Newsmada

Found 2195 news

  • Inter-Media 2024 : fantatra ireo ekipa iray vondrona
    Newsmada - 04:56 May 02, 2024
    Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) etsy Ambohidahy, ny antsapaka ahalalana izay iray vondrona amin’ny fifaninanana iraisan’ny mpampahalala vaovao na ny Inter-Media 2024. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina, ny sabotsy 4 mai ho avy izao. Anisan’ireo manana ekipa be indrindra ny vondrona Ultima-Media, misy ny […]
  • Rugby – «Can vehivavy 2024» : nahazo fankatoavana ny kianja Makis Andohatapenaka
    Newsmada - 04:56 May 02, 2024
    Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Maki. Nankatoavin’ny Rugby Afrique fa mahafeno ny fenitra sy ny fepetra takina ny toeram-pilalaovana eny Andohatapenaka. Tsy misy ahiahy intsony fa hotanterahina eto Ma­dagasikara, manomboka ny sabotsy 4 mai ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 […]
  • Fandrobana taxi-moto: jiolahy iray maty, roa azo sambo-belona
    Newsmada - 04:55 May 02, 2024
    Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny zandarimaria ny jiolahy iray tompon’antoka tamin’ny halatra moto tao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny alatsinainy 27 avrily teo. Lehilahy miisa efatra nanofa taxi-moto niainga tao Arivonimamo hihazo an’i Miandrandra. Namoaka basy anefa ireo olon-dratsy tao Ankilomaka. Voatifitra ny iray tamin’ireo mpitondra moto. Nahay nandositra ny […]
  • grevy teny vontovorona: Raikitra ny tora-bato sy grenady
    Newsmada - 04:54 May 02, 2024
    Nirefodrefotra indray ny grenady lakrimozena teny Von­tovorona nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra, afakomaly. Tsy nifan­kahitana ihany koa ny tora-bato sy tapa-biriky. Teo koa ny fandorana kodiarana. Nipari­taka manerana ny lalana ny tapa-biriky sy vato ary siniben-drano iray. Mpianatra iray naratra nandritra ny fifando­nana teo amin’ny mpianatry ny politeknika sy ny […]
  • Un soir une vie: Sujet 1 LE COUPLE
    Newsmada - 15:02 Apr 30, 2024
    Besoin d’une oreille, d’un conseiller, votre couple va mal? Participez, en tout anonymat à « Un soir, Une vie » la toute nouvelle émission radio sur Alliance 92FM, avec le Dr. Raharison Andrinaina, coach et psychothérapeute. N’attendez plus, inscrivez-vous gratuitement au 038 11 420 15 et ne ratez pas la […]
  • Un soir une vie
    Newsmada - 11:25 Apr 30, 2024
  • Yfomac Initiative : mpilalao telo vavy homena 50 dolara isam-bolana
    Newsmada - 04:43 Apr 30, 2024
    Miditra amin’ny sehatra matihanina ny Yfomac Initia­tive, izay efa 5 taona. Hany sekolin’ny baolina kitra tokana mitaiza tovovavy fotsiny eto Madagasikara. Hiara-kiasa amin’ny ilay vovonana Next Best Player any New –York izy ireo. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Andoha­tape­naka ny fifanarahan’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany i Yannick Davidson, filoha […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:43 Apr 30, 2024
    Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Ambohijatovo, fa handray ny « Africa Cup 2024 », taranja basikety 3×3, lahy sy vavy, i Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifanintsanana ity, efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisana azy. Notanterahina ny alahady lasa teo, […]
  • Ligue des Champions 2024: hanala vela amin’ny Real ny Bayern
    Newsmada - 04:43 Apr 30, 2024
    Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Alle­magne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Anisan’ny […]
  • Lalana RN35 : narenina vonjimaika ny tetezan’i Berintsa
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalam-pirenena RN 35, mampitohy an’i Malaimbady sy Morondava, faritra Me­nabe. Raha tsiahivina, nahatsikaritra ny fahasimbana teo amin’ny tetezan’i Berintsa (PK 357 + 900) ny ekipan’ny Fitan­tanam-paritry ny Asa vaventy DRTP any Menabe, ny alarobia 24 avrily teo. Niteraka […]
    Tags: Berintsa
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Vita ny tohodrano afaka manondraka velaran-tany 383 ha any amin’ny lemak’i Manambaro, faritra Anôsy. Zara raha 147 ha ihany no afaka nohajariana tany aloha. Efa rakotra vary daholo ny 70% ny lemaka, ankehitriny, ka miisa 430 ny fianakaviana misitraka azy. Ao anatin’ny tetikasa “Defis”, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) ity zava-bita […]
  • Angovo azo havaozina: tohana ho an’ny orinasa madinika PME
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Natao ny zoma 26 avrily teo, teto Antananarivo, ny fanombohana ny « Fandaharanasa tohana ho an’ny mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina maharitra » (IED). Tafiditra ao anatin’ny Famatsiam-bola ho an’ny mpisehatra voakasika amin’ny angovo azo havaozina (FIER), avy amin’ny tahirim-bola ho an’ny Tanjona ho fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny […]
  • Taolagnaro : tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 8MW
    Newsmada - 04:56 Apr 29, 2024
    Miampy hatrany ny famokarana angovo azo havaozina any Taolagnaro. Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ary hiampy famokarana azo avy amin’ny rivotra ihany koa Notokanana ny sabotsy 27 avrily teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Ehoala Taolagnaro. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa QMM […]
  • «JURISPRUDENCE» : atrikasa ho fampanaraham-penitra
    Newsmada - 04:55 Apr 29, 2024
    Notanterahina tany Ampe­fy, ny 25 sy 26 avrily 2024 lasa teo, ny atrikasa ho an’ny fanaraham-penitry ny “Jurispru­den­ce” eto Ma­dagasikara. Ni­von­drona ta­min’ity atrikasa ity ny komitin’ny fandinihana sy ny fanamarinana ary ny fanaraha-maso ny fanajariana ny lalàna eo anivon’ny Fitsarana eto Madagasi­kara. Tanjona lehibe amin’ny atrikasa ny ha­nangona sy handamina […]
  • Fambolena voatabia
    Newsmada - 15:05 Apr 27, 2024
  • Kitra – Fanemorana ny «Play-offs» : “Fanapahan-kevitry ny FMF fa tsy an’ny CFEM”, hoy i Tôta
    Newsmada - 05:05 Apr 27, 2024
    Manoloana ny fihemoran’ny dingana ampahefa-dalana mandroso amin’ny “Play-offs”, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na ny “Pureplay football league” (PFL), nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), omaly zoma, tao amin’ny tabajotran-tseraserany, fa fanapahan-kevitry ny federasiona izany fa tsy azy ireo. Raha tsiahivina, ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:04 Apr 27, 2024
    Araka ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nanapa-kevitr’izy ireo ny handoavana ny tambin-karaman’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy A. Tsiahivina fa io no anisan’ny olana tsy nahafahan’ireo mpilalao milaravinahitra sasany namonjy ny lalao ara-pirahalahiana teto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao. Afaka andro vitsy, hiatrika ny fiadiana ny ho […]
  • “Africa cup – 3 x 3” : hatao eto Madagasikara
    Newsmada - 05:04 Apr 27, 2024
    Nankatoavin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia lasa teo, ny hanatontosana ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika “Africa cup” lalaovin’olona 3, ho an’ny sokajy lehilahy, taranja basikety. Hatao ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izany. Raha tsiahivina, efa nambaran-dRamaro­son Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny […]
    Tags: Africa
  • Judo – Tompondakan’i Afrika : nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura
    Newsmada - 05:04 Apr 27, 2024
    Atleta malagasy iray tamin’ireo efatra mianadahy nahazo vokatra tsara, Rasoanaivo Laura, vehivavy judoka, medaly alimo, teo amin’ny sokajy (-70 kg). Hiatrika ny lalao isan-tarika indray ny ekipam-pirenena malagasy rahampitso. Tsara ny vokatra ho an’ny solontenan’i Madagasi­kara, omaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Egypte, taranja Judo, sokajy senior, […]

2195 items