Newsmada

Found 2745 news

  • Fanohanana ny famoronana : Hampiarahina ny mozika sy ny sary
    Newsmada - 04:43 Apr 03, 2026
    Nampahafantarin’ny Al­lian­ce Française eto Anta­nanarivo indray ny fisokafan’ny «Bourse à la création 2026». Araka ny anarany, fanohanana amin’ny famoronana zavakanto izy ity, izay misokatra amin’ny Malagasy mpanakanto. Tanjona ny hamoahana tetikasa iray mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, ka ny mozika sy ny sary no ampiarahana amin’ity. Manodidina ny lohahevitra fiarovana ny […]
  • Sehatra Ba gasy avrily 2026 : Hoentina an-tsehatra ny « Atrikefa toreo fahanginana »
    Newsmada - 04:43 Apr 03, 2026
    Ahenoina lohahevitra maro ny hira ba gasy. Ao ny fitiavan’olon-droa, lahy sy vavy, hanina ilay tanàna nahabe, vohitra niandohana. Tsy vitsy kosa ireo maneho fahanginana sy toreo. Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny lohahevitra, hiompana sy hanome sehatra kokoa ireo hira ba gasy mitoreo. Na izany aza, hisy ny […]
  • Zo hisitraka fanabeazana : Nametrahana tranon’ny autisme ny EPP Vohibola
    Newsmada - 04:42 Apr 03, 2026
    Nomarihina teny amin’ny EPP Vohibola Ampandrana, omaly, ny Andro maneran-tany hankalazana ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny autisme, antsoina hoe «olona hafakely», eto amintsika. Nanamarika izany ny fitokanana ny tranon’ny autisme, ahitana efitrano roa, ao anatin’ny EPP. Fandrai­sana anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho fampisitrahana ny zo hianatra ho an’ny […]
  • Nihaino ny hetahetan’ny mpiasa : Nitsidika ny Cnapmad ny minisitra
    Newsmada - 04:41 Apr 03, 2026
    Nitsidika ny Ivontoerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (Cnapmad) ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Ivontoerana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, manana traikefa 42 taona, ary mamelona mpiasa manodidina ny 150 isa ny “Cnapmad”. Izy ireo izay miandraikitra ny famokarana ny fitaovana […]
  • Fandrindram-piterahana : Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana
    Newsmada - 04:41 Apr 03, 2026
    Ahafahana misoroka ny vohoka tsy nirina, mitondra amin’ny fanalan-jaza sy fahafatesana, ny fizarana fahalalana ho an’ny ankizy sy ny tanora momba ny fanabeazana ara-pananahana. Taorian’ny famoahana ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, taona 2024-2025, nisongadina fa tandindomin-doza ny fahasalaman’ny tovovavy eto amintsika. Adolan­tsento 15- 19 taona […]
  • Coliseum ; Tarika malaza 10 hifandimby
    Newsmada - 04:41 Apr 02, 2026
    « Revy be pro max ». Izay ny lohatenin’ilay fampisehoana goavana hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinain’ny Paka izao. « Io no fety goavana indrindra eto Antananarivo sy ny manodidina amin’io. Nosafidiana manokana ho ireo mpanakanto malaza tena andrasan’ny maro no hampiarahina ao », hoy ny nambaran’i Tantely Ralalarison, avy ao amin’ny Live Prod, […]
    Tags: Coliseum
  • 200 taona ny Trano Printy FJKM : Hanatanteraka « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato
    Newsmada - 04:40 Apr 02, 2026
    Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’ny fiangonana. Ho fankalazana ny Paska rahateo. Toy ny fanaony isan-taona, hanatanteraka ny « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato. Manamarika ny faha-200 taonany ny Trano Printy voalohany teto Madagasikara izay an’ny Fiangonana FJKM. « LMS Printing House » ny anarany tamin’izany. Tonga teto Mada­gasikara, ny […]
  • Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana : Ahina hiverina ny tsy fanjarian-tsakafo
    Newsmada - 04:40 Apr 02, 2026
    Ny herinandro ho avy izao, hidina any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny fitondram-panjakana, amin’ ny alalan’ny BNGRC, ny minisiteran’ny Mponina, ny mini­siteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) ary ireo mpiara-miombon’antoka. Hitondra fanampiana ho an’ireo olona izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy tsy fahampian-tsakafo izy ireo. […]
  • Tsy fanjarian-tsakafo ; Nankatoavina ny fandaharam-piofanana
    Newsmada - 04:39 Apr 02, 2026
    Nisy ny atrikasa fankatoavana ny fandaharam-pampiofanana momba ny fitsaboana sy fanentanana ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, no nanatanterahana izany. Tanjon’ny tahirin-kevitra enti-manofana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpia­san’ny fahasalamana. Eo koa ny fanatsarana ny fahaizan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony. Tafiditra ao koa […]
  • Filohan’ny oniversite Itasy: Nisy nitory eny amin’ny Bianco
    Newsmada - 04:39 Apr 02, 2026
    Nisy nitory eny anivon’ny Bianco ny filohan’ny oniversiten’ny faritra Itasy. Maromaro ny anton’izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany fitoriana izany ny fisandohana andraikitra sy fiahiahiana fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny dimy tapitrisa Ariary. Manampy izany koa ny na­kana fiarabe miisa efatra, tsy nifanaraka amin’ny dingana ara-dalàna tokony harahina. Mifandraika amin’izany […]
  • Trail de Maurice : Lasan’i Hajanirina ny medaly volamena
    Newsmada - 04:40 Apr 01, 2026
    Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinanka­ratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. […]
  • Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea
    Newsmada - 04:40 Apr 01, 2026
    Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sa­hala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao […]
  • Fanohanana ny fahafaha-miarina: Nizarana tohana ny tokantrano 1 200 tao Ambatondrazaka
    Newsmada - 04:39 Apr 01, 2026
    Novatsian’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny BNGRC, fanafody ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro. Fa­nafody 126 baoritra no natolotra, tamin’izany, nahitana karazam-panafody hitsaboana ny tazo, antibiotique, antidiabétique, vitamine… miaraka amin’ ny fitaovam-pi­tsaboana maro. Tonga teny amin’ireo to­kantrano miisa 1 200 tena marefo ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’Ambatondrazaka, Feramanga Avaratra, Ambandrika, distrikan’Amba­tondrazaka, ny fiandohan’ny […]
  • Zo sy fahasalamana ara-pananahana: Betsaka ireo tsy mahafantatra ny lalàna lah. 2017- 043
    Newsmada - 04:39 Apr 01, 2026
    Notanterahina tany Toliara, ny volana marsa lasa teo, ny hetsika faobe fampahafantarana ny lalàna laharana 2027- 043 momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana. Ny Ipas Afrique Francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice reproductive no nifarimbona tamin’ny fikarakarana. Tsapa nandritra ny fidinana tany Toliara fa maro ny […]
  • Hazakazaka maneho firaisankina : Hanampiana ny hopitalin’ankizy ny vola azo
    Newsmada - 04:43 Mar 31, 2026
    Hotanterahina ny alahady 26 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika ha­zakazaka maneho firaisankina. “Course solidaire La vache qui rit” no anarana isalorany amin’ity andiany voalohany ity. Mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa no andrasana, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny Mahamasina. Hizara efatra ny fifaninanana. Voalohany, misy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:42 Mar 31, 2026
    Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex, Antalya Sport Torkia, ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy i Guinée Equatoriale. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary ho fantatra aorian’izany ny filaharan’ny Barea. Nahazo isa telo indray ny AS Ste Anne, afakomaly, tetsy Iavoloha, raha nifandona tamin’ny ekipan’ny Uscafoot. Lavon’izy […]
  • Handball : Mpanazatra 23 nahavita fiofanana
    Newsmada - 04:42 Mar 31, 2026
    Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana hahazoana ny «licence D», ho an’ireo mpanazatra 23 mianadahy mianaka amin’ny taranja handball. Fiofanana nampanaovin’ny manampahaizana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (IHF), notarihin’i Khaled. Ankoatra ireo Malagasy, mpikambana ao anatin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), nisy avy atsy Mayottes sy […]
  • Muay Thai : Mpanazatra 12 nizarana traikefa teny Ankorondrano
    Newsmada - 04:42 Mar 31, 2026
    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny fiofanana teo amin’ny taranja Muay Thai, nomen’ny Maître Razanajatovo Gildas. Mpitarika sy mpanazatra 12 niatrika izany. Nanatanteraka fampiofanana teknisianina ny topmponandraikitra ao amin’ny federasionina miandraikitra ny Muay Thai. Hetsika nokarakaraina teny Ankoron­drano, nandritra ny faran’ny herinandro. Tompon’antoka tamin’izany ny Me Razanaja­tovo Gildas […]
  • 44 Andro taorian’ny rivodoza Gezani : Nahavita ny anjara asany ny kaominina
    Newsmada - 04:41 Mar 31, 2026
    Mitohy ny fanarenana an’i Toamasina. Nahavita ny anjara manandrify azy ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra. Nizotra araka ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana izany. Taorian’ny fandalovan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randri­anirina Michaël tany Toama­siana, nazava ny fizarana andraikitra amin’ny fanarenana ny tanàna. Efa voaray rahateo ny vola avy amin’ny […]
    Tags: Nahavita

2745 items