Newsmada

Found 2370 news

  • Mobile banking : Hanara-maso ny olan’ny Mvola ny MNDPT
    Newsmada - 05:20 Nov 24, 2025
    Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampa­hibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fa­nitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana ny haitao ara-ka­jy mirindra, ny paositra ary ny […]
    Tags: MVola
  • Fizarana « Kits solaires »: Iray vina ny Paositra Finances sy ny Mbalik
    Newsmada - 05:20 Nov 24, 2025
    Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vo­katra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 05:19 Nov 24, 2025
    Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. […]
  • Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim
    Newsmada - 05:18 Nov 24, 2025
    Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim). Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra […]
    Tags: Cnim
  • Rugby – “XXL Top 12”: Nosahiranin’ny STM ny FTM
    Newsmada - 05:18 Nov 24, 2025
    Nitohy omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny andro fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 12”. Nosahiranin’ny STM, ny FTM Manja­karay. Na resy tamin’ny isa 43 no ho 33 aza ny Savony, nampiseho endri-dalao nahafinaritra, izay nanahirana an-dry zareo FTM, izy ireo. Nisy fotoana nahafahan’izy ireo namadika ny isa […]
  • CHAT TOUT NET
    Newsmada - 14:14 Nov 22, 2025
  • CATI: Manamafy ny fikarohana hanatsarana ny toekarena
    Newsmada - 05:14 Nov 22, 2025
    Hanamafy ny fifaninanana ara-toekarena, hanohanana ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-teknolojia ary hanome sehatra ahafahan’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpamorona ary orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny ivontoerana fanohanana ny teknolojia sy ny fahitana vao (Cati). Kendrena ny hahafahan’ny mpandraharaha mivelatra, ahafahany mikaroka sy manamafy ny fahaiza-manaony. Manana tahirin-kevitra hatrany amin’ny […]
  • Trafika ana harem-pirenena: Varika miisa 10 saika haondrana any Dubaï
    Newsmada - 05:13 Nov 22, 2025
    Tambajotra mpanondrana biby arovana, ahitana Malagasy sy vahiny, voasambotra rehefa nikasa hivoaka an’i Madagasikara, nitondra varika miisa 10. Tra-tehaka tao ambany rihana an’ny tranobe iray etsy Ambohimiandra ireo varika miisa 10 nafenina sy nomanina haondrana an-tsokosoko any Dubaï. Sarona taorian’ny fisavana ny trano sy ny vela-pandrika natao ny kaomorianina miisa […]
    Tags: Duba
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:12 Nov 22, 2025
    Mbola hita taratra hatrany ny orana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka ho an’ny afovoan-tany, faritra avaratra andrefana ary morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Nanentana manokana momba ny fahadiovana sy ny fitondran-tena maha tomponandraikitra ny « Cellule d’engagement civique et environnemental (CECE) » eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, […]
  • Fampianarana ambony : Fanamby ny hanatanterahana bakalorea madio
    Newsmada - 05:12 Nov 22, 2025
    Vita ny tombana momba ny fanadinana bakalorea taona 2025 nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Zava-dehibe nampiavaka ny Bakalorea 2025 teo ny fampiasana ny “caméra de surveillance” sy ny rafitra fiarovana manokana ho fanaraha-maso ny laza adina. Nahomby ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana miady amin’ny “cyber­criminalité” nanenjehana ireo mpivarotra […]
  • Tsipy kanetibe tompondakan’i Afrika : Hanatevina ny ekipan’ny Pac i Mirija (Fakr)
    Newsmada - 04:44 Nov 21, 2025
    Nanainga omaly ny eki­pan’ny Pac (Pétanque Ampi­ta­tafika club), hiatrika ny an­diany faha-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2025. Fifaninanana hotante­rahina ao Nouakchott, renivohitr’i Mau­­ritanie, manomboka raha­m­pitso sabotsy 22 hatramin’ny alakamisy 28 novambra ho avy izao. Raha tsiahivina, nandrombaka ny voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena ity klio­ban’Ampitatafika ity, izay misy an’i Mamy […]
    Tags: Afrika
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:44 Nov 21, 2025
    Nahazo laharana iray indray ny Barean’i Madagasikara tamin’ny filaharan’ny Fifa, izay nivoaka afakomaly. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy, ary aorian’izy ireo i Armenia, ilay firenena resin’i Portugal, 9 no ho 1, nandritra ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Nitohy omaly ary hifarana […]
  • Échec-Analamanga : Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana
    Newsmada - 04:44 Nov 21, 2025
    Fantatra omaly ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny birao hitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Échec. Hotanterahina ny 20 desambra izao izany fifidianana izany ka efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny hirotsaka ho fidina hitantana ny ligin’Analamanga, ho an’ny efa-taona manaraka. Nanomboka omaly 20 novambra ary hifarana ny 5 […]
  • “CAN 2027” : Mety hiova ny lalàna amin’ny fifanintsanana
    Newsmada - 04:43 Nov 21, 2025
    Mety hiova ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny “Can 2027”, araka ny fikarohana natao omaly. Ireo laharana voalohany sy faharoa telo mendrika indrindra ihany no mahazo tapakila mivantana ary mandalo lalao sakana ireo fire­nena faharoa ambiny. Efa mandeha ny resaka any ivelany fa hisy ny fa­novana ny làlana amin’ ny dingan’ny fifanintsanana […]
    Tags: Mety
  • Letisia : 20 000 taonina haondrana any Eoropa
    Newsmada - 04:42 Nov 21, 2025
    Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tolakandro, tao Analamalotra, ny taom-piotazana letisia 2025, ho an’ny faritra Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny teo aloha na eo amin’ny lafiny kalitao na eo amin’ny vidiny. Ankehitriny, lasa 2 150Ar ny kilaon’ny letisia raha toa ka 1 000Ar izany tamin’ny taon-dasa. […]
  • Bisikileta – Fifaninanana afrikanina: Hiakatra an-tsehatra anio i Mohamed Houlder
    Newsmada - 04:39 Nov 20, 2025
    Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 23 no­vambra ho avy izao, atsy Ke­nya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bi­sikileta. Sam­bany eo amin’ny tantara no handray anjara amin’izany i Madagasikara. Hiakatra an-tsehatra, anio, i Mohamed Houlder Amédé, hany tokana solontenan’ny Malagasy amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Nilaza ny tenany fa vonona […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 Nov 20, 2025
    Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Araka ny fikarohana natao omaly, tao […]
  • Rallye ASACM: 29 ireo hifaninana
    Newsmada - 04:38 Nov 20, 2025
    Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady 23 novambra ho avy izao ny Rallye Asacm. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia ity hatao ity. Hisy 29 ireo mpanamory handray anjara sy hiady ho lohany amin’ity. Anisan’ireo hiatrika izany i Mathieu sy i Heri Possible, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm, mitondra […]
  • « FIBA Africa Cup 3×3 » : Vonona amin’ny fanohanana ireo mpiara-miombon’antoka
    Newsmada - 04:38 Nov 20, 2025
    Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra amin’izao fotoana izao ny FMBB. Vonona hifanohana amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety ireo mpiara-miombon’antoka ma­ro­be, raha ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Noton­to­saina omaly ny fanehoana ny sary fampahafantarana sy […]
    Tags: Vonona
  • Bodybuilding: 16 taona aty aoriana, azon’ny Malagasy ny tompondaka maneran-tany
    Newsmada - 04:37 Nov 20, 2025
    Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina ma­lagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, notanterahina tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Nakotroka ny fandraisana ireo Malagasy maherifo izay nahazo ny tompondaka maneran-tany sy tompondaka lefitra ka notohizana hatrany amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano ny lanonana nandraisana azy ireo. Namba­ran’ny filohan’ny […]

2370 items