Newsmada

Found 2565 news

  • Tenisy- Davis Cup: nandresy an’i Libye, laharana voalohany i Madagasikara
    Newsmada - 06:32 Jul 19, 2024
    Niampy indray ny fandresena ho an’ny ekipam-pirenana malagasy, taorian’ny andro faharoa. Resin’i Madagasikara 3 no ho 0 i Lybie, tamin’ny fifaninanana «Davis Cup » taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5, atao atsy Botswana. Mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C i Mada­gasikara taorian’ny andro faha­roan’ny fifaninanana «Da­vis […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 06:31 Jul 19, 2024
    Miisa 10 000 ny zana-trondro nozaraina tamin’ ny mpiompy trondro tilapia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny 16 jolay teo. Mpiompy miisa 23 ny mpisitraka avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Farafan­gana ary Vondrozo. Nano­lotra izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Jono, entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Hahodina ho angovo madio « biomé­thane » […]
  • Tsy fisian’ny orinasa : Sakana ho an’ny fampandrosoana ao Toliara
    Newsmada - 06:30 Jul 19, 2024
    Mibahan-toerana ny tsy fisian’ny asa any Atsimo An­drefana. Anisan’ny manana izany fijery izany i Bokassa, fi­lohan’ny fikambanana Zatovo tsy an’asa any Toliara. « Tsy azoko mihitsy ny zava-misy, mitady fanampiana ara-bola etsy sy eroa ny fanjakana, nefa samy manana ny otrikarenany daholo ny rafitra tsirairay, ary anisan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy », […]
    Tags: Toliara
  • Baolina kitra – Fifaninanam-pirenena: niova anarana ho “World Cola League des champions”
    Newsmada - 04:57 Jul 18, 2024
    Niova ho “World Cola League des champions” indray ny anaran’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manomboka izao. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny orinasa Star ny Federasiona malagasy (FMF). Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ny sokajy «D2 Na­tional». Io no votoatin’ny fihaonan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:56 Jul 18, 2024
    Niteraka fimenomenonana teo amin’ireo ekipa vahiny ny tsy fahatongavan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball nanatrika ny fiadiana ny CCCOI, natao tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 9 ka hatramin’ny 16 jolay lasa teo. Rehefa nanontaniana ny tomponandraikitra, ny tsy fahasalamany no antony tsy nanatrehany izany. Hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy […]
  • Barea de Madagascar: mpilalao 9 tsy manana klioba
    Newsmada - 04:55 Jul 18, 2024
    Efa saika tapitra avokoa ny fifanarahan’ireo mpilalaon’ny Barea amin’ny klioba nisy azy any Eoropa any, amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroany, tsy nanaiky ny hanavaozana ny hitohizany tao amin’ireo ekipany teo aloha ny tomponandraikitra. Fantatra àry fa miisa 9 ireo tsy mbola manana klioba hilalaovana ankehitriny. Anisan’ireny i Sonny Laiton, mpiandry […]
    Tags: Barea
  • Tenisy – Davis Cup : nandresy an’i Lesotho ny Akomba de Madagascar
    Newsmada - 04:55 Jul 18, 2024
    Nahazo fandresena avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy, ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny «Davis Cup »,taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 0 i Lesotho. Tsara fanombohana ny Akomba de Madagas­car, teo amin’ny fiadiana ny «Davis Cup», taranja […]
  • Star – Kaonsilin’i Monaco : notolorana fitafy mafana ny zokiolona marefo
    Newsmada - 04:54 Jul 18, 2024
    Mitohy ny asa sosialy amin’ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) ataon’ny Star. Anisan’ izany ny fitsinjovana ny zokiolona sy ny ankizy any amin’ny tokantrano sahirana. Nosa­fidiana manokana ny zokiolona marefo ho an’ity taona ity, niarahana tamin’ny Kaon­silan’i Monaco. Miisa 100 ny zokiolona any amin’ny fokontany 10, eto Antananarivo, notolorana lamba firakotra […]
  • Fampandrosoana : mila tohana ny tanora malagasy
    Newsmada - 05:06 Jul 17, 2024
    Latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% ny Malagasy. Tom­­bony izany eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampiasam-bola. Ho an’i Madagasi­kara, manodidina ny 37,9% ny tahan’ny fananan’asa ka lehilahy avokoa ny ankamaroany. Mahay mamorona sy manan-talenta ny tanora malagasy. Betsaka ireo mandraharaha noho ny tsy fahitana asa saingy sakana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:06 Jul 17, 2024
    Voafidy ho Sekretera jeneralin’ny vaomieran’ ny ranomasimbe indianina (COI) ny minisitra Raza­findravahy Edgard. Haharitra efa-taona ka hifarana ny taona 2028 ny fe-potoana hiasany. Hiitatra hatramin’ny taona 2029 kosa izany raha ampiharina ny « Accord de Victoria ». Araka ny fepetran’ny ladoany malagasy, tsy andoavana haba ny zava-pisotro misy alikaola tsy mi­hoatra ny […]
  • Toamasina: ho vita tanteraka ny arabe Ratsimilaho
    Newsmada - 05:06 Jul 17, 2024
    Mitohy ny fanohizana ny fanarenana ny arabe Boulevard Ratsimilaho any Toamasina. Ho vita tanteraka anio 17 jolay, ny fan­­drakofana godirao ny ampahany faharoa ny asa, mirefy 1,6 km. Miainga eo amin’ny Miou Miou Salazamay hatreo amin’ny Lisea Rabemananjara. Hatao aorian’izany ny fandokoana ny marika famantarana amin’ny arabe rehetra. Eo am-panomanana […]
  • Haban-tseranana : handoavana haba ny entana mihoatra amin’ny fetr’isa
    Newsmada - 05:05 Jul 17, 2024
    Misy ny bokikely hamantarana ny isa sy ny karazan’entana azon’ny mpandeha entina miditra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Azo ampiasaina koa ny finday avo lenta hidirana ao amin’ny fitaovana niomerika eTariff. Natao, omaly, ny fivoriana nokarakarain’ny Fitan­ta­nana foibe ny haban-tseranana (DGD) malagasy, niaraka tamin’ireo mpisehatra sy manan-draharaha aminy. Nifantoka tamin’ny Fifana­ra­hana hanamorana […]
  • Fitomboan’ny mponina : ilaina ny fandrindram-piterahana
    Newsmada - 04:52 Jul 16, 2024
    Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindram-piterahana. Olana rahateo ny fahabetsahan’ny mponina ka antony nahatonga ny teo anivon’ny fitondram-panjakana nametraka politika mazava momba ny fandrindram-piterahana, araka ny fanazavan’ny mpitarika ny fiarahamonim-pirenena sady sefo fokontany Anosizato Atsinanana, Rafano­me­zan­tsoa Jean Nirina. Nambarany fa miteraka fahantrana lalina ny fitomboan’ny mponina diso tafahoatra amin’izao fotoana […]
  • Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hosorohina ny fivoahan’ny laza adina bakalorea mialoha ny fotoana
    Newsmada - 04:52 Jul 16, 2024
    Nametraka fanamby goavana. Hanomboka ny faha-22 jolay ho avy izao ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Mesupres) fa efa vonona izy ireo. Nambaran’ny minisitra mpi­solo toerana, Ravo­ka­tra Fidiniavo, fa efa vonona amin’ny fitaovana sy ny fandaminana rehetra ny fanjakana. Eo koa […]
  • Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte
    Newsmada - 04:51 Jul 16, 2024
    Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]
  • «Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argen­tine ny amboara
    Newsmada - 04:50 Jul 16, 2024
    Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, […]
  • Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus
    Newsmada - 04:50 Jul 16, 2024
    Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Ma­dagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]
  • “Forum Mini-Basket” : ankizy 400 hanaraka fiofanana
    Newsmada - 04:53 Jul 15, 2024
    Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”. I Madagasikara no mampiantrano ity andiany faha-6 ity, izay hositrahin’ny ankizy miisa 400 manerana ny Nosy. Atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay ahitana fampiofanana isan-karazany. Mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina 15 ihany koa […]
  • Tombola Miara-manorina mba haharitra : lasan’i Bruno mpanjifa avy eto Antananarivo ny loka lehibe
    Newsmada - 04:53 Jul 15, 2024
    Ho fanomezan-danja ny akora vokariny, nampanao fifaninanana « Tombola » ho an’ireo mpanjifany ny orinasa Alpha ciment. Norombahin-dRafaralahindrianiaina Bruno avy eto Antananarivo ny loka goavana. Natao ny alarobia 10 jolay lasa teo, tetsy Tsaralalàna, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa nahazo tamin’ny «Tombo­la Miara-manorina mba haharitra», nokarakarain’ny orinasa Alpha […]

2565 items