Newsmada

Found 2565 news

  • Tononkira mahitsy fitoraka: mitondra ny hafatry ny fiarahamonina ny Groupe CB
    Newsmada - 04:47 Jun 05, 2024
    Tarika anisan’ny manana ny tanjony eo amin’ny fanatontosana ny kanto ny Groupe CB. Ankoatra ny fahafinaretan’ ny sofina sy ny maso, omen-dry zareo lanja ny filazana ny zava-misy… Randrianarison Mamison Elysé, fantatry ny mpitia zavakanto any Fiana­rantsoa amin’ny solonanarana hoe : « CB ». Izy no mitarika ny Groupe CB. Miavaka amin’ny […]
    Tags: Groupe
  • Reniranon’ i Onilahy ; 110 ha ny ala potika ao amin’ny faritra arovana
    Newsmada - 04:46 Jun 05, 2024
    Potika tanteraka ny tontolo iainana eto Madagasikara. May avokoa ny ankamaroan’ ny ala vokatry ny hetraketraky ny olombelona. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manodidina ny 100 ha ny fahapotehan’ny ala manodidina ny faritra arovana amoron’ny reniranon’i Onilahy, ny taona 2023. An­tony mahatonga izany ny fa­naovana ny doro tanety, ny tavy, […]
    Tags: Onilahy
  • VAOVAO TAMBATRA
    Newsmada - 04:46 Jun 05, 2024
    Nanolotra ny fikarohana nataony tany Japon Rtoa Andriantsitohara Attiana Fara, talen’ny Fikaro­hana sy ny fenitra ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny 29 mey teo. Manohy ny fianarana hahazoana ny mari-pahaizana « Doctorat » any amin’ny oniversite Naga­saki izy, mandritra ny telo taona, nanomboka ny taona 2024. Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Madagascar […]
  • Festival du Cinéma africain de Tarifa et Tanger : lasan’i Luck Razanajaona ny « Prix Acerca »
    Newsmada - 04:50 Jun 04, 2024
    Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Luck Razanajaona, miaraka amin’ny horonantsary « Disco Afrika ». Nahazo amboara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena izy, tamin’ny « Stiff Seattle film festival », tao Tunisie. Nifarana, ny faran’ny he­rinandro teo, ny «Festi­val du Cinéma africain de Tarifa et Tanger» (FCTA), natao tao Maroc sy Espagne. Nahazo ny amboara […]
  • Korea Atsimo : nihaona tamin’ireo diaspora ny filoha Rajoelina mivady
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2024
    Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy amin’ny fanatrehana ny fihaonana an-tampon’i Korea-Afrika, ny 4-5 jona, nataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana ny fihaonana amin’ireo teratany na diaspora malagasy ao an-drenivohitr’i Korea Atsimo, Séoul, omaly. 40 mahery izy ireo ary mianatra ny ankamaroany. Eo ny momba ny tontolo iainana, ny asa vaventy, ny teknolojia… Samihafa […]
  • Fifidianana depiote : tsy mbola misy minisitra lany na tsy lany izany
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2024
    Niteraka resabe na iniana hanaovana resabe ny mahakasika ireo kandidà solombavambahoaka ka efa nitazona ny toeran’ny minisitra. Mitovy amin’ny kandidà rehetra izy ireny, miandry ny voka-pifidianana. Misy ny tsara toerana toa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ao Fianarantsoa, Sahondrarimalala Marie Michelle. Toraka izany ny minisitry ny Mponina any Ambositra, Fomendraza. Ity […]
  • 64 taona ny Fahaleovantena: hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity
    Newsmada - 04:49 Jun 04, 2024
    « Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Io no teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena hankalazaina tsy ho ela izao, araka ny fanazavan’ireo komity mpanomana sy mpikarakara. Nampahafantarina oma­ly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Madagasikara izao. «Madagasikara […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:48 Jun 04, 2024
    750 Ar ka hatramin’ny 800 Ar izao ny vidin’ny atody akoho iray eny amin’ny mpaninjara. Tao anatin’ny herinandro no niakarany, hoy ny mpivarotra, ary mety mbola hitohy izany fiakarana izany satria akora be mpanjifa isan’andro ny atody. Nisy ny fifampizarana niarahana tamin’ny Ergothérapeute, Rakotoarisoa Elinah, ny faran’ny herinandro teo, teny […]
  • Menaka mahagaga
    Newsmada - 04:59 Jun 03, 2024
  • Fi.Mpi.Ma – Volan’ny teny malagasy : nomena aina ny fomba, teny, kolontsaina
    Newsmada - 04:56 Jun 03, 2024
    Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny hetsika ho fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Notanterahin’ny Fi­kamba­nan’ ny Mpikabary malagasy ma­neran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), teny amin’ny kian­jan’Ando­halo ilay hetsika lehibe na­mondronan’izy ireo ny fomba sy ny teny ary ny kolontsaina malagasy. Notsiahivina sy naverina ny kabary notontosain’ny mpan­jaka Ranavalomanjaka, […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 04:55 Jun 03, 2024
    Hamoaka boky « Kolontsaina sy Riba malagasy » Rabenandrasana Lalao François. Ankoatra ny maha mpanoratra azy, manome lanja lehibe ny fikarohana sy ny fandalinana momba ny kolontsaina ma­lagasy i Nandrasana. Omena lanja amin’ny sanganasany ihany koa ny zaza sy ny ankizy hany ka boky maro ho fitaizana azy ireny no efa navoakany. « Dancing […]
  • Jirama : mpiasa roa naiditra am-ponja
    Newsmada - 04:55 Jun 03, 2024
    Tra-tehaka nanao fampi­diran-jiro tsy ara-dalàna ny mpiasa miisa 6 ao amin’ny Jirama. Miasa eny amin’ny masoivoho Tanjombato ny efatra amin’izy ireo, ary mpiasa an-tselika, tsy manana fifanarahana arakasa ny roa. Naha­trarana azy ireo ny fitarainana voarain’ny orinasa. Nilaza ny mpanjifa fa nitakian’izy ireo volabe, hampidirana ny jirony, na efa voaloa […]
    Tags: Jirama
  • Fampiasana ny teknolojia : nandray anjara tamin’ny “Gitex Afrika 2024” isika
    Newsmada - 04:54 Jun 03, 2024
    Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy mian­kina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana […]
  • Barea de Madagascar : mpilalao 16 no efa any Afrika Atsimo
    Newsmada - 04:52 Jun 01, 2024
    16 amin’ireo mpilalao 25 nantsoina handrafitra ny Barea de Madagascar izao no efa tonga any Afrika Atsimo, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, omaly. Nisy ny fiovana ka nigadona omaly, tany Johannesburg, i Rayan Ra­veloson, kapitenin’ny Barea sy i Sonny Laiton, Malagasy mpiandry harato. Efa nanaraka fanazarantena, afakomaly, kosa […]
  • Famaranana “LDC 2024”: 15 tapitrisa Ariary ny vidin’ny tapakila iray
    Newsmada - 04:51 Jun 01, 2024
    Tonga ny fotoana nandrasan’ny mpankafy baolina kitra. Anio alina ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Cham­pions (LDC) 2024”. Araka ny fikarohana natao, omaly, mahatratra 3 000 euros na 15 tapitrisa Ariary mahery ny vidin’ny tapakila fidirana ambany indrindra amin’ity lalao famaranana ity. Mitentina 35 000 euros na […]
    Tags: Ariary
  • Ping pong-Afrika : Malagasy roa anatin’ny “Top 20”
    Newsmada - 04:51 Jun 01, 2024
    Nivoaka afakomaly teo ny filaharan’ireo mpilalao 20 tsara indrindra aty Afrika, taranja tenisy ambony latabatra Ping pong. Ho an’ny sokajy lehilahy, nahitana Malagasy mpilalao roa. Eo amin’ny laharana faha-11 no misy an-dRako­toarimanana Fabio raha faha-20 kosa Razafinarivo Antoine. Nijanona eo amin’ny faha-11, araka izany, i Fabio, aty amin’ny kaontinanta Afrikanina […]
  • Rugby à VII, lehilahy – “CAN 2024” : ao anatin’ny vondrona A i Madagasikara sy Kenya
    Newsmada - 04:51 Jun 01, 2024
    Hiditra an-tsehatra indray ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja rugby lalaovin’olona 7. Iray vondrona amin’i Kenya i Madagasikara. Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 29 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’ olona 7, […]
  • Andron’ny Karazan-javamananaina: nankasitrahana ireo mpiantsehatra
    Newsmada - 04:50 Jun 01, 2024
    Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max An­toine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny […]
  • Soatanana, une vie de campagne où se niche les doigts de fée
    Newsmada - 15:03 May 31, 2024
    Soatanana, le village de la création des produits de la soie sauvage d’Amoron’i Mania
  • «Rano Maharitra» sy «Dio Sera»: mitentina 45 tapitrisa dolara ny famatsiana rano
    Newsmada - 06:30 May 31, 2024
    Natomboka omaly ny tetikasa vaovao miisa roa, tohanan’ny governemanta amerikanina, “Rano Maharitra” sy “Dio Sera” izay mitentina 45 tapitrisa dolara. Hanova fahazoana rano madio sy fanadiovana manerana an’i Mada­ga­si­kara amin’ny alalan’ny USAID ny tetikasa. Ireo tokantrano ambanivohitra no tena kendrena hisitraka rano madio. Hitondra anjara biriky amin’ny vokatra ara-pahasalamana maharitra […]

2565 items