Newsmada

Found 2940 news

  • Karate Analamanga :  Nahomby ny fanokafana ny taona
    Newsmada - 04:39 May 12, 2026
    Fahombiazana ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja Ka­rate, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Anko­rondrano. Nahavory mpijery sy mpifaninana an-jatony ny Ligy Tour­nament Karate eto anivon’ Ana­lamanga. Nahatonga so­lontena avokoa ireo seksionina 8 mandrafitra ny ligy ary feno hipoka ny teny Ankoron­drano. Tetsy ankilany, […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 May 12, 2026
    Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny fihodinana faharoa, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, Yas Coupe. Samy nangoron-damba amin’ity fifanintsanana ity ny Disciples FC Espoir sy ny Cosfa II. Marihina fa lavon’ny Valahara tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Disciples FC Espoir, raha toa ka resin’ny […]
  • Rugby – Amboaran’i Afrika  : Andrasana ny lisitry ny Makis Ladies
    Newsmada - 04:38 May 12, 2026
    Hotanterahina any Nairobi Kenya, ny 21 hatramin’ny 31 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina lavalava, ho an’ny sokajy vehivavy, vondrona A. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Rugby, mety hivoaka amin’ity herinandro ity ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny […]
  • Taranja mekanika : Miisa dimy ny rallye hifaninanana amin’ny taona 2026
    Newsmada - 04:38 May 12, 2026
    Feno ny fandaharam-potoanan’ny Federation sport automobile malagasy (FSAM) ho an’ny taom-pifaninanana 2026. Dimy ny isan’ny rallye hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, raha miisa 7 ny eo amin’ny Karting. Ankoatra izay, eo koa ny “course de côte” sy ny Slalom. Nivoaka ny fandaharam-potoana ho an’ny Fe­de­ration sport automobile malagasy (FSAM), ho […]
  • Vovonana RALI : « Mila lamina vaovao ny fambolena sy fiompiana »
    Newsmada - 04:37 May 12, 2026
    Tafiditra ao anatin’ny politikam-pampandrosoana entin’ny Vovonana « Ra­ssem­blement des agriculteurs libres et indépendants » na Rali, ny fanomezan-danja ny mpiantsehatra rehetra anatin’ ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana. Tanjona ny hisian’ny fifandanjan’ny tombontsoa azon’ny tsirairay. Manomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaina izany. Andaniny, ny tantsaha tsy iankindoha amin’ireo voalaza ho mpiara-miasa aminy. An­kilany, tsy […]
  • Fimpima FJKM Ambohitantely : Nosaloran-damba ireo mpikabary 20 mianadahy
    Newsmada - 04:46 May 11, 2026
    Feno 15 taona ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitan­tely. Nomarihina omaly izany tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, nandritra ny alahadin’ny SLK ny maraina, tao an-toerana. No­tontosaina nandritra izany ihany koa ny fampisalorana lamba ireo mpikambana tsotra, mpikabary miisa 20 mianadahy. Nanatontosa ny fampisaloran-damba ny filoham-paritany Fimpima, Andrianady Bandro. Nisolo […]
  • Farakely sy Rija R. : Nampiaina indray ireo hiran’i Bessa sy Lôla
    Newsmada - 04:46 May 11, 2026
    Aman-jatony maro raha ny sanganasan’i Bessa. Am-polony maro koa no natokany ho fampiaraham-peon’izy mivady, Bessa sy Lôla. Notsongaina tamin’ireo ny hira nalahatr’i Rija Rama­nan­toanina sy i Farakely, nandritra ny fampisehoana notontosainy omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hira tsy afaka ambavan’ny maro ary mbola voaporofo izany nandritra ny ora telo mahery […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:45 May 11, 2026
    Hikarakara ny fankalazana miavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, ny 05 sy 06 jona 2026, eny amin’ny Parvis Analakely, ny CUA sy ireo minisitera tompon’andraikitra. Hetsika hampifanakaiky ny fikarohana siantifika sy ny vahoaka. Hanentanana ihany koa ny tanora, indrindra ny mpianatra eny amin’ny oniversite, izany. Ho fanatsarana ny […]
  • Famoahana kopia : Mampitarazoka ny asa ny fahanteran’ny fitaovana
    Newsmada - 04:45 May 11, 2026
    Ny fitaovana efa tonta sy tsy mahazaka ny filàna intsony no mahatonga ny fahatarana amin’ny famoahana kopia amin’izao fotoana. Io ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny kaominina An­tananarivo Renivohitra manoloana ny fitarazohan’ny asa famoahana kopia nahaterahana eny amin’ny boriborintany. Efa tranainy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy, toy ny serveur, […]
  • Mananjary : Tranga voajanahary ny fiakaran’ny ranomasina
    Newsmada - 04:44 May 11, 2026
    Nanaitra ny mponin’i Mananjary ny fiakaran’ny ranomasina tampoka tsy nisy fampitandremana voaray ny maraimbe, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana ny sampandraharaham-paritry ny toetry ny andro ao Vatovavy mahakasika io fiakaran’ny ranomasina tany an-toerana io. “Nifanojo tamin’ny fisian’ny alondrano antonony avy any atsimo ny fotoan’ny fiakaran’ny ranomasina tamin’io sabotsy maraina io, […]
  • Kick Boxing: Lany ho filohan’ny federasionina Rafidison José
    Newsmada - 04:55 May 09, 2026
    Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana eo anivon’ny Federa­sioni­na malagasin’ny kick boxing. Lany ho filoha Rafidison José. Nafanafana ny fifidiananana natao teny Mahamasina ary naharitra ora maromaro mihitsy izany. Ligy 14 no tonga nanatrika sy nandatsa-bato. Rehefa vita ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy rehetra, nirosoana ny fivoriambe sy […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:54 May 09, 2026
    Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny Disciples FC Espoir Analamanga sy ny Valahara FC Vakinankaratra. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe 2026. » Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Camp Nou, Espaina, ny fihaonanan’ny FC Barcelone sy ny […]
  • Rugby – Top 12 : Hiady tsy ho gisitra ny Savony sy ny Besetroka
    Newsmada - 04:54 May 09, 2026
    Hotanterahina alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12”. Hanamarika izany ny fifandonan’ny STM (Savony) sy ny UASC Cheminots (Besetroka). Hangotraka ny fihaonana satria hiady tsy ho gisitra ny roa tonta. Raha tsiahivina, mitana ny rambony ny Savony raha […]
  • “Lalao Olympika 2028” : Mpilalao 40 mahery hifantenana izay ho Barea, vehivavy
    Newsmada - 04:54 May 09, 2026
    Tafiditra anatin’ireo firenena 35 hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila roa, hiatrehana ny Lalao Olympika, hatao any Los Angeles Etazonia, i Madagasikara. Hanomboka ny tapaky ny volana jona izao ny fanomanana. “Barea vonona…?”. Ani­san’ireo firenena eni­na hiatrika ny fihodinana voalohany amin’ny ady ta­pakilan’ny Lalao Olym­pi­ka 2028, any Los Ange­les Etazo­nia, […]
  • Asa fampihorohoroana aty Afrika: Mampiahiahy ny fisian’ny Okrenianina
    Newsmada - 04:53 May 09, 2026
    Manamafy ny fanohanany ny firenena afrikanina toa an’i Madagasikara ny firenena Rosianina, ankehitriny. Ani­san’ny ifantohan’ny fiaraha-miasa ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny ara-miaramila. Miaramila malagasy 140 no nanaraka fiofanana, ka nahazo ny mari-pahaizana tamin’ny fahaiza-mitifitra, ny fampiasana « drônes », sns. Manamafy ry zareo rosianina fa mijoro ho sakaiza mahatoky. Anisan’ny […]
  • Ho an’ny rasazy : Ilaina ny fidirana anaty Holafitra
    Newsmada - 04:40 May 08, 2026
    Manetriketrika ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona na ny rasazy, amin’ity herinandro ity. Marihina any amin’ny faritra Anosy izany. Lohahevitra voizina maneran-tany ny hoe, Mpampivelona iray tapitrisa fanampiny. Mampiharihary ny tsy fahampian’ny rasazy ma­neran-tany izany ka anentanana ny firotsahan’ny tanora hiantsehatra amin’izany asa masina izany. Tany amin’ny faritra […]
  • INDRAY MIJERY
    Newsmada - 04:40 May 08, 2026
    Handray anjara amin’ny tranoheva sy famelabelaran-kevitra mandritra ny FIM 2026, nanomboka omaly hatramin’ny 10 mey, ao amin’ny CCI Ivato, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Amin’ny alalan’ny Ivontoerana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary teknika (CIDST), ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny […]
  • Dépôt de médicament : Hampitomboina ny traikefa
    Newsmada - 04:40 May 08, 2026
    Haharitra roa herinandro ny fanofanana ireo mpivarotra fanafody na Dépôt de médicament, tanterahin’ny INSPC etsy Mahamasina. Andiany fahafito ny fanofanana, hampitomboana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo. Hampanarahana ny toetrandro ny fahalalana manaraka ny fivoaran’ny karazana fanafody amidy sy ny fifehezana ny fitahirizana azy ireny ihany koa. Hanampy ireo mpitantanana […]
  • Fotodrafitrasa UniPod : Havadika ho asa ny voka-pikarohana
    Newsmada - 04:39 May 08, 2026
    Napetraka ny fotodrafitrasa University innovation Pod (UniPod) ao anatin’ny tetikasa fampifandraisana ny fikarohana eny amin’ny oniversite sy ny toeram-pikarohana amin’ny sehatra tsy miankina, hiteraka asa. Nanazava izany ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndao­hia­ly Manda-Vy, omaly, teny Anosy. « Fotodrafitrasa mipetraka eo amin’ny fitalevan’ny fikarohana […]
  • TARATRY NY KANTO
    Newsmada - 04:39 May 08, 2026
    Miantso ireo mpanakanto te handray anjara amin’ny “Fetin’ny mozika 2026” ny IFM Analakely. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mpanakanto na tarika te handray anjara, tsy anavahana gadona sy karazana mozika, ary tsy misy sokajin-taona ihany koa. Mila manana hira 03 fara-fahakeliny hatolotra anefa, ary vonona amin’ny fepetra rehetra takin’ny […]

2940 items