Espagne. Nahazo ny amboara […]
  • Korea Atsimo : nihaona tamin’ireo diaspora ny filoha Rajoelina mivady
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2024
    Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy amin’ny fanatrehana ny fihaonana an-tampon’i Korea-Afrika, ny 4-5 jona, nataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana ny fihaonana amin’ireo teratany na diaspora malagasy ao an-drenivohitr’i Korea Atsimo, Séoul, omaly. 40 mahery izy ireo ary mianatra ny ankamaroany. Eo ny momba ny tontolo iainana, ny asa vaventy, ny teknolojia… Samihafa […]
  • Fifidianana depiote : tsy mbola misy minisitra lany na tsy lany izany
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2024
    Niteraka resabe na iniana hanaovana resabe ny mahakasika ireo kandidà solombavambahoaka ka efa nitazona ny toeran’ny minisitra. Mitovy amin’ny kandidà rehetra izy ireny, miandry ny voka-pifidianana. Misy ny tsara toerana toa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ao Fianarantsoa, Sahondrarimalala Marie Michelle. Toraka izany ny minisitry ny Mponina any Ambositra, Fomendraza. Ity […]
  • 64 taona ny Fahaleovantena: hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2024
    « Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Io no teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena hankalazaina tsy ho ela izao, araka ny fanazavan’ireo komity mpanomana sy mpikarakara. Nampahafantarina oma­ly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Madagasikara izao. «Madagasikara […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:48 Jun 04, 2024
    750 Ar ka hatramin’ny 800 Ar izao ny vidin’ny atody akoho iray eny amin’ny mpaninjara. Tao anatin’ny herinandro no niakarany, hoy ny mpivarotra, ary mety mbola hitohy izany fiakarana izany satria akora be mpanjifa isan’andro ny atody. Nisy ny fifampizarana niarahana tamin’ny Ergothérapeute, Rakotoarisoa Elinah, ny faran’ny herinandro teo, teny […]
  • Menaka mahagaga
    Newsmada - 04:59 Jun 03, 2024
  • Fi.Mpi.Ma – Volan’ny teny malagasy : nomena aina ny fomba, teny, kolontsaina
    Newsmada - 04:56 Jun 03, 2024
    Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny hetsika ho fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Notanterahin’ny Fi­kamba­nan’ ny Mpikabary malagasy ma­neran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), teny amin’ny kian­jan’Ando­halo ilay hetsika lehibe na­mondronan’izy ireo ny fomba sy ny teny ary ny kolontsaina malagasy. Notsiahivina sy naverina ny kabary notontosain’ny mpan­jaka Ranavalomanjaka, […]

2195 items