Newsmada

Found 2565 news

  • Rugby – Top 12 Mada : hanohitra ny FTM ry Boaikely
    Newsmada - 04:53 Sep 05, 2024
    Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny alahady 8 septambra ho avy izao. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Raha ara-taratasy aloha, manantombo […]
    Tags: Boaikely
  • Antenimierampirenena : notokanana ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro
    Newsmada - 04:53 Sep 05, 2024
    Mamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Notokanana, omaly, ny fitaovana momba izany ho an’ny Antenimierampirenena. Notanterahana, omaly, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Tokely Justin sy ny masoivohon’ny firenena indianina, Bandaru Wilsonbabu […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:52 Sep 05, 2024
    Notanterahina, omaly, ny fivoriana ara- teknika ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy U21, taranja karaté, tanterahina any Tunisie. Tsiahivina fa mpikatroka malagasy efatra mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa anio no hanomboka ny lalao any an- toerana. Mankalaza ny faha-25 taonany, ny CSLA (Club […]
  • Volley- « Coupe de Mada 2D » : hiova ho « Open 2è Division » Analamanga
    Newsmada - 04:52 Sep 05, 2024
    Ahitana fiovana ny tohin’ny fandaharam-potoanan’ny fede­rasiona malagasin’ny Volley ball, amin’ny faran’ity herinandro ity, araka ny fam­pitam-baovao. Raha tokony hiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy 2è Division lahy sy vavy, ny programa manomboka ny 8 septambra izao, hiova izany, noho ny antony manokana. Araka ny fantatra, hiova ho “Open 2è […]
  • Antoko Ilo Mada : « Mety ny PDS no ho kandidà ben’ny Tanàna »
    Newsmada - 04:52 Sep 04, 2024
    “Mpandraharaha ny fahafantarako an-dRtoa Rama­nantsoa Harilala, tsy ao anatin’ny antoko na vondrona antoko. Raha izay izany no hanomanan-dry zareo eo amin’ny fitondrana ny sain’ny mponin’ Antananarivo, na anoman-dry zareo ny sain’ny Irmar na ny TGV: matoa apetraka, toy ny mizotra mankany… ” Io ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny antoko Ilo Mada, […]
  • Rugby – “XXL Top 12” : hanala vela amin’ny FTM ny TFMA
    Newsmada - 04:51 Sep 04, 2024
    Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny lalao izay hihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Mbola manala vela ny mpilalaon’Ankasina amin’ity lalao ity. […]
  • PDS Antananarivo : nihaona tamin’ny mpandresin’ny « Econnect »
    Newsmada - 04:51 Sep 04, 2024
    Mitombo hatrany ireo tetikasa entina manatsara ny fiainana andavanandron’ny mponina eto Antananarivo. Anisan’izany ny tetikasa “Econnect”, izay mitondra fanatsarana amin’ny sehatra maro ho an’ny mpiara-belona. Nihaona tamin’ny filohan’ ny Delegasionina ma­no­kan’ny tanànan’Anta­nanarivo, Ramanantsoa Hari­lala, ireo tomponandraikitry ny tetikasa miisa efatra, voafantina tao anatin’ny «Econnect». Tao anatin’izany no nanamafisana ny fiaraha-miasa […]
    Tags: Econnect
  • 1er Bataillon Parachutiste Ivato : nahazo traikefa avy amin’ ny Tafika amerikanina
    Newsmada - 04:54 Sep 03, 2024
    Notanterahina teny amin’ny tobin’ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato, ny 30 aogositra 2024 teo, ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo miaramila 30 mirahalahy ao amin’ity vondron-tafika ity. Nahavita fanazarantena sy ny taktika ary ny fototra maha miaramila, niarahana tamin’ny Tafika amerikanina, izy ireo nandritra ny enina herinandro. Nanatrika ity fotoana ity […]
  • Rafanomezantsoa Jean Nirina : «Mila fankaherezana sy tohana ny filoha Rajoelina»
    Newsmada - 04:54 Sep 03, 2024
    Tafajoro ny Malagasy manohana ny Filoha Andry nirina Rajoelina, izay tarihin’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, najoro ny vovonana natao hanampy ny Filoha eo sehatra rehetra ary hanampy ihany koa amin’ny sehatry ny asa sosialy sy ny maha olona ho fanampiana ny vahoaka madinika. «Maro ny sakana mahazo ny filoha amin’ny fanohanany […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:53 Sep 03, 2024
    Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, taranja basikety, natao tany Antsirabe, ny MB2All sy ny JCBA. Nandresy ny Phoenix, tamin’ny isa 64 no ho 29, ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy. Isa 68 no ho 45 kosa no nandavoan’ny JCBA ny ACMBA, teo amin’ny lehilahy. Hatao ny 5 hatramin’ny 8 […]
  • COSTM Judo Club : nahazo medaly tamin’ny “Tournoi de Capricorne”
    Newsmada - 04:53 Sep 03, 2024
    Tsara ny vokatra ho an’ny COSTM Judo Club nandritra ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne” natao tany To­liara, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly 17 be izao (volamena 7, volafotsy 8 ary alimo 2) ny mpikatroka nisolontena ity klioba sangany ao Toliara ity. Raha ny filaharana kosa, laharana faharoa no misy […]
  • Barea de Madagascar : efa any Tunisie ry Loic sy Tsiry ary Berajo
    Newsmada - 04:53 Sep 03, 2024
    Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nigadona omaly, any Tunisie, namonjy ny fampivondronan’ny Barea de Madagascar i Loic Lapoussin sy i Tsiry ary i Berajo. Efa niatrika ny fanazarantena niaraka tamin’ireo namany i Lapoussin. Tsy mbola nanao izany kosa ry Berajo sy i Tsiry, noho ny fahatongavan’izy mirahalahy tamin’ny […]
  • Famosirana : miankina amin’ny didy raikitra ny fampiharana
    Newsmada - 04:52 Sep 02, 2024
    Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fanatanterahana ny famosirana amina raharaha fanolanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis, tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonany tamin’ny vadintany sy mpanao lavanty. Misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny dokotera amin’izany: tsy maintsy […]
  • Raharaha Anjozorobe : « Fahavalom-bahoaka ireo mpaka an-keriny », hoy ny MFA
    Newsmada - 04:52 Sep 02, 2024
    « Sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireny nitranga tany Anjozorobe ireny ary tena famonoan’olona… », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, teny Ampahibe. Mitohy ny hazalambo na efa tratra aza i Rakom. Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fakana an-keriny na­moizana ain’olona tao Ma­rotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana (Emmo/Nat), […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:50 Sep 02, 2024
    Notolorana fitaovana entina hiarovana ny ala sy hiatrehana ny afo, ny herinandro lasa teo, ny Vondrona olona fotony (VOI) any amin’ny kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambaton­drazaka. Tohana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, Conservation International (CI), mitantana ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (Caz). Manohana ny hetsika ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]
  • Jirama : ahitana lohahevitra 4 ny drafi-panarenana
    Newsmada - 04:50 Sep 02, 2024
    Nihaona ny zoma 30 aogositra teo, teny Ampan­drianomby, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, niaraka tamin’ny teknisiana miara-miasa aminy, andaniny, sy ny tomponandraikitry ny Jirama, notarihin’ny tale jeneraly (DG), Ron Weiss. Fivo­riana nampahafantarana ny paikady entina hanarenana ny orinasa Jirama. Miompana amin’ny lohahevitra lehibe efatra […]
    Tags: Jirama
  • Famokarana : sakafon-trondro tsara ny olitra lalitra
    Newsmada - 04:49 Sep 02, 2024
    Mila manaraka ny fenitra ilaina ny fiompiana trondro. Singanina amin’izany ny lafiny sakafony, raha te hanana vokatra tsara fitombo sady tsara kalitao. Tsy maintsy mamokatra na manana sakafo sahaza sy manaram-penitra ny mpiompy trondro. Mamokatra olitra avy amin’ny lalitra mainty, antsoina hoe «Black Soldier Flies» (BSF), ny orinasa Omniverdi, any […]
  • Padel – « Island Cup 2024 »: hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara
    Newsmada - 06:03 Aug 31, 2024
    Sambany! Hampiantrano ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, i Madagasikara. Hotontosaina manomboka ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny Soavina Atmos­phère, ny fifaninanana. Fire­nena telo no hifanintsana amin’io lalao io: i Madagasikara, mpampiantrano, sy ny Nosy rahavavy La Réunion ary i Maurice. Araka ny fanazavana […]

2565 items