Newsmada

Found 2940 news

  • Tenisy ambony latabatra – « Mondial 2026 »: Nofaranan’i Meksika ny dian’ny Malagasy
    Newsmada - 05:58 May 02, 2026
    Raraka… ! Tsy tafita tany amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny lalao isan-tarika, izay tontosaina atsy Londres Ang­leterre, ny 28 avrily-10 mey, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo faharesena fanindroany indray izy ireo rehefa lavon’i Meksika, tamin’ny isa 3 no ho 1, […]
    Tags: Meksika
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:58 May 02, 2026
    Hotanterahina ao amin’ny Emirates Stadium Londres Angleterre ny fihaonana eo amin’ny Arsenal sy ny Fulham. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, “Premier League”. Mila mahita vokatra tsara amin’io ny Arsenal raha tian’izy ireo ny hitazona ny laharana voalohany. Manana isa 73 izy ireo, ary manaraka azy ny […]
  • Gymnastique – Afrika : Misolo tena ny Malagasy i Tiara
    Newsmada - 05:58 May 02, 2026
    Tanterahina nanomboka ny 30 avrily teo, hitohy hatramin’ny 3 mey izao, any Pretoria Afrika Atsimo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique rythmique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena dia Rakotonirina Tiara. Hiara-dia aminy, amin’izany, ny mpanazatra azy Mr Tatiana. Tsiahivina fa i Tiara no hany Malagasy […]
  • Tsipy kanetibe – Afrique 4 : Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena
    Newsmada - 05:58 May 02, 2026
    Nandihizan’ny Malagasy indray ny tatsy Maurice, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, faritra fahefatra. Nofaohan’ny Malagasy avokoa ny medaly volamena miisa efatra niadiana tamin’izany. Firenena telo no niady ny lohany dia i Maurice, Madagasikara ary i Djibouti. Nanakoako tatsy Maurice indray ny lazan’i Ma­dagasikara, omaly zo­ma, […]
    Tags: Malagasy
  • « Tombokavatsan’ny Havàtsa » : Hanandratana an’i I.P Andriamangatiana
    Newsmada - 04:46 Apr 30, 2026
    Tafiditra ao anatin’ny fanomezan-kasina sy lanja ireo mpanoratra sy raiamandreny ao aminy. Hisy ny « Tombokavatsan’ny Havàtsa » ho an’i I.P. Andriamangatiana. Iharilanto Patrick Andria­man­gatiana, andrarezin’ny soratra sy ny tontolon’ny fanabeazana. Ny fahatsapana ireo soa omeny. Hanandratra sy hanome hasina azy sy ny sanganasany ny Fikamba­nan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:45 Apr 30, 2026
    Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy ihany koa isika, omaly. Isaky ny 29 avrily izany, saingy efa herinandro mialoha izao no nisy ny hetsika isan-karazany. Vory tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpisehatra rehetra momba ny dihy: mpamorona, mpandihy, mpankafy, sns. Nanjakan’ny fifanakalozana, nanehoana indray fa kanto tsy misy fefy, […]
  • Fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny FSM : Tranga melohin’ireo raiamandreny ara-panahy any Diego
    Newsmada - 04:45 Apr 30, 2026
    Manoloana ny tranga fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny Silamo eto Madagasikara (FSM), Absouary Said Arsè­ne, tetsy amin’ny Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha Antananarivo, afakomaly. Na­nao fanambarana ny raiamandreny ara-panahy sy ny filohan’ny Association Islamique any Diego Suarez. Namba­ran’izy ireo fa efa olobe sy raiamandreny i Oustaz Absou­ary Said Arsène. Mpam­pianatra […]
  • Amin’ny sehatry ny asa: Marihina ny andron’ny soro-doza
    Newsmada - 04:45 Apr 30, 2026
    “Miara-mientana isika ho an’ny filaminana ara-tsaina sy ara-tsosialy eny amin’ny toeram-piasana”. Io ny lohahevitra ifantohan’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny soro-doza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa. Nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny minisiteran’ny Asa teny amin’ny orinasa tsy miankina, niarahana tamin’ny Cnaps sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary […]
  • Taom-pianarana 2025-2026: Manomboka ny fanefana ny vatsim-pianarana
    Newsmada - 04:44 Apr 30, 2026
    Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fahazoan-dalana famindram-bola handoavana ireo vatsim-pianarana sivy volana miaraka amin’ny fampitaovana ho an’ireo oniversite enina sy IST telo ary ny oniversite manakaiky vahoaka. Efa namoaka ny tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny doctorant amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony […]
  • Barean’i Madagasikara: Hanao lalao ara-pirahalahiana roa amin’ny volana jona
    Newsmada - 05:02 Apr 29, 2026
    Tonga nanatrika ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny zoma teo, ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nam­pisoa Alfred. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy, nilaza izy fa hiatrika lalao ara-pirahalahiana any ivelany ny Barean’i Madagasikara, ny vo­lana jona ho avy izao. Antony, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:02 Apr 29, 2026
    Nanomboka omaly, tany Maurice, ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior” lehilahy. Ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” no nanombohana izany. Taorian’izay ny fihodinana voalohany ho an’olon-tokana sy ny olon-droa miaraka. Tsiahivina fa manorana ny andro any an-toerana. Navoakan’ny foiben’ny Fiba Afrika ao […]
  • Dih’Art : Mankalaza ny faha-25 taonany
    Newsmada - 05:02 Apr 29, 2026
    Ao anatin’ ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroany amin’izao ny Dih’Art Madagascar, toeram-pampianarana mandihy, tarihin-dRandrianarisoa Rijamanitra. Ho fanokafana izany, hisy ny fiarahana voalohany, ny 1 mey izao, ao amin’ny Studio Dih’Art eny Antanimena. Ireo rehetra mpikambana, ray aman-dreny sy izay rehetra efa nandalo tao amin’ny Dih’Art no asaina amin’izany, raha […]
  • Rugby – Top 12: Hanala vela amin’ny Cosfa ny TFA Anatihazo
    Newsmada - 05:02 Apr 29, 2026
    Hitohy amin’ny alahady 3 mey ho avy izao ny fiadiana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Top 12». Toy ny mahazatra, hampiantrano izany ny Kian­ja Makis Andohata­pe­naka. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa (Be­baoty) sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela amin-dry zareo […]
  • Tenisy – WTA 125 K : Resin’i Lilli Tagger i Tiantsoa Sarah
    Newsmada - 04:47 Apr 28, 2026
    Niatrika fifaninanana amin’ ny taranja tenisy indray ilay Malagasy mpilalao tenisy mi­zaka ny zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Tiantsoa Sarah. Omaly, nifaninana tamin’ny WTA 125 K, natao tany ST Malo, ny tovovavy. Resy teo amin’ny dingana ampaha 16-ndalana izy. Lavon’ilay aostralianina, i Lilli Tagger. Nion­drika tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:46 Apr 28, 2026
    Nahatafiditra baolina telo i Fenohasina Gilles, Malagasy mpilalaon’ny AL Merrik. Io baolina tafiditr’i Feno io no nahazoan’ny AL Merrik, ekipa sodaney, fandresena, 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Bugesera, nandritra ny fifanintsanana roandey “Rwanda Premier League”. Niampy isa telo indray ny isan’ny Al Merrik ao amin’ity fifanintsanana ity ka mitana […]
  • MB2ALL-Coach Ndranto: “Fanazarana lalao no himasoana aloha”
    Newsmada - 04:46 Apr 28, 2026
    Nisy ny fanavaozana teo amin’ny mpilalaon’ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny fiatrehana ny N1A natao tany Antsi­rabe. Mpilalao 3 vaovao no nampiakarina N1A ary mbola latsaky ny 23 taona ny ankamaroan’ireo niatrika izany, ho an’ny MB2ALL. Nambaran’ny Coach Rakotonanahary Ndranto, fa somary mafimafy ny nameno ireo mpilalao 7 tsy teo, saingy tsara […]
  • Pureplay Football League (PFL) : Tsy ho raikitra ny lalaon’ny Tsaramandroso FC sy ny Ajesaia
    Newsmada - 04:46 Apr 28, 2026
    Anisan’ireo klioba mbola manana herijika hiatrika ny “Playoff” amin’ny fifaninanam-pirenena PFL ny Tsaramandroso Formation Boeny, raha mahita fandresena telo amin’ireo lalao telo farany hataony. Raha tsy misy ny fiovana farany amin’ny lalaon’ny Tsaramandroso FC Boeny sy ny Ajesaia Bongo­lava, izay hatao anio, etsy Iavoloha. Tsy manaiky ny hampiantrano ny Ajesaia […]
  • Hazakazaka ho an’ny Firaisankina : Nandray anjara ny kolonely Rampanarivo Thierry
    Newsmada - 04:45 Apr 28, 2026
    Tontosa ny 24 avrily ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ny fankalazana ny andiany fahefatra momba ny Andro iraisam-pirenena sy ny seho nasionaly, andiany faharoa, ho an’ny fanatanjahantena teto Mada­gasikara, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Haza­kazaka ho an’ny Firai­san­kina na “Course de la solidarité” no namaranana izany, ny faran’ny […]

2940 items