Newsmada

Found 2565 news

  • Course de côte defi Bardahl: hiditra amin’ny dingana fahefatra
    Newsmada - 04:58 Jul 24, 2024
    Hotanterahina ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 jolay ho avy izao ny dingana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny Slalom sy ny Course de côte defi Bardahl 2024. Fifaninanana karakarain’ny klioba TACS ary hatao eny amin’ ny vohitr’i Manintona sy Ambohidava. Lalan-tany mirefy 2,83 km no hifaninanana amin’ity. Fihaingana eo Manintona […]
  • Ping pong – Tompondakan’i Afrika: nahazo ny laharana fahatelo i Madagasikara
    Newsmada - 04:58 Jul 24, 2024
    Nahavita zavatra goavana nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Botswana ny ekipa malagasy, ny herinandro lasa teo. Manana fanamby ny hiatrika lalao maneran-tany izy ireo. Tsara ny vokatra! Mada­gasikara no nahazo ny laharana fahatelo ta­min’ireo firenena 17 nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, […]
    Tags: Afrika
  • Soavina : tratra ilay tovolahy nangalatra vola vidina kisoa
    Newsmada - 04:57 Jul 24, 2024
    Tratran’ny zandarimaria ny tovolahy iray nangalatra vola vidina kisoa nitetina an-tapitrisany tao Isaingy, kaominina Ampanefy, afakomaly. Niasa tao amin’ny mpampiasa anatin’io kaominina io izy. Nahalafo kisoa izay ompiany ao an-tanàna ny mpampiasa ka nanomboka hafahafa ity tovolahy ity, ny 13 jolay teo. No­robainy tokoa ny vola vidin’ny kisoa. Nandositra izy […]
  • Rugby – «Top 20»: hifindra etsy Malacam ny fifaninanana
    Newsmada - 05:01 Jul 23, 2024
    Hotanterahina etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana “Top 20, taranja rugby”. Antony, mba tsy hampitarazoka ny lalao izay mifanindran-dalana amin’ny “Top 12”. Manomboka ny alahady 28 jolay ho avy izao, hifindra etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondaka ho an’ny “Federal 2” na ny “Top […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:00 Jul 23, 2024
    «Concert best of 110 ème STK». Seho an- tsehatra hotontosaina eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala. Ny Sampana tanora kristianina ao an-toerana no hihira ny sanganasan’i Henri Ratsimbazafy, Ndrantoson Georges, Bessa, Noel Rakotoarivony, Mamiharilala Rasolojaona, Dr Miharilaza Andriamiadamahatratra, Aimé Raoeliarijaona. Seho an-tsehatra hiarahan-dry zareo amin’ny Elsie, Mahery ary Lilie. Hitendry ny […]
  • “Mada Gospel Festival” : tarika ampolony no handray anjara
    Newsmada - 05:00 Jul 23, 2024
    Maro ireo mpanakanto namaly ny antso. Tsy hifanotrona amin’ny Tana Gospel Choir fotsiny fa tena handray anjara feno amin’ny hetsika izy ireo. Maro mpanaraka ireo “Mada Gospel Festival Challenge”. Nampidi­tra an’ity hetsika lehibe voalohany ho an’ny gospel ity izany, nandritra ny andro vitsivitsy. Ni­tondrana lohahevitra mifandray amin’ny gospel, izay nalefa […]
  • Kitra – D2 Nasionaly : tanjon’ny AS St Anne ny hiakatra PFL
    Newsmada - 04:59 Jul 23, 2024
    Hanainga anio, hihazo an’i Vohémar, ny tompondakan’ny ligin’Analamanga 2024, AS St Anne. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Manana tanjona goavana ity klioba ity, ary fanamby apetrak’izy ireo ny hiakatra amin’ny fifaninanam-pirenena […]
    Tags: Anne
  • Tenisy – Davis Cup 2024 : laharana fahadimy ny Akomba de Madagascar
    Newsmada - 04:59 Jul 23, 2024
    Teo ho eo ny vokatra azon’ny Akomba de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny «Davis Cup 2024», sokajy «sénior», lehilahy, eo amin’ny taranja tenisy. Tsy nisondrotra ny sokajy saingy nitana ny laharana fahadimy. Nifarana ny alahady lasa teo, tany Botswana, ny fiadiana ny «Davis Cup 2024», taranja tenisy ho an’ny sokajy […]
  • IFVM: 31 000 ha ny velaran-tany namonoana valala
    Newsmada - 04:56 Jul 22, 2024
    Nanomboka ny 6 jolay 2024 ny hetsika famonoam-balala ana habakabaka ataon’ ny Ivontoerana famonoana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Tanteraka izany vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny Fida, nataon’ny tetikasa Defis, ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nahatratra 2 150 ha ny velaran-tany voatondraka fa­nafody nataon’ny […]
    Tags: IFVM
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:56 Jul 22, 2024
    Niato tampoka ny zotra mpitatitra herinaratra any Andekaleka, omaly. Tsy ampy, araka izany, ny tanjaky ny herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Anta­nanarivo (RIA). Efa eo am-panarenana ny teknisian’ny Jirama mikirakira ny tanjaka ambony (high voltage), ary hiverina tsikelikely ny famatsiana. Miisa 12 500 ny zana-trondro tilapia natolotry ny minisiteran’ny Jono, ny […]
  • Tohodrano any Anosy : ahazoana voka-bary 3 taonina isaky ny hekitara
    Newsmada - 04:55 Jul 22, 2024
    Anisan’ny asa iarahan’ny fandaharanasa PA2R, ny Defis, ny Tahirimbola iraisam- pirenena hampiroboroboana ny fambolena ary ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny fanamboarana na fanarenana fotodrafitrasa, toy ny tohodrano. Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny solontena maharitra ny Fida, i Joseph Biwole, ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharanasa Defis, Randrianaritiana […]
  • Tetikasa Efaho: ho vitaina amin’ny desambra ny asa dingana voalohany
    Newsmada - 04:55 Jul 22, 2024
    Mandeha ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa amin’ny tetikasa fitarihana rano fisotro sy ho an’ny fambolena, miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Misy zotra mifanandrify sy mifanapaka amin’ny lalana RN 13 ihany koa ny asa hatao. Mifantoka amin’ny fitaterana rano fisotro ma­dio sy ho an’ny fambolena avy any amin’ny reni­ranon’Efaho any Taoganaro […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:54 Jul 22, 2024
    Manomboka androany ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. 218 359 ireo mpiadina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanao ny ezaka rehetra hampizotra tsara ny fanadinana ny tomponandraikitra. Tsy tokony hanadino ny taratasy fiantsoana sy ny karatra famantarana ho mpiadina ireo mpianatra, isan’andro. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa fampiofanana […]
  • Recapitulation 1 Vacance Mahajanga 1
    Newsmada - 05:30 Jul 20, 2024
    Empreintes de destinations de la saison 2023 – 2024
  • Lalana RN 6 : vita ny 50% ny Ambilobe-Antsiranana
    Newsmada - 05:21 Jul 20, 2024
    Mamatsy vola ny fanarenana ny lalana Ambilobe-Antsi­ra­nana ny Vondrona eoropeanina ara-bola. Vita hatrany amin’ ny 50% ny asa ataon’ny orinasa Colas. Mitohy koa ny fanarenana ny ampahan-dalana Ambanja – Ambilobe, izay efa vita ny 1/3 amin’ny asa. Vita hatrany amin’ny 90% kosa ny fanamafisana ny fivilian-dalana PK 568, any amin’ny […]
  • Tobim-pakon’Andralanitra : ahodina ho «biométhane» sy zezika ny fako
    Newsmada - 05:21 Jul 20, 2024
    Ahodina ho entona « biométhane » sy zezika ho an’ny fambolena ireo fako mitoby eny Andralanitra. Nametraka ozinina eny an-toerana ny orinasa Apis Solutions. Hioty ny vokatra voalohany isika ny volana jolay 2025. Natomboka tamin’ny fo­m­ba ofisialy ny alakamisy teo, teny Andra­la­nitra, ny tetikasa fanodinana ny fakon’Andralanitra ho lasa entona […]
  • «Festival deux roues» : hamory mpitondra moto miisa 30 000
    Newsmada - 05:20 Jul 20, 2024
    Hatao ny 3 sy 4 aogositra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny hetsika goavana «Festival deux roues», andiany voalohany. Mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Airtel Madagasikara. Tanjona ny hamoriana mpikirakira moto maherin’ny 30 000 amin’ io fotoana io, ahitana mpitondra, klioba, federasiona, fikambanana, sns. Lohahevitra noraisina ny […]
    Tags: Festival
  • Fitaterana : miara-mientana ireo hery velona rehetra
    Newsmada - 05:19 Jul 20, 2024
    Nifanatona ireo mpitatitra amin’ny zotra an-dRenivohitra sy ny manodidina, ireo zotra nasionaly sy rezionaly ary ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Fihaonana nahafahana nifampizara ireo vaovao mahakasika ny ezaka fanamafisana ny aro lozan’ny fifamoivoizana samihafa. Nisongadina, tamin’izany, ny fametrahana ny komitim-pirenena misahana ny aro loza amin’ny fifamoivoizana izay […]
  • Forum – Mini-basket : nahatratra 410 ireo ankizy nandray anjara
    Newsmada - 06:32 Jul 19, 2024
    Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”, andiany fahenina. Ankizy miisa 410 mianadahy, manerana ny Nosy, no nisitraka ny fiofanana nandritra ny efatr’andro teny an-toerana. Tsara marihina fa atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay nahitana fampiofanana isan-karazany. Tsiahivina fa mpanazatra 70 […]

2565 items