Newsmada

Found 2565 news

  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:51 Aug 27, 2024
    Araka ny vaovao niparitaka ao anaty tamba­­jotran-tserasera, ny alahady lasa teo, tokony hanao tetikasa goavana amin’ny fampivoarana ny baolina kitra eto Madagasikara ny klioba Fosa Junior FC saingy nosomparan’ny mpisoloky izany. Tsiahivina fa hanan­gana ny Fosa Academy any Boeny ny Fosa Junior. Hody ny alarobia ho avy izao eto an-tanindrazana […]
  • Fanatanjahantena : nihaona ny minisitra sy ny federasiona
    Newsmada - 04:51 Aug 27, 2024
    Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, tamin’ireo filohana federasiona, omaly. Nifankafantatra sy nifampihaino izy ireo nandritra izany. Nisy ihany koa ny fangatahana nataon’ireo federasiona mba hijerena akaiky sy hanohanana azy ireo, amin’ny fifaninanana rehetra karakaraina sy handraisan’izy ireo anjara, na ny eto an-toerana izany, […]
  • Beach Soccer sy Futsal : hodinihin’ny Federasiona ny hanaovana ny fifanintsanana
    Newsmada - 04:51 Aug 27, 2024
    Tokony ho efa nandeha ny fifaninanam-pirenena taranja Beach Soccer sy Futsal. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitry ny baolina kitra. Noho izany, hisy ny fivoriana ataon’izy ireo. Somary nangina tanteraka ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra ambony torapasika, “Beach Soccer” sy ny baolina anaty efitrano, “Futsal”. Nilaza […]
  • UDR : Mijoro amin’ny fampandrosoana
    Newsmada - 04:50 Aug 27, 2024
    Tsy misy fampandrosoana miroso raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny antoko iray miara-miasa amin’ny fanjakana ny antoko Union des Ré­publicains (UDR) izay tarihin’i Fitiavanjanahary Stéphane Kennedy. “Rehefa misy fitondram-panjakana mijoro eo ka manana foto-kevitra hampandrosoana ny firenena dia mi­sokatra amin’ny fiaraha-miasa izahay”, hoy izy. « Ilaina sy zava-dehibe […]
  • D2 Nasionaly : nisaraka ady sahala ny Jet Kintana sy ny FC A Ilakaka
    Newsmada - 04:56 Aug 26, 2024
    Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kin­tana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba […]
  • FLM Andranomadio : Pasitora sy Katekista maty notafihin’ny dahalo
    Newsmada - 04:56 Aug 26, 2024
    Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista… Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mi­fanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:56 Aug 26, 2024
    Tafakatra 2 093,1 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny Fadintserana tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona. Manodidina ny 4 687 miliara Ar kosa ny vina napetraka tao anatin’ny lalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Tokony ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana solika kosa ny ampahefatr’izany. Hanohy […]
  • Lohamenaka : tsy manome afa-tsy ny 1,3% ny filana isika
    Newsmada - 04:55 Aug 26, 2024
    Malaza amin’ny fananana karazan-javamananaina miavaka i Madagasikara. Ani­san’ireo firenena mamokatra karazana lohamenaka maherin’ny 30 tsara kalitao indrindra maneran-tany ihany koa. Tao anatin’ny telo taona, 1,3% monja amin’ny filana maneran-tany sisa no vokatra avy eto an-toerana, raha ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Mitotongana ny vo­katra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ani­san’ny […]
  • Teknika Riz Plus : voafaritra ny paikady hanaovana ny asa
    Newsmada - 04:55 Aug 26, 2024
    Nankatoavina nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa Riz Plus ny paikady hanatanterahina ireo asa atao any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Sofia, ho an’ny taom-piasana 2024-2025. Hojerena ny fampiroboroboana ny fanajariana sy ny fitantanana ny sahandriaka iarahana amin’ny vondron’olona ifotony. Ao anatin’izany ny famolavolana ireo drafi-panajariana sy […]
  • Minisiteran’ny Atitany : hanatratra ireo vina ny minisitra Rahajavololoniaina
    Newsmada - 05:18 Aug 24, 2024
    Nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny Atitany ny minisitra vaovao, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Nametraka fanamby amin’izao andraikitra horaisiny izao ny tenany. Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitra vaovao hisahana ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Niritsoa. Nam­baran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]
    Tags: Atitany
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:17 Aug 24, 2024
    Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifampindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Fanamby napetraky ny minisitra Abdulah Marson Moustapha ny hanafainganana ny fampandrosoana eo anivon’ny MJS. 50 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny basikety ary 45 taona naha mpanazatra azy, Randrianarivelo Deda. Hisy ny fanamarihana izany eto […]
  • Basikety-Mada Vétérans: hiditra amin’ny manasa-dalana, anio
    Newsmada - 05:17 Aug 24, 2024
    Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Raha ny voka-dalao omaly, nandritra ny ampahefa-dalana, nandresy ny La Rénaissance tamin’ny isa 52 no ho 45 ny ekipan’ny As Éclipse, sokajy vehivavy, raha toa ka nahazo ny fandresena nanoloana […]
  • Rugby – Federal 2: hifampitana ny CEA sy ny 3FAI
    Newsmada - 05:17 Aug 24, 2024
    Hitohy etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, rahampitso, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’ny “Federal 2”, taranja rugby. Hanamarika ity andro fahefatra ity ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny 3FAI Ambalavao. Fihaonana hiendrika famaranana kely ary tena andrasan’ny rehetra. Fileovana samy manana ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Anisan’ny ekipa […]
    Tags: Federal
  • Ligue des Champions-Caf : tapitra hatreo ny lalan’ny Disciples FC
    Newsmada - 05:17 Aug 24, 2024
    Tsy nahita fahombiazana tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Disciples FC. Lavon’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo, tamin’ny isa 4 no ho 0 izy ireo, omaly, nandritra ny lalao miverina. Ratsy ny vokatra azon’ny Disciples FC Madaga­sikara, omaly, tany Afrika Atsimo. Tsy tafakatra amin’ny dingana manaraka, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue […]
  • IO VACANCES MAHAJANGA 6 Grotte Belobaka
    Newsmada - 14:31 Aug 23, 2024
    Des anonymes, des fidèles, des familles s’y rendent
  • Tetikasa RINDRA : faritra dimy mbola hisitraka azy
    Newsmada - 05:01 Aug 23, 2024
    Ao anatin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Institut national de la décentralisation et du développement eocal (INDDL). Hiara-miasa amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitalevana mahakasika ny Tetibola sy ny fitantanana fananam-panjakana, amin’izao fotoana izao, izany. Misy […]
  • Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka»
    Newsmada - 05:01 Aug 23, 2024
    Ireo asa misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka no hatao laharam-pahamehana, araka ny nambaran’ny filoha. Hatao mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny minisitera tsirairay mba hahafantarana marina tokoa izany asa ilain’ny vahoaka izany. Nandritra ny fanolorana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, omaly, teny amin’ny La­pam-panjakana Iavoloha, nam­baran’ ny filoham-pirenena, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:00 Aug 23, 2024
    Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vété­rans, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisany hifanandrina amin’izany ny Fitefa sy ny MBB, ny MMBC sy ny BCD, ny La Rénaissance sy ny As Éclipse ary ny Tandem sy ny PMBC. Hatao ny 29 sy […]
  • Taekwondo: 46 mianadahy hiatrika lalao andrana
    Newsmada - 05:00 Aug 23, 2024
    Hotanterahina anio, etsy amin’ny foibe CFFamma Na­ni­sana, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny lalao andrana, « Kyorougui », ho an’ireo mpikatroka taekwondo 46 mianadahy, (23 lehilahy sy 23 vehivavy), sokajy Junior. Atleta nipoitra tamin’ny herinandro voalohan’ny fifantenana ny ekipam-pirenena no manao ity fihaonana ity. Amin’ity herinandro faharoa ity, nilaza ny Tale teknika […]
  • IO TEASER Vacances Mahajanga 6 – Grotte Belobaka
    Newsmada - 11:13 Aug 22, 2024
    A près de 10 kms de l’entrée de la ville, à découvrir et à comprendre comme à respecter

2565 items