Newsmada

Found 2565 news

  • Fifanakalozana ara-barotra: hitohy 10 taona manaraka ny Agoa
    Newsmada - 07:06 Aug 12, 2024
    Tsara ny vokatra. Resy lahatra ny hanohizana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra African Growth and Opportunity Act (Agoa) ny kongresy amerikana, nandritra ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington DC. Andrasana ny fotoana hanavaozana ny lalàna amerikana momba ny fifanakalozam-barotra ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra, amin’ity taona ity. […]
    Tags: AGOA
  • Tsena iraisam-pirenena: hanondrana vary isika amin’ ny taona 2027
    Newsmada - 07:06 Aug 12, 2024
    Mikasa hanondrana vary mainty sy mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara manomboka ny taona 2027 rehefa tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny fampiroboroboana ny vary, SNDR3, ny tetikasa fanondranam-bary ataon’i Mada­gasikara ny taona 2027 raha vao tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Maharitra taona maro ny fanomanana ny […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 07:05 Aug 12, 2024
    Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]
  • Vaovao tambatra
    Newsmada - 06:31 Aug 10, 2024
     Plastika ny 10% ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina. Natao ny 8 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fikambanana Fakotory. Tanjona ny hanodinana ny fako plastika, vita amin’ny akora vinyl, ho lasa kitapo fiantsenana ho solon’ny harona plastika.  Simba ny fitaovana fampiakaran-tosika […]
  • Lalam-pirenena RN7: arahi-maso ny orinasa manarina ny lalana
    Newsmada - 06:30 Aug 10, 2024
    Nijery ifotony tany Ambositra ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 3 aogositra teo. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny fotodrafitrasa (Dinfra) ao amin’ny minisitera foibe, niaraka tamin’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania. Nojerena ny fivoaran’ny asa efa mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito, RN7, eo amin’ny halaviran-dalana, PK 258, eo […]
  • Famatsiam-bola Exim Bank: hatsaraina ny tambajotra herinaratra RIA
    Newsmada - 06:29 Aug 10, 2024
    Misy ny tetikasa goavana, hitaterana herinaratra hanatsarana ny Tambajotra irai­san’Antananarivo (RIA), ho an’ny faritra Analamanga, Vaki­nankaratra ary Itasy. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa « Tana Medium Ring » (TMR) ity asa ity, vatsian’ny banky sinoa Exim Bank. Tanjona ny hampitomboana ny tahan’ny mpanjifa misitraka herinaratra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana […]
  • Karama ambony indrindra: mijanona ho 20 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa)
    Newsmada - 06:26 Aug 10, 2024
    Tsy mitovy avokoa ny hetra alaina amin’ny karaman’ny tsirairay. Mijanona ho 20 % ihany kosa ny tahan’ny Irsa alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra. Manamafy ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) fa mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra taorian’ny filazana niparitaka fa hiakatra ho 25 % […]
    Tags: Irsa
  • Sombim-baovao
    Newsmada - 06:20 Aug 10, 2024
    Nanadio ny Kianja Barikadimy ao Toamasina avokoa ireo klioba sy olon-tsotra ao an-toerana, omaly. Ity fotodrafitrasa ity izay efa nahitana fahasimbana amin’ny toerana sasany. Nitarika ny hetsika ny ligim-paritra Atsinanana izay nanentana mba hikajiana io kianja io, izay hany mampiavaka ny faritra. Nifarana omaly, ny fisoratana anarana amin’ny Mobil Rally […]
  • IO VACANCES MAHAJANGA 4
    Newsmada - 13:25 Aug 09, 2024
    Servir, service, serviable, le quotidien d’un métier;
  • Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf
    Newsmada - 11:47 Aug 09, 2024
    Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary […]
  • Fifaninanana iraisam-pirenena: misongadina amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara
    Newsmada - 11:32 Aug 09, 2024
    Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Mada­gas­car Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana ma­hakasika ny robotika. Fifani­nana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics […]
  • Vaovao tambatra
    Newsmada - 11:30 Aug 09, 2024
    Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]
  • Afo tany Isalo: olona iray voasambotra
    Newsmada - 11:28 Aug 09, 2024
    Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety ma­no­didina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana […]
    Tags: Isalo
  • Taratry ny kanto
    Newsmada - 10:57 Aug 08, 2024
    Any Antsirabe ny Hosana Ambohijatovo. Hisy ny seho indroa miantaona izay hataon’izy ireo, ny zoma 9 aogositra ao amin’ny O’Carrefour ary ny alahady 11 aogisitra, ao amin’ny Kianja Maitso SPAAM Antsenakely. Seho fiderana tafiditra anatin’ny fitetezam-paritra hataon’ izy ireo, ho fanamarihana ny faha-60 taona nisiany izany. Hisy ny atrikasa momba […]
  • Fety aman-danonana: mahazo vahana amin’ny ampahany ny « Gasigasy »
    Newsmada - 10:55 Aug 08, 2024
    Nanana ireo fomba nentiny nanatanteraka lanonana ny Malagasy. Niova tsikelikely izany taty aoriana. Tafiditra rahateo ny atao hoe « fety »… Amin’izao vanim-potoana izao, maro ny miezaka mamerina ny fahiny. Saingy, amin’ ny ampahany ihany . Rehefa mandia fotoan-dehibe ifaliana ny Mala­gasy, manatanteraka lanonana izy. Fitokanana trano vao vita, fitsofan-drano samihafa, fifampiarahabana isan-karazany, […]
  • Sombim-baovao
    Newsmada - 10:50 Aug 08, 2024
    Nasehon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseratserany, omaly, fa hatao ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Rades Tunisie avokoa ny lalaon’ny Barea, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2025. Ny 5 septambra lalao atao amin’i Tunisie.Ny 9 septambra kosa no hifanandrina amin’i Comores. Hotontosaina […]
  • Wake Up 2024: tsy nitsanga-menatra ny Malagasy
    Newsmada - 10:47 Aug 08, 2024
    Nampiseho ny vokatra azon’ireo solontena malagasy, niatrika ny fifaninana dihy ho an’ny ranomasimbe Indiana, ny federasiona malagasin’ny “danse urbaine”, ny talata lasa teo. Fifaninanana natao tany Maorisy ny 18 hatramin’ny 21 jolay ka mpandihy malagasy 3 no nifaninana tamin’izany. Samy nahazo vokatra tsara avokoa izy 3 mianadahy ireo. Nahazo ny […]
  • Vaovao tambatra
    Newsmada - 07:56 Aug 07, 2024
    Mahatratra 55,5 taonina ny horita azon’ireo mpanjono ao amin’ny faritra SAVA nandritra ny fisokafan’ny Jono tao an-toerana, ny 01 aogositra teo. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-mitantana ny harena anaty rano iarahan’ny minisitera sy ny mpanjono madinika. Marihina fa nikatona roa volana ny jono horita tao Sava. Hiverina amin’ity volana ity ny […]
  • Sandam-bola ariary: manodidina ny 5 000 Ar ny 1 euro
    Newsmada - 07:52 Aug 07, 2024
    Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola ariary. Mano­didina ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro, ankehitriny. Raha ny tsenam-bola navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly 6 aogositra, misanda 4 941 Ar ny 1 euro, ary 4 565 Ar ny 1 dolara. Mandrindra ny lafiny sandam-bola ny BFM. Araka ny fampahalalam-baovao navoakany, […]

2565 items