Newsmada

Found 2565 news

  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 06:02 Aug 31, 2024
    Nanatanteraka fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, ny alakamisy lasa teo. Nambarany fa voafaritry ny didy aman-dalàna tokony hotanterahin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fanambaram-pananana ka izany no antony nanaovany izany vantany vao nandray ny toerana maha minisitra azy izy. Nahita vokatra […]
  • Baolina kitra – « Can 2025 »: hanala vela amin’i Tunisie i Madagasikara
    Newsmada - 06:02 Aug 31, 2024
    Hotanterahina ny 5 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Hamadi Aguerbi Rades, Tunisie, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro voalohany, fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc. Mbola manala vela ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity […]
    Tags: Tunisie
  • Karate-Afrika Cadets/Juniors: mpikatroka 6 mianadahy hisolontena ny Malagasy
    Newsmada - 06:02 Aug 31, 2024
    Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 8 septambra izao, any Tunis Tunisie, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, ho an’ny sokajy Juniors, latsaky ny 21 taona. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha, ny delegasiona handeha. Mpikatroka 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena any Tunisie, mandritra ny fiadiana ny […]
    Tags: Juniors
  • Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad): 809 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola
    Newsmada - 06:01 Aug 31, 2024
    Feno 60 taona ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) izay niforona ny taona 1964. Niditra ho mpikambana ao anatiny i Mada­ga­sikara nanomboka ny taona 1976 ka ny fanamboarana ny lalana tao Bealanana no tetikasa voalohany notohanan’ity banky ity. Tao anatin’ny 48 taona, miisa 155 ny tetikasa notohanana sy notanterahin’ […]
    Tags: Banky
  • IO Vacances Mahajanga 7- Karana
    Newsmada - 15:09 Aug 30, 2024
    Descendance et Appartenance, l’histoire
  • Karazan-javamananaina :ampitoviana ny fomba fijery amin’ny fikajiana azy
    Newsmada - 04:23 Aug 30, 2024
    Hampitoviana ny fomba hanatrarana ny tanjona fahatelo voaraikitry ny Lasitra maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, antsoina hoe 30×30. Satria tsy afa-misaraka ny fampandrosoana, ny fanomezan-danja ny maha olombelona ary ny fikajiana ny karazan-javamananaina. Voafaritra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fifahasamihafan’ny zavamananaina (CDB) natao tany Rio Brezila, ny taona 1992, izay nankatoavin’i […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:22 Aug 30, 2024
    Manakaiky ny ampahefatry (1/4) ny asa ny fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tokony ho vita amin’ny volana mey 2026 ity asa ity, mirefy 9,6 km, tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Ho ampiasain’ny fanjakana ny ambim-bolan’ny Fidirambolan’ny fanjakana madiodio (Rpi) tsy lany tamin’ny […]
  • Tetikasa PTaso : hampandroso ny indostrialy
    Newsmada - 04:22 Aug 30, 2024
    Hampihena ny fanafarana vokatra ara-pambolena voahodina sy hanatsara ny fiarovana ara-pahasalamana ary hanatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny mpamboly mpandraharaha ny tanjon’ny tetikasa PTaso. Hampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ihany koa. Ankehitriny, mametraka ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny […]
  • Angovo azo havaozina : hizara traikefa ireo matihanina
    Newsmada - 04:21 Aug 30, 2024
    Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio. Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, raham­pitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamoka­rana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo […]
  • Ambalamanasy- Toamasina : Tovolahikely 17 taona namaky trano
    Newsmada - 04:39 Aug 29, 2024
    Efa notaterina teto amin’ny lahatsoratry ny gazety matetika ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitr’ i Betsimisaraka. Lasa mirona any amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny famakiana trano sy ny fanendahana ireo tanora sy ankizy, ankehitriny. Saika latsaky ny 17 taona avokoa ny ankamaroan’ireo olon-dratsy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Misy aza 12 sy […]
  • Fahasalamam-bahoaka: handao an’i Madagasikara ny Mercy Ships
    Newsmada - 04:39 Aug 29, 2024
    Tapitra ny fotoana hiasan’ny Mercy Ships eto Madagasikara. Handao ny Nosy amin’izay ity sambo mpanao asa soa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ity. Enim-bolana izay no na­hatongavan’ny sambo Mercy Ships  teo amin’ny seranan-tsambon’ i Toa­masina. Ankehitriny, miomana hitodi-doha hiverina any amin’ny firenena niaviany amin’izay ity sambo lehibe nisahana ny fahasalamam-bahoaka […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 Aug 29, 2024
    Hiverina amin’ny alahady 1 septambra izao, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “Top 12”. Fihaonana telo hatao eny amin’ny kianja Makis, izay tafiditra amin’ny andro fahadimy. Lalao goavana ny an’ny TFA sy ny Tam ary ny Uscar sy UASC Cheminots. Ny Cosfa kosa hifampitana amin’ny Mang’Arts. Hotanterahina […]
  • « Festival Alefa Parkour »: hizara traikefa i Charles Perrière
    Newsmada - 04:38 Aug 29, 2024
    Nanomboka, omaly, ary hotohizana hatramin’ny 8 septambra izao, eny amin’ny Parvis Hôtel de Ville Analakely ny andiany fahatelo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Par­kour. Hifanindry an-dalana amin’izany ny andro olympika, izay hatao eny Analakely ihany koa, ny 31 aogositra sy 1 septambra. Hatolotra amin’io fotoana io ireo atleta malagasy […]
  • Fampandrosoana: tombanana hiakatra 4,5% ny harinkarena faobe
    Newsmada - 04:48 Aug 28, 2024
    Vinavinaina hiakatra 4,5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara, amin’ity taona ity, araka ny tatitra « Rapport Pays 2024 » navoakan’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tokony hiakatra 5,3% izany ho an’ny taona 2025 rehefa nahitam-piakarana 4,4% tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe «Impulser […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:48 Aug 28, 2024
    Tetikasa roa lehibe amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no anisan’ny vinan’ny fanjakana amin’ny taona 2025. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola vahiny mivantana (IDE), izay fanoitra lehibe hampiakatra fiharian-karena, hiteraka asa, sady hampandroso mivantana ny eny ifotony. Vinavinaina amin’izany ny tetikasa Base Toliara. Vita avokoa ny 60% ny asa ho an’ny […]
  • Tetikasa Tefiala: hanajary atiala 49 000 ha
    Newsmada - 04:48 Aug 28, 2024
    Vina apetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hanatsara ny endri-tany sy ny hanarina ifotony ny atiala mba ho lovain-jafy. Voafaritra nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana mpanapa-kevitry ny « Comité de pilotage » eo anivon’ny Tetikasa Tefiala ny hanajariana velarantany 49 000 […]
  • Fem-9: vinavinaina ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo
    Newsmada - 04:48 Aug 28, 2024
    Atao eto Antananarivo, ny 27, 28 ary 29 aogositra izao, ny fivoriana Dinika nasionaly mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem), andiany faha-8. Fotoana ijerena ny zava-bita sy ny hanatsarana ny hoavy. Misitraka ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem) i Madagasikara, na­nom­boka ny taona 1994. Antony, […]
  • Rugby – Top 20 : resin’ny 3FAI tamin’ny mokafohy ny CEA
    Newsmada - 04:52 Aug 27, 2024
    Tontosa ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Mala­cam Antanimena, ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja rugby “Top 20”. Nisongadina tamin’ireo lalao rehetra ny fihaonana teo amin’ny 3FAI Ambalavao Isotry sy ny CEA Andra­no­manalina. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary tany amin’ ny segondra farany vao […]

2565 items