Newsmada

Found 2565 news

  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:57 Jul 05, 2024
    Misy mangalatra ny tsivalamby arofanina amin’ny tetezana miisa 29 any amin’ny lalam-pirenena RN 44 (tapany avaratra PK 209), any amin’ny fokontany Antanifotsy, distrika Imerimandroso. Efa nampandrene­sin’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) ny tomponandraikitry ny zandarimaria. Nisy nanimba sy nandoro ny tahala amin’ny sisin-dalana amin’ny RN1 (PK 25 Beronono Imerintsia­tosika), saika […]
  • Sokatra sy varika : ho tafaverina amin’ny faran’ny volana jolay
    Newsmada - 04:57 Jul 05, 2024
    Nanamafy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Antoine, fa ho tafaverina eto Madagasikara ireo sokatra miisa 1 076 sy varika 48 tratran’ny ladoany thaïlandais, ny 1 mey teo. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana malagasy sy thaïlandais nahatongavana amin’ izao dingana izao. Na izany […]
  • Fondation Uchida : mpianatra 5 nahazo vatsim-pianarana
    Newsmada - 04:57 Jul 05, 2024
    Toy ny fanaony isan-taona, nanome vatsim-pianarana mi­tentina 1 tapitrisa Ar avy ho an’ny mpianatra miisa 5 ny fikambanana Fondation Uchida, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa Dahio, ny 3 jolay teo. Mpianatra sampana Fanorenana sy asa vaventy (BTP) eny amin’ny sekoly ambony polyteknika ESPA Antananarivo, IST Antananarivo, ISPM Antananarivo, ESP-DIE Antsiranana ary Oniversite […]
  • “Revirevy mody masoandro”: hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika
    Newsmada - 04:55 Jul 04, 2024
    Hahazo tombony indray ireo mpankafy vazo miteny sy ny mozikan’ny taona 80. Noezahin’ny mpikarakara hifaranaka amin’izay maha revirevy azy izay ny fizotran’ny fampisehoana amin’io fotoana io hahatanteraka ilay hoe “Revirevy mody masoandro”. Hotanterahina ny alahady 28 jolay 2024, eny amin’ny Centre de Con­f­­érence International (CCI) Ivato, ny fampisehoana “Re­virevy mody […]
    Tags: Revirevy
  • Lycée teknika : Tapitra androany ny fanadinana BEP
    Newsmada - 04:54 Jul 04, 2024
    Hifarana androany, izay naharitra efatr’andro, ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Raha toa ka efa tapitra omaly kosa ny Certifi­cat de fin d’apprentissage (CFA) ho azy ireo. Fanadi­nana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-piofanana arakasa ny diplaoma BEP. […]
  • Mpisolovava, sampana Toliara : nahazo trano fiasana vaovao
    Newsmada - 04:54 Jul 04, 2024
    Notokanana ny zoma 28 jolay lasa teo ny trano vaovao an’ny Holafitry ny mpisolovava, sampana Toliara. Tonga nitokana izany ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nanotrona azy tamin’izany ireo mpanolotsaina mandrafitra ny biraon’ny holafitra sy ireo mpisolovava any an-toerana. Teo koa ireo manampahefana avy any an-toerana. Nanentana ny olona […]
    Tags: Toliara
  • Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Mila arovana amin’ny taniny ny Malagasy »
    Newsmada - 04:54 Jul 04, 2024
    Nitohy ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, any Atsimo Atsinanana, omaly. Nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, tamin’izany. Vory lanona tamin’izany ireo mpiasan’ny fari-piadidian’ny MFFT avy amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy ny fananan-tany ary ny fanajariana ny tany ao amin’ny distrikan’i […]
  • Lalao Olympika (JO 2024) : miandry «wild card» i Sidonie
    Newsmada - 04:49 Jul 03, 2024
    23 andro mialoha ny hanombohan’ny lalao Olym­pika, tanterahina any Paris France, mbola tsy fantatra ny ho isan’ny atleta malagasy hiatrika izany fihaonana ma­neran-tany izany. Noho ny tsy fahazoan’i Sidonie Fiadanan­tsoa ny fe-potoana farany ambany tsara indrindra tokony ho tratrarina “minima”, eo amin’ny taranja fototra atletisma, voatery miandry ny fanasana manokana […]
  • “Moozik” : hoavin’ny tsenan’ny mozika malagasy
    Newsmada - 04:49 Jul 03, 2024
    Mandeha tsikelikely eo ny fahazarana… Fa efa azo hanjifana ny hira malagasy ny rindram-baiko Moozik, ary natao ho takatry ny Malagasy ny sarany. Misokatra ny lalana ho an’ny tsenan’ny mozika eto an-toerana. Spotify, Deezer, Apple Music, sns. Rindram-baiko malaza maneran-tany, fanjifana ny mozika amin’ny alalan’ny internet ireo. Tsy latsa-danja amin’ireny […]
    Tags: Moozik
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:48 Jul 03, 2024
    Ratsy avokoa ny 2/3 amin’ireo lalana ambanivohitra, mirefy 21 000km, eto Madagasikara ary ny 11,4% monja no azo hidirana. Sakana ho an’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny tsy fisiana fotodrafitrasa enti-mamokatra, indrindra ny haratsian’ny lalana. Mila apetraka ireo paikady samihafa hampaharitra ny lalana any amin’ireny toerana ireny. Mitentina 756 996,5 dolara ireo lojy […]
  • fizahantany ara-tontolo iainana : antoky ny fampandrosoana
    Newsmada - 04:48 Jul 03, 2024
    Niorina teto Madagasikara ny taona 2014 ny sekoly iraisam-pirenena Vatel, mampiofana manokana mahakasika ny fizahantany sy ny hotely, Business School. Misy hetsika lehibe telo hoentiny hanamarihina izany, ny 20 sy ny 21 septambra 2024 ho avy izao. Hisy fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fizahantany ara-tontolo iainana eny amin’ny CCI Ivato. Hotokanana […]
  • RSE-IDD andiany fahasivy: hamafisina ny fandraisan’andraikitra
    Newsmada - 04:47 Jul 03, 2024
    Mbola vitsy ny orinasa manome lanja ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE) amin’ny tokony ho izy eto Madagasikara. « Mazana ataon’olona fanararaotra izany hanaovana zavatra hafa na koa manao hetsika tsotra hialana amin’ny adidy izay tokony hosahanina amin’ny fanajana ny lalàna sy ny tontolo iainana », hoy ny […]
  • Filana iraisam-pirenena : mirongatra ny trafikana harena voajanahary
    Newsmada - 04:59 Jul 02, 2024
    Nahatratra 26 ireo tranga fanondranana harena voajanahary hitan’ny Alliance Voa­hary Gasy teto amin’ny Nosy, ta­min’ity taona ity, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana etsy Andraina­rivo, omaly. Manodi­dina ny 5 383 mahery ny so­katra nahondrana tsy ara-dalàna, 48 gidro ary 100 ihany koa ny Baobab nains miala […]
  • Minisitra Andonirina : “Hampiharina ny lalàna”
    Newsmada - 04:59 Jul 02, 2024
    Niharan’ny herisetra miisa telo ireo mpianala, tao anatin’ny roa volana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Andonirina Max Fontaine, omaly. ”Tsy eken’ny fanjakana mihitsy izany ary tsy maintsy ampiharina ny lalàna manoloana izany”, hoy izy. Nambarany fa efa mandeha koa ny fanadihadiana momba ny […]
  • Jeneraly Ravalomanana Richard : “Vonona hatrany hijery ny mahasoa ny vahoaka izahay”
    Newsmada - 04:59 Jul 02, 2024
    Nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny fiahian’izy ireo ny eny ifotony. “Ny Antenimieran­do­holona dia vonona hatrany hiresaka sy hihaino ary hijery izay soa ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fiahiana ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanaovana tolo-dalàna”, hoy ny kabary famaranan’ny filohan’ny Antenimierandoho­lona, ny jeneraly Ravaloma­nana Richard, ny fivoriana […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:58 Jul 02, 2024
    Manampy ny olona manan-draharaha sy mitondra marary ao aminy hamantatra ny Sampandraharaha rehetra ao ny hopitaly CHU HJRA. Nanazava ny pejiny fa mifantoka kokoa amin’ny fitsaboana ny aretina mila fandidiana ao amin’izy ireo izany. Efa misoratra mazava rahateo ireo karazana sampandraharaha isaky ny rihana sy ny efitra misy izany. Manomboka […]
  • Fanadinana BEPC: miisa 299 130 ny mpiadina manerana ny Nosy
    Newsmada - 04:58 Jul 02, 2024
    Ny taranja Malagasy sy Science de la vie et de la terre no natrehin’ny mpiadina BEPC manerana ny Nosy, omaly tontolo andro. Miisa 299 130 ireo nisoratra anarana manerana ny faritra 23, hiparitaka amin’ny efitrano fanadinana 8 888 izy ireo, voatsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 1 079 isa. Mizara ho sokajy A sy B […]
    Tags: Nosy
  • Minisitry ny Fitsarana : nanentana ireo tsy manan-kialofana eto an-dRenivohitra
    Newsmada - 05:06 Jul 01, 2024
    Nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana sy tsy manan-kialofana eto an-dRenivohitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny alin’ny sabotsy teo. Nitarika izany ny minisitra, Randria­manan­tenasoa Landy Mbo­latiana, amin’ny maha minisitra mpisolo toerana azy misahana ny Mponina. Nidina nijery ifotony, nanolotra sakafo mafana sy lamba firakotra ho azy ireo ny tenany, niaraka […]
  • Jono makamba : nampidi-bola hatrany amin’ny 7,455 miliara Ar
    Newsmada - 05:05 Jul 01, 2024
    Tafakatra 7,455 miliara Ar ny vola azo tamin’ireo sambo mpanjono makamba aty amin’ ny fari-dranomasin’i Mada­gasi­kara, hatramin’ny 17 jona teo. Fantatra fa mitotaly 39 ireo sambo nahazo alalana avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hanjono izany, ho amin’ity taona ity. Marihina ihany koa fa mitotaly 6,055 miliara Ar […]
    Tags: Jono

2565 items