Newsmada

Found 2195 news

  • Baolina kitra U15 : Ekipa 32 nifantenana Barea
    Newsmada - 04:42 Nov 06, 2025
    Notanterahina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Sta­dium, ny alahady teo, ny fifaninanana baolina kitra sokajy zandriny, U15. Fihaonana no­karakarain’ny Association des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Tanjona ny hifantenana mpilalao handrafitra ny Barea U15, hiatrika «Tournoi» tanterahina atsy Maurice, ny volana desambra ho avy izao. Nahatratra 32 ireo ekipa nifaninana tamin’ity ka […]
    Tags: Barea
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:42 Nov 06, 2025
    Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Senior, lehilahy. Hifandona ny HC Est Atsi­mo Andrefana sy ny Vasia Ihorombe, ny HBC Cut sy ny Masôva ary ny ASRB sy ASSM. Eo koa ny Littoral SC sy ny HTHB. […]
  • “Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy
    Newsmada - 04:42 Nov 06, 2025
    Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. […]
    Tags: Ankizy
  • Judo-Maitre Arsène: Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny IJF Academy
    Newsmada - 04:41 Nov 06, 2025
    Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina. Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy […]
  • Oniversiten’Antananarivo: Panneau miisa 1 092 hanazavana ny tanàna
    Newsmada - 04:41 Nov 06, 2025
    Nitondra vahaolana mom­ba ny herinaratra avy hatrany ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampianara­na ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitondra panneaux solaires miisa 1 092 izy ireo hanazavana ny tanàna. Ny 804 amin’ireo dia manana tanjaka 590W ary ny 288 kosa 720W. Misy ihany koa ny fitaovana hafa miaraka aminy, toy […]
  • Ravinala Airports : Fiatrehana loza eny amin’ny seranam-piaramanidina
    Newsmada - 04:36 Nov 05, 2025
    Nisy hetsika, andrana, natao ho fiatrehana raha sendra misy loza mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antana­narivo Ivato, ny 31 oktobra teo. Natao araka ny fitsipika ana habakabaka eto Madaga­si­kara, apetraky ny Antokon­draharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM) sy ny Vondrona misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily […]
  • Tao anatin’ny telo taona : 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama
    Newsmada - 04:36 Nov 05, 2025
    Manjaka ny kolikoly eo anivon’ny orinasa Jirama. Tsy mazava ny fitantanana sy ny fandrindrana ny tahirin-tsolika ampiasaina sy ny vokatra nafarana. Tafakatra hatrany amin’ny 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama nanomboka ny taona 2020 ka hatramin’ny 2023, vokatry ny kolikoly sy ny tsy fisian’ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fitantanana ny […]
    Tags: Jirama
  • Karate-« Mada 2025 »: Nanjaka ny ligin’Analamanga
    Newsmada - 04:35 Nov 05, 2025
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpika­troka avy eto amin’ny ligin’ Ana­lamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, […]
    Tags: Nanjaka
  • Ho fampandrosoana ny firenena: Hisy ny fikaonandoham-pirenena kristianina
    Newsmada - 04:35 Nov 05, 2025
    Hotanterahina ny 19 ha­tramin’ny 21 novambra, etsy amin’ny ISTS Mandrimena Iavo­loha, ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hetsika karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Mada­ga­sikara. “Manana anjara biriky entina hampandrosoana sy hanarenana ny firenena ny kristianina”, hoy Rabenifara Désiré, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana FMBM. Mahatratra 10 ny lohahevitra hodinihina eny an-toerana, mandritra ny herinandro. Anisan’izany, […]
  • Volley-Amboaran’i Madagasikara : Nifampizaran’ny ekipa efatra ny fandresena
    Newsmada - 04:38 Nov 04, 2025
    Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona sy ny diviziona faharoa (D2), lahy sy vavy. Nifampiza­rana tanteraka ny amboara tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, sokajy U20 sy D2 lahy sy vavy ity, raha jerena […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:37 Nov 04, 2025
    Nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny lalan-dRakotomaharo Fy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Échecs, tanterahina any Inde, nanomboka ny 31 oktobra lasa teo. Afapo izy na dia io aza ny vokatra, raha ny nambarany. Ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Doha, ny 25 hatramin’ny 31 desambra, indray […]
  • Minisitra Rasambany Alain Désiré: “Hojerena avokoa ny taranja rehetra”
    Newsmada - 04:37 Nov 04, 2025
    Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe tany Espagne, ny faran’ny herinandro teo. Noraisin’ny mi­nisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, omaly, ireo maherifo nandrombaka medaly tamin’ny tompondaka maneran-tany. Nisongadina nandritra ny lahateniny ny hoe: “tsy maintsy hojerena mitovy avokoa ny taranja […]
  • Fanoloana an-dRalisy amin’ny «Meeting de la Réunion»: «Misy teknisianina manakorontana”, hoy i Johnson, filohan’ny 3FB
    Newsmada - 04:37 Nov 04, 2025
    J-24 mialoha ny hiatrehan’ny atleta malagasy ny “Meeting de la Réunion”, misavoritaka tanteraka ny delegasionina noho ny fisian’ny resaka fanoloana atleta handray anjara amin’izany. Nitondra fanazavana ny filohan’ny klioba sy ny federasionina fa tsy misy fanoloana atleta izany fa misy teknisianina minia manakorontana. Niteraka resabe, ny fiandohan’ity herinandro ity, ny […]
    Tags: Meeting
  • Sekolim-panjakana : Mbola mitokona ny mpampianatra
    Newsmada - 04:36 Nov 04, 2025
    Mbola maro ireo Lycée tsy mandray mpianatra fa manakatom-baravarana noho ny fitokonan’ny mpampianatra. Tsy mbola nisy nivaly ny fitakiana ka tsy manaiky ny hiverina hampianatra izy ireo. Etsy andaniny, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia efa manentana ny mpampianatra hiverina an-tsekoly handray ny asany fa hamaha miandalana ny olana. Ankilany, ireo mpianatra […]
    Tags: Mbola
  • «Mondiaux Junior 2025» : Nahazo tompondaka miisa 4 i Madagasikara
    Newsmada - 04:51 Nov 03, 2025
    Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, sokajy «Ju­niors» lahy sy vavy. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Espagne ny 24 – 26 oktobra lasa teo. Tsy niveri-maina fa nahazo tompondaka maneran-tany miisa 4. Notsiahi­vin’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation Sport Boule de Madagascar […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:51 Nov 03, 2025
    Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana « Muay Thai Tournament 3 » amin ‘izao fotoana izao, ny mpikarakara. Anisan’ny ady hafana amin’io, ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg lehilahy. Mpikatroka manana ny maha izy 3 lahy no hifanandrina amin’izany, hahitana an’i Lahatra (Tiger’s), i Gael (Toamasina) ary i Tahiana (Phoenix Antsirabe). Ny […]
  • Echecs: Miatrika « coupe du monde » i Fy
    Newsmada - 04:50 Nov 03, 2025
    Tontosaina any Inde, nanomboka ny 30 oktobra lasa teo, hatramin’ny 27 novambra, izao, ny fiadiana ny amboara maneran-tany « Fide », taranja échecs. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana an-dRakotomaharo Fy Antenaina izay miatrika ity fifaninanana ity any an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, laharana voalohany i Fy. Azo lazaina ho miady […]
  • Olan’ny baolina kitra : «Tsy hanongana ny FMF fa mitaky fanadiovana», hoy i Faneva Ima
    Newsmada - 04:50 Nov 03, 2025
    Fanadiovana sy fanatsarana ary fametrahana ny toerany ny baolina kitra amin’ny maha fifaninanana ara-dalàna azy no ilaina apetraka eto Madagasikara. Io no antsoantson’ireo mpankafy baolina kitra tonga tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Atsaharo ny tsindry hazo lena sy ny fanaovana ramatahora, hoy izy ireo. Tonga namaly ny antson’ireo […]
  • Operation Smile : Nanome 26 750 euros ny orinasa DHL
    Newsmada - 04:49 Nov 03, 2025
    Manana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Vondrona orinasa DHL Group, misehatra amin’ny fitaterana taratasy, antontan-taratasy, entana maneran-tany. Nanolotra vola mitentina 26 750 euros ity orinasa ity, ho an’ny fikambanana Operation Smile, ny alakamisy 30 oktobra teo. Entina hikarakarana ny ankizy misy tsy fahatomombanana amin’ny vava, na ny lanilany ary […]

2195 items