Newsmada

Found 2940 news

  • Observateur de la jeunesse : Tokony hamoraina ny fandovana tany
    Newsmada - 04:48 May 29, 2026
    Naneho hevitra ny Obser­vateur de la jeunesse fa tena ady sarotra ny resaka fandovana tanin-drazana eto Mada­gasikara. Maro ny fianakaviana mitaraina satria sarotra ny manatanteraka ny pitsompi­tsony amin’izany. Mifampian­kina nefa ny fampandovana sy ny fampandrosoana ny tanora. Ny 80% ny Malagasy dia mpamboly, kanefa tsy mizaka ny fananany madiodio ny […]
  • Hamadihana ny fikarohana ho lasa asa: Notokanana omaly ny UniPod, misokatra ho an’ny rehetra
    Newsmada - 04:48 May 29, 2026
    Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny Université d’innovation Pod (UniPod). Teny an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny eo anivon’ny Pnud. Toerana iray hitrandrahana sy hampivelarana ireo tetikasa sy asa fikarohana ho lasa asa iarahana amin’ny sehatra tsy miankina ny UniPod. Hahafahana mamadika […]
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:47 May 29, 2026
    Tafita hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ny Fosa Juniors Boeny. Tafiditra amin’ny fifaninanam-pirenena «PFL». Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, omaly, ny klioban’ny FC Soleil. Tsiahivina fa mbola miatrika ny ampaha-16n-dalan’ity fifanintsanana ity ny Fosa Juniors sokajy zandriny.
  • “Pureplay Football League (PFL)” : Tafita any amin’ny manasa-dalana ny Elgeco Plus
    Newsmada - 04:47 May 29, 2026
    Ekipa faharoa manaraka ny dian’ny Disciples FC Va­kinankaratra any amin’ny manasa-dalana amin’ny “Pu­re­­play Football League (PFL)”, ny Elgeco Plus. Resin’ izy ireo tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 2, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, omaly, ny FC Rouge. Nisaraka 1 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna, […]
  • Komity olympika malagasy: Tontosa ny fivoriambe ara-potoana
    Newsmada - 04:46 May 29, 2026
    Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sky Blue Ankadindra­tombo, ny fivoriambe ara-potoana 2026 ho an’ny Komity olympika malagasy (Kom). Saika tao avokoa ny ankamaroan’ny Federasionina rehetra ary nandefa solontena sy niditra mivantana ireo tsy afaka nanatrika izany. Teboka maro no noresahina ka anisan’ny nisongadina ny mahakasika ny Lalao olympika ho an’ny tanora […]
    Tags: Komity
  • Tarika Iray Fy’Art : Hilalao tantara amin’onjampeo any Amparamanina
    Newsmada - 04:51 May 28, 2026
    Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Am­pa­rafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Maha­janga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy […]
  • Fomba sy fanao: Tsy kolontsaina mala­gasy ny « Fetin’ny Reny »
    Newsmada - 04:51 May 28, 2026
    Andro vitsy sisa no isaina… Hankalaza ny « Fetin’ny Reny » ny Malagasy. Raha ilay anarany fotsiny no iaingana. Efa maneho sahady fa indrana ihany no ataon’ny Malagasy fa tsy tompony. Ny alahady 31 mey izao no hankalaza ny « Fe­tin’ny Reny » ny Mala­gasy. Na, tsy manontolo aza. Tao anatin’ny taona maro, mitombo […]
  • Faritra Normandia Frantsa: Nanangana ivontoerana ho an’ny tanora
    Newsmada - 04:50 May 28, 2026
    Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity […]
  • Ady amin’ny kolikoly : Mihemotra ny laharan’i Madagasikara
    Newsmada - 04:50 May 28, 2026
    Nihemotra laharana valo i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny tatitry ny Transpa­rency international faha-31, ny fiandohan’ny herinandro teo, momba ny tondro andrefesana ny kolikoly, taona 2025. Laharana 148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara tamin’ny 2025, amin’ny isa 25 amin’ny 100 na 25/100. Nefa tamin’ny taona 2024, 26/100 no […]
  • Lisitry ny Barean’i Madagasikara: Niantso mpiandry harato i Corentin Martins
    Newsmada - 04:49 May 28, 2026
    Nahazo mpilalao vaovao indray ny Barea! Nantsoin’i Corentin Martins handrafitra ny Barean’i Madagasikara, i Ilam Djaliane, mpiandry tsatoby mi­lalao ao amin’ny Blagnac FC, divizionina fahadimy (D5) any France. Araka ny fikarohana natao, nahatafidirana baolina 12 tamin’ireo lalao enina vitany ity mpiaro ny masonaraton’ny Barea vaovao ity. Efa nandalo niatrika fiofanana […]
  • Minisiteran’ny Jono: mihitsoka ny fandehan’ ny raharaham-panjakana
    Newsmada - 11:11 May 26, 2026
    Mbola mitohy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny minisitry ny Jono, ny Pr Maharavo Jean sy ny sekeretra jeneraly vaovao, Ra­ve­lo­manantsoa Be-Rija. Mihi­satra ny asam-panjakana noho ny hambompo manokana. Tsy mbola mankasitraka ny fanendrena ny sekretera jeneraly ny minisitra, tsy ma­naiky ny fiaraha-miasa hatramin’izao. Manomboka ny fa­nangonan-tsonia hataony, ha­nesorana ny olona […]
    Tags: Jono
  • Alatsinain’ny Pantekoty: hipoka avokoa ireo toeram-pialamboly
    Newsmada - 11:07 May 26, 2026
    Raha tarafina amin’ny isan’ny mpijery, fahombiazana avokoa ireo fampisehoana maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Singanina indrindra amin’izany ny « Mi’sôma total » tetsy amin’ny Coliseum. Goavana indrindra na tamin’ny toerana, ny isan’ny mpijery, fa indrindra ny isan’ny tarika nifandimby an-tsehatra. Nosafidian’ny mpi­karakara manokana ireo mpanakanto be mpankafy amin’izao fotoana izao. […]
  • Tsiakoraka: mbola am-pon’ny mpankafy, 40 taona aty aoriana
    Newsmada - 11:01 May 26, 2026
    Io i Fidy, Guerd, Liva… Tarehy nanamarika izany Tsiakoraka izany hatramin’ny nanombohany. Fihaonana na­hafaly ireo efa zokinjokiny toa azy ireo, ny seho nataon’ny tarika, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny CCEsca Anta­nimena. Fotoana namerina indray ny taloha, tsy ireo hira ihany fa indrindra ireo fahatsiarovana nentiny. Notsaroana manokana ireo mpikambana […]
  • Pureplay Football League: namory maika ny mpitsara ny federasionina
    Newsmada - 10:57 May 26, 2026
    Nanatanteraka fivoriana maika tetsy Isoraka ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra sy ireo mpitsara ary ny mpiantsehatra amin’ny fifaninanana “PFL”, ny asabotsy lasa teo. Antony: tsy nety hitsara ny lalao ny mpitsara manoloana ireny zava-nitranga nahitana fitoriana mpitsara ireny. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa niravona ny disadisa, saingy hahemotra avokoa […]
  • Rugby sokajy vehivavy – Can 2026: nomontsanin’ny Spring­boks ny Makis Ladies
    Newsmada - 10:55 May 26, 2026
    Voahaja ny lojika teo amin’ny lalaon’ny Makis Ladies sy ny Springboks Afrika Atsimo. Mbola maozatra ho an’ny tovovavy malagasy ny mifandona amin’izy ireo. Porofon’izany, nomontsaniny, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 5, ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Springboks Afrika Atsimo ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho […]
  • Mahatazana – Andilamena: Telo lahy nahatrarana taolam-paty 20 gony
    Newsmada - 04:40 May 23, 2026
    Taolan-dava miisa 822 be izao no saron’ny polisim-pirenena tao amin’ny tanàna Mahatazana kaominina ambonivohitr’ Andilamena, ny alin’ny alatsinainy 18 mey hifoha talata teo. Tratra niaraka tamin’ny andian-jiolahy mpamaky fasana, telo lahy, izany. Raha ny angom-baovao, araka ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny komiseran’ny polisy ao an-toerana, misahana ny filaminana anatiny, Randria Albert. […]
  • KMF/Cnoe: “Be dia be tsy mazava momba ny fikaonandoha”
    Newsmada - 04:39 May 23, 2026
    “Nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandohan’ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe. Ny fahitanay azy, mbola misy zavatra be dia be manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Mila fanazavana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ny amin’ny fikaonandohan’ny olom-pirenena. Firy andro, ohatra, ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, ahoana […]
    Tags: Cnoe
  • SOMBIM-BAOVAO
    Newsmada - 04:38 May 23, 2026
    Hotontosaina ao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe ny fihaonana miverina eo Disciples FC Vaki­nankaratra sy ny Fosa Juniors Boeny. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny ampahefa-dalana, “Pureplay Football League (PFL)”. Mbola manala vela moa ry zareo Fosa Juniors. Resin’ny Disciples 4 no ho 0 izy ireo, nandritra ny lalao mandroso. Voahosotra ho tompondakan’i Arabia […]
  • Rugby, vehivavy – CAN 2026 : Hanala vela amin’i Springboks ny Makis Ladies
    Newsmada - 04:38 May 23, 2026
    Hotanterahina ao Nairobi Kenya, manomboka anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), taranja rugby, vehivavy, ho an’ny sokajy «Performance division». Firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’izany dia i Kenya, mpampiantrano, miampy ny Springboks, tompondaka farany, miaraka amin’ny Makis Ladies Mada­gascar ary ny The Cranes Ouganda, ekipa […]

2940 items