Newsmada

Found 2370 news

  • Fahasalaman’ny saina : Hisy tohana maimaimpoana
    Newsmada - 04:44 Nov 28, 2025
    Hotanterahina anio, ary ha­haritra roa andro, ny fanamarihana ny Androm-pirenena momba ny fahasalaman’ny saina, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Iarahana amin’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka samihafa izany. Miompana amin’ny fisorohana ny tolotra, araka ny namba­ran’ny tomponandraikitry ny sampana misahana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. […]
  • Tetikasa Greenskills: Namoaka tanora teknisianina 25 mianadahy
    Newsmada - 04:44 Nov 28, 2025
    Ampirisihina ny tovovavy hisafidy ny sehatra teknika, ka telo izy ireo no voaray nanaraka ny fiofanana ho Technicien en système solaire photovoltaïque, ao amin’ny tetikasa Greenskills. Notolorana ny mari-pamantarana ny fahavitan’ny fiofanana izy 17 mianadahy teto Antananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana […]
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:43 Nov 28, 2025
    Faharoa maneran-tany mamokatra grafita voajanahary i Madagasikara, aorian’i Chine. Manara­ka antsika eo i Mozambika sy i Brezila. Hita tao anaty angon-kevitra USGS 2024 ireo antontanisa iraisam-pirenena ireo. Mahazo tombony amin’ny fitomboan’ny lanjan’izany eo amin’ity tsena iraisam-pirenena ity i Madagasikara, amin’ny maha tafiditra antsika ao anatin’ny lisitry ny mpisehatra fototra amin’ny […]
  • Mahatanty haintany: Ahazoana 700 kg/ha ny karazana apemba vaovao
    Newsmada - 04:43 Nov 28, 2025
    Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny ka­razana apemba roa vaovao, Mina sy Manana. Valim-pikarohana vitan’ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena (Fofifa). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony (Mesupres), sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ity foibe ity. Eo koa ny foibem-pikarohana maneran-tany momba ny apem­ba, na Global Collabora­tion […]
  • « Ampela Online » : Nibata ny laharana voalohany ny Mioty MJ
    Newsmada - 04:43 Nov 28, 2025
    Lelavola mitentina 5 tapitrisa Ar no nomen’ny Yas Mada­gas­car an-dRamamonjy Nomenjanahary, vehivavy mpitantana ny orinasa Mioty MJ, taorian’ny fifaninanana fandraharahana natokana ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny fandaharanasa “Ampela Online”. Miisa dimy izy ireo no nahazo ny fankasitrahana, hoentina manohana ny tetikasany sy hampidi-bola bebe kokoa amin’ny fihariana ataony. Miompana amin’ny […]
  • Lomano-“Meeting de l’Océan Indien” : Nandrombaka medaly 6 i Koty Glorio
    Newsmada - 04:48 Nov 27, 2025
    Namirapiratra indray ny Ma­lagasy mpilomano, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lo­mano, natao tany La Réunion. Medaly 6 be izao no norombahin’i Koty Sampaniaina Glorio, teo amin’ny sokajy 12 taona. Volamena ny roa tamin’izany, izay azony teo amin’ny 100m nage libre sy teo amin’ny […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:48 Nov 27, 2025
    Notohizana teny amin’ny Kianjan’­Am­bohi­dra­trimo, nanomboka omaly, ny lalao divizionina faharoa nasionaly, taranja baolina kitra. Araka ny fanadihadiana natao, nisy savorovoro indray teo am-panombohana ny lalao, saingy nezahin’ny eo anivon’ny Fede­ra­sionina nalamina izany. Marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eo amin’io kianja io ihany koa ny tohin’ny « Poule […]
  • Barea A – Corentin Martins : Mbola hodinihina ny fanavaozana ny asany
    Newsmada - 04:48 Nov 27, 2025
    Nanatanteraka fitsidihana ny Kianja Barea Mahamasina ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), notarihin’ny minisitra Rasambany Alain Désiré, omaly. Nanatrika izany koa ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nohararaotina tamin’io ny resaka mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’ny mpanazatra ny Barea A, i Corentin Martins. Nilaza izy […]
  • Filohan’ny FMA : «Tsy manan-jo haka tapakilan’ny atleta ny federasionina»
    Newsmada - 04:47 Nov 27, 2025
    Haratsiam-panahin’ireo mitonona ho mpikarakara ve sa fahadisoana tsy nahy avy any La Réunion no tsy nahalasa an-dRalisinirina Marthe, tokony hiatrika ny “Meeting de La Réunion”. Nisy olona tsy fanta-piaviana mantsy tafiditra tao anaty lisitra izay tsy nahazo alalana ka miteraka ny ahiahy. Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena sy fanehoan-kevitra […]
  • Birao politika, Ratiankavana Benjamin : « Tsy manana olana amin’ny Tim ny MMM »
    Newsmada - 04:47 Nov 27, 2025
    Namaly ireo fanaratsiana samihafa, indrindra avy amin’ ny antoko Tim, ny eo anivon’ ny MMM, amin’ny alalan’ny birao politika, Ratiankavana Benjamin. Nambarany fa mi­roso ny fanovana eto amin’ny firenena na eo aza ireo mpanaratsy. « Tsy manana olana amin’ ny Tim na ny depiote Razara Pierre Fidèle izahay. Samy manohana ny […]
  • Asa fiomanana mialoha hitantanana ny loza : Hamoaka tondrozotra iraisana ny firenena ao amin’ny Sadc
    Newsmada - 04:43 Nov 26, 2025
    Nanomboka omaly, eto Madagasikara, ny fivorian’ny firenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Sadc, miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Haharitra hateloana ny fifampizarana ho an’ny firenena mpandray anjara, eny Alarobia. Hivoaka aorian’ny fihaonana ny lesoka sy ny vokatra tsara ary ny fa­nararaotra hamolavola tondrozotra iraisan’ny firenena rehetra mpandray anjara […]
    Tags: SADC
  • Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara
    Newsmada - 04:42 Nov 26, 2025
    Natao tany Dakar Se­né­gal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikamba­nana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nan­katoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy. Nitarika […]
  • PLFI 2026 : Lany nasiam-panitsiana teny Tsimbazaza
    Newsmada - 04:42 Nov 26, 2025
    Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka. Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimieran­doholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho […]
    Tags: PLFI
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:41 Nov 26, 2025
    Hankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), iray amin’ireo ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho fanomanana izany, mitohy ny asa ataon’ireo komitin’ny fanarenana, ahitana minisitera maromaro, ny Fanabeazam-pirenena, ny Serasera sy ny kolontsaina, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nijery ny zava-misy tao […]
  • Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) : Hanangana efitrano fatoriana sy fiofanana
    Newsmada - 04:34 Nov 25, 2025
    Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavima­so­andro, ny fankalazana ny An­dron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RC­TS). No­tsiahivin’­Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:33 Nov 25, 2025
    Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Maha­­janga raha tsy voarain’izy […]
  • Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana
    Newsmada - 04:33 Nov 25, 2025
    Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy […]
  • Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika : Hiatrika ny ampahefa-dalana «tir de précision» i Mamy
    Newsmada - 04:33 Nov 25, 2025
    Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa mala­gasy eo amin’ny fia­diana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
    Tags: Afrika
  • Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra
    Newsmada - 04:32 Nov 25, 2025
    Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandri­ampahalemana tao Ma­nanara Avaratra, faritra Am­batosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Ava­ratra izany, dia i Boto Elvis. Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, […]

2370 items