Newsmada

Found 2370 news

  • Us Monastir sy ny Jet Kintana : Hiara-miasa hampandroso ny baolina kitra
    Newsmada - 05:52 Jan 13, 2026
    Mivelatra hatrany! Nanao fifanarahana, indrindra ho an’ny taranja baolina kitra, ny Jet Kintana, klioba eto Ma­dagasikara, sy ny Union sportive Monastir, ekipa divizionina voalohany any Tunisie. Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo izany, tany Monastir. Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto madagasikara sy hanome vahana ireo tanora mba […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 05:52 Jan 13, 2026
    Nitsidika sy niarahaba noho ny fahatrarana ny taona ary nanolotra fanomezana an-dRandriama­nampisoa Alfred, filohan’ny FMF, ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara CFEM, notarihin’ny filoha, Rakotoarimanana Henintsoa, omaly, teny Isoraka. Tsy ny CFEM irery ihany fa teo ihany koa ny delegasionina avy amin’ny ligin’Analamanga. Notanterahina ny alahady lasa teo ny lalao […]
  • Basikety – “Ratafia” : Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahama­sina ny razana
    Newsmada - 05:52 Jan 13, 2026
    Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia, nodimandry ny alahady lasa teo. Ratafia, ilay andrarezina eo amin’ny taranja basikety ary tsy misy tsy mahalala azy eo amin’ity taranja ity. 96 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao rehefa tojo tsy fahasalamana naharitra. Angady nananana sy vy nahitana […]
  • Baolina kitra : Niorina ny USJF Ravinala vétérans
    Newsmada - 05:51 Jan 13, 2026
    Hiverina eny an-kianja indray ny klioba USJF Ravinala, taranja baolina kitra. Tsy hifaninana hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara intsony fa ireo mpilalao fahiny no hitaiza vatana ka nanangana ny sokajy zokiny “vétérans”. Ankoatra izay, hisehatra amin’ny lafiny sosialy izy ireo, hanampy ny mpiara-belona. Anisan’ny klioba nanamarika ny tantaran’ny baolina kitra […]
  • “All Africa Music Awards” : Misongadina any amin’ny iraisam-pirenena i Denise
    Newsmada - 05:51 Jan 13, 2026
    Reharehan’ny Malagasy maneran-tany i Denise. Mbola mitohy ny fisongadinan’ity mpanakanto ity amin’ireo hetsika iraisam-pirenena rehetra handraisany anjara. Voafidy indray ho vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy. Mitohy ny lalana ho an’i Denise! Ity Malagasy mpanakanto manana feo miavaka ity no nandrombaka ny laharana voalohany tao amin’ny sokajy vehivavy […]
    Tags: Denise
  • Manasa-dalan’ny Can 2025 : Nigeria sy Maroc, Senegal sy Egypte
    Newsmada - 05:50 Jan 12, 2026
    Fantatra ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo firenena efatra tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, Can 2025, izay tontosaina any Maroc. Fifanandrinana azo heverina ho mafy avokoa izy ireo. Hifandona amin’ny Lion de L’Atlas Maroc, mpampiatrano, ny Super Eagles Nigeria. Raha tsiahivina, resin’i […]
    Tags: Maroc
  • Karate-Fampivondronana : Navitrika ireo atleta tamin’ny fanombohana
    Newsmada - 05:50 Jan 12, 2026
    Nifarana omaly, teny amin’ny EFTA Ambatobe, ny fampivondronana voalohany ho an’ireo mpikatroka Karate-do manerana ny Nosy, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Atleta 90 no tonga namaly ny fiantsoana ary tena navitrika tokoa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefi­nanahary Émile. Fifankaha­fantarana, firaisan-kina sy fifampizarana traikefa no tena niompanan’ity […]
  • DAKA AN-JORONY: Ny baolina tsy miandry marary
    Newsmada - 05:49 Jan 12, 2026
    Fahiny, samy manana ny mampiavaka azy ireo mpijery ny taranja isanisany, mandritra ny fifaninanana. Ho an’ny bao­lina rugby, nisy ny hoe : 5 minitran’ny Stade sy ny may Am­bondrona. Misy dikany avokoa izany ho azy ireo. Iry voalo­hany ilazana fa afaka handresena ny minitra farany. Ny faharoa, hanambarana fahamaikana ka mikoropaka […]
  • Federasionin’ny handball : Lany ho filoha Ratsimandao Andriamanga
    Newsmada - 05:49 Jan 12, 2026
    Manana filoha vaovao hitondra sy handrindra ny Federasiona Malagasin’ny taranja Handball, i Madagasikara. Voafidy tamin’izany, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa Andrianisainana. Nahazo mpitantana vaovao ! Lany ho filoha hitantana ny Federa­sionina malagasin’ny handball, mandritra ny efa-taona manaraka, Ratsimandao An­dria­manga Herilovasoa An­drianisainana na fantatrin’ny maro amin’ny hoe i Manga. Vato enina tamin’ireo ligy […]
    Tags: Lany
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 05:48 Jan 12, 2026
    Nisitraka fotodrafitrasa vaovao momba ny rano fisotro madio ny oniversiten’Antananarivo, taorian’ ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo forage telo eny Ankatso I sy Ankatso II, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hanamora ny fiainan’ny mpianatra sy hanamafy ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-ponenany. Eny Ankatso II no napetraka ireo forage […]
  • KENICHI
    Newsmada - 14:53 Jan 10, 2026
  • Androm-pirenena ho an’ny kabary: Omen-danja ny fihavana­na sy ny fiarahamonina
    Newsmada - 05:53 Jan 10, 2026
    Kolontsaina sady soatoavina malagasy anisan’ny miroborobo fatratra ankehitriny ny kabary. Sehatra maro no ahenoana azy. Tsy manalavitra ny kabary ny fihavanana. Hiara-dalana sy hifameno ireo. Hotontosaina manerana ny Nosy sy any ivelan’i Madagasikara ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ho an’ity taona 2026 ity. Samy manana ny hetsika hotanterahiny […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 05:53 Jan 10, 2026
    Ho marihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana Sandratra izay izy no anisan’ny nanangana azy, ny alarobia 14 Janoary izao. « Nalisoa Ravalitera : Tendrombohitra tsy ho saro-javona » ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. « Nalisoa Ravalitera sy Benaina : loha­rano roa samihafa mihaona » kosa no […]
  • Fiara nivarina tany anaty rano : Olona 3 namoy ny ainy
    Newsmada - 05:52 Jan 10, 2026
    Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny digue, akaikin’ny Apipa Amboavahy, afakomaly alina. Fiara taxi iray no nivarina tao anaty rano, teny an-toe­rana, izay nitondra olona telo. Avy any amin’ny Art Malagasy hihazo an’Andranomena io fiara niharan-doza io. Namoy ny ainy nandritra izany, ny olona telo tao anatiny. Nahi­tana lehilahy […]
    Tags: Fiara
  • Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao : Nahazo fitaom-pitsaboana manara-penitra
    Newsmada - 05:52 Jan 10, 2026
    Vaindohan-draharaha ny tobim-pitsaboana Lote­rana Ambohibao (TPLA) ny hanatsarana hatrany ny fi­tsaboana sy ny fanasitranana ny marary. Anke­hitriny, nahazo ny fitaovana vaovao “radiographie numérique et audiométrie” manara-penitra ny TPLA hanamafisana ny tolotra ata­ony. Marihina fa nandritra ny fankalazana ny faha-40 taona ny tobim-pitsaboana no efa nahazo efitrano vaovao fanaovana “échographie” ny […]
  • fandrindram-piterahana : Tsy voatery hifampierana
    Newsmada - 11:36 Jan 09, 2026
    Araka ny voalazan’ny lalàna laharana faha-2017-043, toko faha-7 andininy faha-30 dia zo fototra ny zo eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana. Voalaza ao anatin’izany fa afaka manapa-kevitra malalaka momba ny fotoana hiterahany ary misafidy ny isan’ny zaza haterany sy ny elanelam-piterahana tiany ny olona rehetra. Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny vady […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 11:36 Jan 09, 2026
    13 ny olona namoy ny ainy vokatry ny orana nirotsaka tsy niato. Faritra efatra (kaominina 14 amin’ny distrika 13) no nitondra takaitra tamin’izany. Iray no maty tao Morondava sy iray hafa tany Betioky Atsimo no nahatonga ny antontanisa niakatra ho 13. Olona enina no naratra. 3 847 ny olona traboina (tokantrano […]
  • Minisitra Vololoniaina Lucie: Hisongadina ireo asa maika sy fanarenana
    Newsmada - 11:36 Jan 09, 2026
    Tao anatin’ny roa volana niasan’ny minisitry ny Fizahan­tany sy ny asa tanana, Vololoniaina Lucie, efa nazava ny soritr’asa ary efa natomboka. Nisongadina ny fanarenana ny tanàna Miami ao Toamasina ho lasa toerana hahafahana misarika ireo mpizahantany izay ahitana ampahany amin’ny hakanton’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra. Nohatsaraina ny valan-javaboahary Tsimbazaza izay […]
  • Zon’ny vehivavy : Fikambanana efatra hitondra ny feo ho iray
    Newsmada - 11:35 Jan 09, 2026
    Vehivavy mpitolona efatra, nitambatra hitondra feo iray ho an’ny zon’ny vehivavy no nampahafantatra ny fiforonan’ny hetsika lehibe iray iarahan’izy ireo mandritra ny herintaona. Hitondra vokatra mivaingana ho fiarovana ny vehivavy sy hampiharana ny lalàna hisitrahan’ireo niharan’ny herisetra izy ireo. Nitambatra ny vehivavy efatra samy efa manana ny fikambanana sy mpamorona […]
  • TARATRY ny KANTO
    Newsmada - 11:34 Jan 09, 2026
    Nanolotra ireo boky nosoratany ho an’ny Tranombokimpirenena Anosy, i Thierry Sinda. «Antho­logie des poèmes d’amour des Afriques et d’ailleurs », édition Orphie, « Mémoires et Révoltes au féminin », « Les Olympes noirs d’Henri Moucle », na­voakan’ny édition TSM no nomen’ity mpampianatra mpikaroka momba ny haisoratra sy ny siansa maha olona, mpanao gazety, poeta ary […]

2370 items